Dans la męme rubrique

Mpanakorontana ny asa fanaovan-gazety Nampitandrina ny minisitry ny serasera

18/10/2017

Ny vadina mpanao gazety dia tsy mpanao gazety, hoy ny minisitry ny fifandraisana, Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia, omaly raha naneho hevitra tetsy Tsimbazaza manoloana ny fisiana vadina mpanao gazety iray izay nolazainy fa tato ho ato dia nanao fihetsika sy teny manomboka manakorontana ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety eto amintsika.

Mpanakorontana ny asa fanaovan-gazety Nampitandrina ny minisitry ny serasera

Hamaky ny tohiny...

Mahavoky Besarety Razana roa no natsingevan’ny rano

18/10/2017

Olona roa sahady izao no maty natsingevan’ny rano maloto tao amin’ny fokontany Mahavoky Besarety vokatry ny firotsahan’ny rotsak’orana. Lehilahy ny iray tokony ho tamin’ny 8 ora maraina ary tsy nisy naka raha tsy efa folakandro.

Mahavoky Besarety Razana roa no natsingevan’ny rano

Hamaky ny tohiny...

Fifandonan’ny jiolahy sy zandary teny Ampitatafika 3 voasambotra, tratra ny basy poleta

18/10/2017

Andian-jiolahy miisa 5 mitam-basy nikasa hanafika teny Ankadivory Ampitatafika no voasambotry ny zandary nanao fisafoana ny alakamisy alin’ny 12 oktobra tokony ho tamin’ny 12 ora. Efa tafahanika ny tambohon’ny tokantrano saika hokendreny, ary efa tany anaty efitrano aza no tsikaritry ny zandary, ka raikitra ny sakoroka.

Fifandonan’ny jiolahy sy zandary teny Ampitatafika 3 voasambotra, tratra ny basy poleta

Hamaky ny tohiny...

Zandary lavo tany Betroka Maty noho ny hatairana ihany koa ny reniny

17/10/2017

Maty voatifitry ny dahalo tany Betroka ny 13 oktobra lasa teo ny zandary iray kilasy faharoa Ralaivao René Germain, vao erotrerony tokoa. Nandritra ny fifanenjehana tamin’ny dahalo tany Betroka no nahalavo azy, ka raha ny fanazavana azo teo anivon’ny seraseran’ny zandarimariam-pirenena, dia mody nifangaro tamin’ny fokonolona ireo dahalo ka nodidiny ho eo afofoany ity zandary ity avy eo.

Zandary lavo tany Betroka Maty noho ny hatairana ihany koa ny reniny

Hamaky ny tohiny...

Fangalarana herinaratra Tratra ambodiomby ireo mpiasan’ny Jirama

16/10/2017

Tranga hafa mihitsy ity niseho tao Toamasina ny zoma hariva ity, satria mpivady samy mpiasan’ny jirama ao Toamasina no tratran’ny orinasa Jirama mangalatra herinaratra, ka mamarotra amin’ireo fianakaviana maromaro manodidina azy ireo tao Ambalamanasy “Carreau II”.

Fangalarana herinaratra Tratra ambodiomby ireo mpiasan’ny Jirama

Hamaky ny tohiny...

Vono olona teny Ambohitrarahaba Ankizy 2, lehilahy 1 nidoboka eny Antanimora

14/10/2017

Olona 6 no niakatra fampanoavana teny amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy omaly momba ilay raharaha fandrobana sy famonoan’olona ary fakana an-keriny teny Ambohitrahaba ka nahafatesana tovolahy kely izay norasarasaina tamin’ny famaky , notapahin-doha avy eo nesorina ny masony.

Vono olona teny Ambohitrarahaba Ankizy 2, lehilahy 1 nidoboka eny Antanimora

Hamaky ny tohiny...

Marc Tatandraza Manadala saim-bahoaka fotsiny

14/10/2017

Manadala saim-bahoaka no azo hilazana ny fihetsika sy ny zavatra ataon’i Marc Tatandraza, izay milaza azy ho apostoly sy irak’i Jesosy. Sesilany ny fanambarana sy fitenintenenam-poana etsy sy eroa.

Marc Tatandraza Manadala saim-bahoaka fotsiny

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Fokontany Ambohitsoa Mbola betsaka ireo fianakaviana sahirana

11/01/2017

Mbola betsaka ireo fianakaviana tena sahirana ao amin’ny fokontany Ambohitsoa, Boriborintany faharoa.

Manodidina ny 600 ireo tena voasokajy ho marefo, hoy ny  sefom-pokontany, antony tsy maintsy hanaovan’izy ireo hetsika fanampiana isaky ny faran’ny taona na taona vaovao tahaka izao. Ho an’ny vehivavy manokana dia miisa 6.235 izy ireo no miaina sy mivelona eo anivon’ny fokontany  ka ny 35 %-n’izy ireo dia mpanasa lamba avokoa. Mba ho fanampiana azy ireo  amin’ny famelomana ny ankohonany dia tonga nanolotra fitaovana maro samihafa ho azy ireo toy ny koveta sy ny sceau omaly ny Tanora HVM, lanonana notanterahina teo amin’ny toeram-panasan-damba. Nambaran-dRazafimandimby Rija, sekretera jeneralin’ny fikambanana fa miainga avy amin’ny isan-tokantrano ny fampandrosoana ny firenena ka tsy azo jerem-potsiny izy ireny fa tsy maintsy tohanana. Asa masina ny asa fanasan-damba satria misehatra ao anatin’ny fahadiovana ary mampita izany amin’ireo menaky ny ainy. Mbola hitohy any amin’ny Boriborintany fahadimy ny hetsika amin’ny herinandro ho avy io.

Pati


 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana