Dans la même rubrique

Orinasa eto Madagasikara Maro no tsy mazava

27/05/2017

Orinasa manodidina ny 28 izay 80%-n’ireo mpanondrana entana any ivelany ary 42 izay mameno ny 85%-n’ny tsena anatiny eto Madagasikara,

Orinasa eto Madagasikara Maro no tsy mazava

Hamaky ny tohiny...

Raharaha «Claudine Razaimamonjy» Nampiova ny zava-nisy tao amin’ny fitsarana

27/05/2017

Miankin-doha amin’ny fahefana mpanatanteraka ny rafitra miady amin’ny kolikoly eto Madagasikara, hoy ny mpandrindra ireo hetsika iadiana amin’ny kolikoly eo anivon’ny Rohy Ramarosaona Faraniaina tamin’ny fivahinianany tao amin’ny onjampeo iray.

Raharaha «Claudine Razaimamonjy» Nampiova ny zava-nisy tao amin’ny fitsarana

Hamaky ny tohiny...

Vely kanota ho an’i Rolly Mercia “Mianara aloha lalàna”, hoy ny filohan’ny SMM

26/05/2017

Nangina na koa nampanginina ny raharaha mahasaringotra ny loholona Riana Andriamandavy VII izay mifanindran-dalana amin’ny raharaha Claudine Razaimamonjy, ka nitondra ny heviny momba izany indray ny filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara Faniry Ernaivo ny alarobia teo.

Vely kanota ho an’i Rolly Mercia “Mianara aloha lalàna”, hoy ny filohan’ny SMM

Hamaky ny tohiny...

Traboina teny Anosibe Nampiasa herinanatra tsy ara-dalàna

26/05/2017

Nitondra fanampiana voatsirambin’ny tanana ho an’ireo traboina vokatry ny hain-trano teny Anosibe niseho ny alahady teo ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo notarihan’ny delegen’ny boriborintany faha-4 Ramahandrimanana Solofoniaina Daniel omaly.

Traboina teny Anosibe Nampiasa herinanatra tsy ara-dalàna

Hamaky ny tohiny...

Rajaonarimampianina mivady Nanova fomba fiady

26/05/2017

Miezaka miseho sy miteny isan’andro indray ny filoha Hery Rajaonarimampianina tato anatin’ny herinandro izao. Mialoha io dia efa natomboka ilay fandaharana fanazavan-kevitra « Fotoam-bita » izay ny filoha mihitsy no miresaka sy manazava ny vaovao mafampana ao.

Rajaonarimampianina mivady Nanova fomba fiady

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetin’ny reny Hizara voninkazo ny “Ceinture verte”

26/05/2017

Etsy amin’ny tranombokim-pirenena etsy Ampefiloha etsy amin’izao fotoana izao ka hatramin’ny alarobia teo ry zareo mpikambana eo anivon’ny Ceinture verte izay ivondronana mpikirakira voninkazo 20 mianadahy eo ho eo.

Fankalazana ny fetin’ny reny Hizara voninkazo ny “Ceinture verte”

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Boaderozy Singapour Hosamborina i Anthèlme Ramparany ?

24/05/2017

Nametraka fitoriana eny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo ny governemanta Malagasy mba hanohizana ny fanenjehana ara-pitsarana ireo tompon’antoka tamin’ny fanondranana Boaderozy tany Singapour ny taona 2014.

Raharaha Boaderozy Singapour Hosamborina i Anthèlme Ramparany ?

Hamaky ny tohiny...


Actualités

IST AMPASAMPITO Hiara-kiasa amina onivesite Kanadiana

24/11/2016

Hiara-kiasa hanampy ireo tanora mpianatra Malagasy vao misondrotra ny oniveriste iray any Kanada ny Institut Supérieur de la technologie etsy Ampasampito.

 Ankoatra ny mpianatra malagasy  izay alefa hianatra any amin’ity Oniversite iray ity mantsy dia samy handefa mpampianatra ihany koa ny sekoly roa tonta  mba hifanakalo traikefa hahafahana manatevina ny fikarohana hataon’ny mpianatra hahazoan’ireto farany manangana orinasa manokana ho an’ny tenany manokana. Tontosa omaly tetsy Ampasampito ny sonia fifanekem-piaraha-miasa mifandraika amin’izany. Nambaran-dRakotomalala Jean Lalaina talen’ny IST Antananarivo nandritra izany fa ny mba hahafahana miady amin’ny tsy fananan’asa mahazo  ny  tanora Malagasy marobe ankehitriny no tanjona. Ho an’ny IST Ambositra manokana izay efa misy mpianatra manodidina ny 1.000 isa ankehitriny dia mpampianatra miisa telo no alefa any an-toerana hifanakalo traikefa amin’ireo mpampianatra efa za-draharaha any amin’ity oniveriste iray ity ato ho ato  ho tombontsoan’ny tanora Malagasy. Mbola hitohy any amin’ny  IST  Antsiranana izao fiaraha-miasa izao.

Pati


 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana