Dans la mme rubrique

Raharaha volabe 70 000 Euros Tsy mety miloa-bava ilay minisitra

18/01/2018

Niandry izay fanambarana ofisialin’ny minisitry ny fitsarana Rasolo Elise Alexandrine ny rehetra manoloana ny raharaha mafana momba ilay fanambaran’ilay Frantsay Houcine Arfa nilaza fa nandoa volabe 70 000 Euros taminy ho saran’ny fanafahana azy, saingy tsy nisy izany hatramin’izao.

Raharaha volabe 70 000 Euros Tsy mety miloa-bava ilay minisitra

Hamaky ny tohiny...

Didy mikasika ny raharaha Sygmma Andrasana amin’ny 26 janoary

18/01/2018

Mitohy ny fifandonana eo anivon’ireo tantsambo mpikambana eo anivon’ny Sygmma na ny sendikan’izany eto Madagasikara tarihin’ny sekretera jeneraliny Lucien Razafindraibe an-daniny sy Basola Nomenjanahary, an-kilany.

Didy mikasika ny raharaha Sygmma Andrasana amin’ny 26 janoary

Hamaky ny tohiny...

EPP Antandrokomby Anosizato andrefana Saika tsy nety niala ireo traboina sasany

18/01/2018

Saika tsy nety niala ireo traboina sasany natoby tetsy amin’ny EPP Antandrokomby Anosizato Andrefana, indrindra fa ireo nipetraka tao amin’ny trano natokana hianaran’ny préscolaire.

EPP Antandrokomby Anosizato andrefana Saika tsy nety niala ireo traboina sasany

Hamaky ny tohiny...

Vanim-potoanan’ny Pesta 2018 Mety hampihemotra fifidianana

17/01/2018

Mahalasa saina ny mpanara-baovao ihany ny fanazavan’ny manampahefana Malagasy ny taon-dasa 2017 teo, mikasika ny valanaretina pesta.

Vanim-potoanan’ny Pesta 2018 Mety hampihemotra fifidianana

Hamaky ny tohiny...

Mpivarotra eny Andrefan’i Mananjara Hananganan’ny CUA « Pavillon » vaovao

17/01/2018

Mpivarotra efa ho 320 mahery avy etsy Andrefan’i Manajara, ao anatin’ny Boriborintany faha-4, monina sy manao asa fivarotana eny an-toerana no tonga nidinidinika sy nitafatafa ary niarahaba nahatratra ny taona 2018 ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely omaly talata 16 jolay tolakandro.

Mpivarotra eny Andrefan’i Mananjara Hananganan’ny CUA « Pavillon » vaovao

Hamaky ny tohiny...

Olana eny amin’ny boriborintany faharoa Niditra ho mpanelanelana ireo mpanolotsain’ny tanàna

17/01/2018

Misy olom-boafidy iray lisitra tamin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana ary misy lany tamin’ny alalan’ny antoko hafa ihany koa izahay mpanolotsaina monisipaly mijoro eto,

Olana eny amin’ny boriborintany faharoa Niditra ho mpanelanelana ireo mpanolotsain’ny tanàna

Hamaky ny tohiny...

Moramanga an-tampon-tanàna Hodinihana ny fampidirana angovo azo havaozina

17/01/2018

Tonga eto amintsika eto Madagasikara efa ho 3 herinandro Atoa Jean Axel Epiloïs izay ben’ny tanàna lefitr’ i Sainte Suzanne atsy amin’ny nosy La Réunion izay tanàna mpirahavavy amin’i Moramanga any Alaotra Mangoro.

Moramanga an-tampon-tanàna Hodinihana ny fampidirana angovo azo havaozina

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Kolikoly sy famarotana tany Nitory ny fanjakana ny CRN

14/11/2017

Tafapetraka omaly teny amin’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) Ambohibao ny fitoriana avy amin’ny Komitin’ny fampihavanam-pirenena (CRN) tarihan’i Tabera Randriamanantsoa.

Manahy trangana kolikoly avo lenta tamin’ny famarotana ny tany misy ny « villa Elizabeth » sy ny famarotana tany etsy sy eroa ataon’ny fanjakana izy ireo. Tanim-panjakana miisa 5 be izao no tsy mazava intsony ny momba azy fa ao ireo efa lafo ary ao ireo an-dalana ho amin’izany. Ny Villa Elizabeth Ivandry, ny minisiteran’ny asa vaventy teo aloha eny an-toerana ihany koa, izay efa lasa Hotely, hoy ity filoha ity, ny Nosy Ampisikina ao Vohemar, ny torapasik’i Toliara ary ny trano fonenan’ny praiminisitra teo aloha, Pierrot Rajaonarivelo, eny Mamory Ivato moa ireo hangatahana fanadihadiana ireo. Noraisin’ny Bianco an-tanan-droa, hoy ny CRN, ny fangatahanay ary fantatray fa tia tanindrazana avokoa ny tale jeneralin’ity rafitra ity sy ny mpiara-miasa aminy ary hiara-hiasa akaiky izahay manomboka izao. Amin’ny herinandro dia efa hanomboka ny fanadihadiana ny Bianco, hoy ny fanazavana, ary manentana ny vahoaka hanao rodobe hiaro ny taniny fa tsy hanan-tany intsony isika afaka 5 taona raha izao no mitohy.Feno ny fepetra ilazana fa misy ny famadihana tanindrazana sy famarotana tanindrazana ka mitory ny mpitondra fanjakana amin’izao fotoana ny CRN tarihan’i Tabera Randriamanantsoa izay anisan’ireo olona tena akaiky ny Pr Zafy Albert fony fahavelony. Manantena ny Bianco hanadihady tsara io raharaha io izahay, hoy i Tabera Randriamanantsoa. Zava-doza ny famarotana tanindrazana ary vao miha ratsy raha tafiditra ao anatin’ny kolikoly ny manampahefana sasany eto amin’ny firenena. Milaza ny tsy hihemotra amin’ity zavatra ataony ity ny CRN mba hipoiran’ny marina sy ny rariny izay zavatra tena nanan-danja tokoa tamin’ny Pr Zafy Albert, hoy izy ireo.


RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana