Dans la mme rubrique

Mpanakorontana ny asa fanaovan-gazety Nampitandrina ny minisitry ny serasera

18/10/2017

Ny vadina mpanao gazety dia tsy mpanao gazety, hoy ny minisitry ny fifandraisana, Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia, omaly raha naneho hevitra tetsy Tsimbazaza manoloana ny fisiana vadina mpanao gazety iray izay nolazainy fa tato ho ato dia nanao fihetsika sy teny manomboka manakorontana ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety eto amintsika.

Mpanakorontana ny asa fanaovan-gazety Nampitandrina ny minisitry ny serasera

Hamaky ny tohiny...

Mahavoky Besarety Razana roa no natsingevan’ny rano

18/10/2017

Olona roa sahady izao no maty natsingevan’ny rano maloto tao amin’ny fokontany Mahavoky Besarety vokatry ny firotsahan’ny rotsak’orana. Lehilahy ny iray tokony ho tamin’ny 8 ora maraina ary tsy nisy naka raha tsy efa folakandro.

Mahavoky Besarety Razana roa no natsingevan’ny rano

Hamaky ny tohiny...

Fifandonan’ny jiolahy sy zandary teny Ampitatafika 3 voasambotra, tratra ny basy poleta

18/10/2017

Andian-jiolahy miisa 5 mitam-basy nikasa hanafika teny Ankadivory Ampitatafika no voasambotry ny zandary nanao fisafoana ny alakamisy alin’ny 12 oktobra tokony ho tamin’ny 12 ora. Efa tafahanika ny tambohon’ny tokantrano saika hokendreny, ary efa tany anaty efitrano aza no tsikaritry ny zandary, ka raikitra ny sakoroka.

Fifandonan’ny jiolahy sy zandary teny Ampitatafika 3 voasambotra, tratra ny basy poleta

Hamaky ny tohiny...

Zandary lavo tany Betroka Maty noho ny hatairana ihany koa ny reniny

17/10/2017

Maty voatifitry ny dahalo tany Betroka ny 13 oktobra lasa teo ny zandary iray kilasy faharoa Ralaivao René Germain, vao erotrerony tokoa. Nandritra ny fifanenjehana tamin’ny dahalo tany Betroka no nahalavo azy, ka raha ny fanazavana azo teo anivon’ny seraseran’ny zandarimariam-pirenena, dia mody nifangaro tamin’ny fokonolona ireo dahalo ka nodidiny ho eo afofoany ity zandary ity avy eo.

Zandary lavo tany Betroka Maty noho ny hatairana ihany koa ny reniny

Hamaky ny tohiny...

Fangalarana herinaratra Tratra ambodiomby ireo mpiasan’ny Jirama

16/10/2017

Tranga hafa mihitsy ity niseho tao Toamasina ny zoma hariva ity, satria mpivady samy mpiasan’ny jirama ao Toamasina no tratran’ny orinasa Jirama mangalatra herinaratra, ka mamarotra amin’ireo fianakaviana maromaro manodidina azy ireo tao Ambalamanasy “Carreau II”.

Fangalarana herinaratra Tratra ambodiomby ireo mpiasan’ny Jirama

Hamaky ny tohiny...

Vono olona teny Ambohitrarahaba Ankizy 2, lehilahy 1 nidoboka eny Antanimora

14/10/2017

Olona 6 no niakatra fampanoavana teny amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy omaly momba ilay raharaha fandrobana sy famonoan’olona ary fakana an-keriny teny Ambohitrahaba ka nahafatesana tovolahy kely izay norasarasaina tamin’ny famaky , notapahin-doha avy eo nesorina ny masony.

Vono olona teny Ambohitrarahaba Ankizy 2, lehilahy 1 nidoboka eny Antanimora

Hamaky ny tohiny...

Marc Tatandraza Manadala saim-bahoaka fotsiny

14/10/2017

Manadala saim-bahoaka no azo hilazana ny fihetsika sy ny zavatra ataon’i Marc Tatandraza, izay milaza azy ho apostoly sy irak’i Jesosy. Sesilany ny fanambarana sy fitenintenenam-poana etsy sy eroa.

Marc Tatandraza Manadala saim-bahoaka fotsiny

Hamaky ny tohiny...


Actualits

KMF/CNOE Manakiana mafy ny foloalindahy

17/06/2017

Henjana ny fanehoan-kevitry ny Firaisamonim-pirenena KMF/CNOE miantefa amin’ny mpitandro ny filaminana. “Mbola mitana ny andraikitra napetraky ny lalàna taminy ve ireo foloalindahy ?”, hoy izy ireo.

 

 Amin’ny maha mpanara-maso ny fiainam-pirenena, dia tsy hay ny hangina ka hijery fotsiny ny zava-misy, indrindra ny mahakasika ny fiainan’ny vahoaka mivantana, hoy ity vovonana ity. Tsy azo odian-tsy hita fa tena miaina ao anatin’ny tsy fandriampahalemana tanteraka ny vahoaka. Maro ny endrika isehoany eto amin’ ny firenena na an-drenivohitra na ambanivohitra, eny fa  na hatrany an-dranomasina aza, hoy ny KMF/CNOE. Na handeha hivoaka ny trano na hamonjy toeram-piasana dia mitaintaina avokoa ny vahoaka Malagasy, anisan’izany ny fakana olona an-keriny, ny fanendahana etsy sy eroa, ny vaky trano arahina vono olona, ny fanafihan’ny dahalo ireo vahoaka izay efa mahenika ny tanàn-dehibe mihitsy, ny fisandohan’andraikitra sy ireo asan-jiolahy maro samihafa tsy tambo tononina. Ny zavatra mampalahelo dia maro ireo mpitandro ny filaminana no mpandray anjara sy voatonontonona, toy ny zava-nisy tany Antsakabary, nandorana ireo trano an-jatony maro, ny fanafihana ny tobin-dry masera sy famonoana pretra, ny zava-nitranga teny Ivato momba ilay resaka volamena, ny rongony 20 gony izay tratra tany Ihosy... Miroborobo fatratra ireo mpanafika tranombarotra manerana an’Antananarivo. Mba aiza ho aiza ireo mpiaro ny vahoaka sy ny fananany ? Notsiahivin’ny KMF/CNOE fa ny foloalindahy no tompon’andraikitra amin’ny fampiharana ny lalàna ary natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany satria tandroka aron’ny vozona. Aoka mba tsy ho fandraisana andraikitra am-bava fotsiny no atao fa porofoy amin’ny asa mivaingana azo tsapain-tanana mba hananan’ny vahoaka fitokisana tanteraka aminareo tompon’andraikitra isan-tokony, ny filoham-pirenena, ny governemanta sy ireo minisitera voakasika mivantana ary ny ambaratongam-pahefana rehetra, hoy ny fanambarana.


Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana