Dans la même rubrique

Kortezy mpanao hitsin-dalana Samy manao izay tiany ve eto e ?

24/03/2017

Ao anaty fitohanana lavareny no nisian’ny teratany vahiny tao anatina fiara marika V8, izay nisy ireny lohana kortezy na mpitandro ny filaminana mitondra “moto” lehibe ireny mitari-dalana avy eo aloha teny Ankorondrano omaly antoandro.

Kortezy mpanao hitsin-dalana Samy manao izay tiany ve eto e ?

Hamaky ny tohiny...

Famonjena ireo traboinan’i Enawo Mila 20 tapitrisa dolara i Madagasikara

24/03/2017

Avy amin’ny tatitra nataon’ny BNGRC na ny Birao nasionaly misahana ny loza voajanahary eto amintsika izay nanambara fa nahatratra 81 ny isan’ireo maty tamin’iny fandalovan’ny rivodoza Enawo farany teo iny ary nahatratra 253 ireo naratra, 4 839 985 ireo traboina ary 274 318 ireo voatery hafindra fonenana …

Famonjena ireo traboinan’i Enawo Mila 20 tapitrisa dolara i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Fipoahana teny Betongolo Niala tsiny ny tafika

24/03/2017

Nitondra fanazavana mikasika ilay fipoahana teny amin’ny Toby R3A eny Betongolo, izay niantefa tamina trano iray teny Tsiadana ny tafika.

Fipoahana teny Betongolo Niala tsiny ny tafika

Hamaky ny tohiny...

CUA sy fokontany Voafaritry ny lalàna velona ny fiaraha-miasan’izy ireo

24/03/2017

Miteraka fanehoan-kevitra samihafa ny fikasan’ny fanjakana foibe hanaisotra ny sary famantarana sy ny teny filamatry ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

CUA sy fokontany Voafaritry ny lalàna velona ny fiaraha-miasan’izy ireo

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana Za’gasy Hanangona fanitso ho an’ny traboina

24/03/2017

Avo ny antso nataon’ny avy eo anivon’ny fikambanana Za’gasy ho an’ireo olom-boafidy eto Antananarivo ny amin’ny tokony hitsidihan’izy ireo izay traboina amin’ny boriborintany hiadidiany avy.

Fikambanana Za’gasy Hanangona fanitso ho an’ny traboina

Hamaky ny tohiny...

KOPIA MARI-PAHATERAHANA Ny 30%-n’ny zaza Malagasy no tsy manana

24/03/2017

Ny 30 %-n’ny zaza Malagasy no fantatra amin’izao fotoana izao fa tsy mbola manana kopia mari-pahaterahana.

KOPIA MARI-PAHATERAHANA Ny 30%-n’ny zaza Malagasy no tsy manana

Hamaky ny tohiny...

Voahangy Rajaonarimampianina Fa lasa aiza indray ?

23/03/2017

Tsy tazana teny Antanimbarinandriana nandritra ny fitokanana ilay tranomboky sy ny centre Multimedia omaly Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina.

Voahangy Rajaonarimampianina Fa lasa aiza indray ?

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Fihaonamben'ny mpanao gazety any Antsirabe Tohanan'ny orinasa STAR

24/11/2016

Hifarana anio ao Antsirabe rehefa naharitra andro vitsivitsy ilay fihaonamben’ny mpanao gazety miteny frantsay andiany faha-45 tanterahina eto amintsika. Fahombiazana ny fihaonana tamin’ny ankapobeny.

  Ankoatra ny fahatongavan’ireo mpanao gazety iraisam-pirenena miisa 300 avy amin’ireo  firenena mampiasa ny teny Frantsay miisa 47 maneran-tany  izay nizara ny traikefany tamin’ireo mpanao gazety malagasy mantsy dia nivoitra ihany koa ny fanasongadinana ny andraikitry ny mpampahalala vaovao amin’ny fampandrosoana ny ara-tsosialy sy ny toekaren’ny firenena mampiasa ny teny Frantsay. Anisan’ny nanampy betsaka ireo vahiny tamin’ny fahalalana ny tanànan’Antsirabe ihany koa izany, indrindra ny zava-nisy tany an-toerana tamin’ny taona 1954 izay nanaovana  sesitany ny raiben’ny mpanjaka Mohammed VI. Antony nanosika ny vondrona Star hanohana akaiky ity hetsika ity izany. Misy ozinin’izy ireo rahateo ao an-toerana, anisan’ireo lehibe aty amin’ny ranomasim-be Indiana ka ankoatra ny zava-pisotro dia manampy ireo tantsaha mpamokatra amin’ny resaka famokarana ihany koa ny vondrona. Manodidina ny 20.000 isa ireo mahazo tombontsoa amin’izany.

Pati


 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana