Dans la même rubrique

Vely kanota ho an’i Rolly Mercia “Mianara aloha lalàna”, hoy ny filohan’ny SMM

26/05/2017

Nangina na koa nampanginina ny raharaha mahasaringotra ny loholona Riana Andriamandavy VII izay mifanindran-dalana amin’ny raharaha Claudine Razaimamonjy, ka nitondra ny heviny momba izany indray ny filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara Faniry Ernaivo ny alarobia teo.

Vely kanota ho an’i Rolly Mercia “Mianara aloha lalàna”, hoy ny filohan’ny SMM

Hamaky ny tohiny...

Traboina teny Anosibe Nampiasa herinanatra tsy ara-dalàna

26/05/2017

Nitondra fanampiana voatsirambin’ny tanana ho an’ireo traboina vokatry ny hain-trano teny Anosibe niseho ny alahady teo ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo notarihan’ny delegen’ny boriborintany faha-4 Ramahandrimanana Solofoniaina Daniel omaly.

Traboina teny Anosibe Nampiasa herinanatra tsy ara-dalàna

Hamaky ny tohiny...

Rajaonarimampianina mivady Nanova fomba fiady

26/05/2017

Miezaka miseho sy miteny isan’andro indray ny filoha Hery Rajaonarimampianina tato anatin’ny herinandro izao. Mialoha io dia efa natomboka ilay fandaharana fanazavan-kevitra « Fotoam-bita » izay ny filoha mihitsy no miresaka sy manazava ny vaovao mafampana ao.

Rajaonarimampianina mivady Nanova fomba fiady

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetin’ny reny Hizara voninkazo ny “Ceinture verte”

26/05/2017

Etsy amin’ny tranombokim-pirenena etsy Ampefiloha etsy amin’izao fotoana izao ka hatramin’ny alarobia teo ry zareo mpikambana eo anivon’ny Ceinture verte izay ivondronana mpikirakira voninkazo 20 mianadahy eo ho eo.

Fankalazana ny fetin’ny reny Hizara voninkazo ny “Ceinture verte”

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Boaderozy Singapour Hosamborina i Anthèlme Ramparany ?

24/05/2017

Nametraka fitoriana eny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo ny governemanta Malagasy mba hanohizana ny fanenjehana ara-pitsarana ireo tompon’antoka tamin’ny fanondranana Boaderozy tany Singapour ny taona 2014.

Raharaha Boaderozy Singapour Hosamborina i Anthèlme Ramparany ?

Hamaky ny tohiny...

Raharaha tonelina Ambanidia Nokorontanin’ny facebook Antananarivo

24/05/2017

Nikoropaka ny ankamaroan’ny mponina teto Antananarivo omaly nanomboka tamin’ny 12 ora sy sasany antoandro noho ny resaka niely tany anaty tambajotra sosialy “facebook” fa nirodana ny tonelina Ambanidia, ka olona 80 no maty.

Raharaha tonelina Ambanidia Nokorontanin’ny facebook Antananarivo

Hamaky ny tohiny...

Voahangy Rajaonarimampianina Lasa mpiaro ny zon’ny voafonja indray

24/05/2017

Ilaina ny fanajana ny zon’ny voafonja eto amintsika, hoy ny vadin’ny filoham-pirenena Voahangy Rajaonarimampianina omaly raha nitsidika ireo vehivavy voafonja eny Antanimora ny tenany sy ireo delegasiona notarihiny.

Voahangy Rajaonarimampianina Lasa mpiaro ny zon’ny voafonja indray

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Fitrandrahana safira any Bemainty Gaboraraka tanteraka

08/11/2016

Ankoatra ny fitsaram-bahoaka etsy sy eroa dia mirongatra koa ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany tsy ara-dalàna eto amintsika.

 Tanterahina any Marrakech Maraoka nanomboka omaly anefa ny seminera iraisam-pirenena momba ny fiarovana ny tontolo (COP 22) ary inoana fa misy solontena Malagasy any an-toerana, saingy mijanona ho kabary ambony latabatra ny fiarovana ny tontolo iainana ho an’ny mpitondra Malagasy. Mirohotra mankany Antsevabe Didy-Ambatondrazaka, any amin’ny karieran’i Bemainty ny olona ka tsy latsaky ny 70 000 no tafiditra any anaty ala ankoatra ny mpibizina aty ivelany. Fahapotehana tsy roa aman-tany no aterak’izany. Toy ny tanàna maty ny any Ilalaka izay nalaza tamin’ny fisian’ny harena ankibon’ny tany ary manjaka ny tsy fandriampahalemana satria nirona nankany Didy ny ankamaroan’ny olona. Na ireo teratany vahiny izay nandraharaha tany an-toerana aza dia efa samy nandao ity tanàna ity avokoa ka vitsivitsy sisa no tavela kanefa mbola tafihin’ny jiolahy indray noho ny havitsian’ny olona. Minia mangina ny fanjakana mba tsy hisian’ny fitroaran’ny olona izay mety hanakorontana ny fandraisana ny frankofonia ka avela hanjaka ny gaboraraka na hita izao aza fa fahapotehana tsy roa aman-tany no aterany ankoatra ny  tsy fandriampahalemana. Ambara ankehitriny fa mila vola sy fitaovana ny fanalana ireo olona marobe any Didy. Ny tamberim-bidy ho an’ny toerana nisian’ny fitrandrahana kosa tsy misy resaka noho ilay fitrandrahana tsy manara-dalàna. Fanjakana tsy masi-mandidy sy tsy mahafehy vahoaka ary matahotra ny hirodana rahateo no eto ka tsy sahy mandray ny andraikitra tandrify azy.


Toky R.

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana