Dans la męme rubrique

Fitsinjarana fanampiana ho an’ny traboina Misy zavatra tsy milamina

15/01/2018

Toy ny efa mahazatra dia manomboka sahady ny ahiahy sy ny adihevitra mikasika ny fitsinjarana ireo fanampiana avy amin’ny malalatanana ho an’ireo traboina manerana ny nosy izay ny biraom-pirenena misahana ny resaka loza voajanahary na ny BNGRC no nampandraiketana ny fitsinjarana azy.

Fitsinjarana fanampiana ho an’ny traboina Misy zavatra tsy milamina

Hamaky ny tohiny...

Marc Tatandraza Ho samborin’ny zandary

15/01/2018

Efa nisitrika sy niery hatramin'ny taona 2017 i Marc Tatandraza noho ny fikarohana nataon'ny zandarimariam-pirenena azy tamina fandikan-dalĂ na maro vitany tamin'ny faritra maromaro teto amin'ny nosy, ka nisiana fitorian'olona maro azy.

Marc Tatandraza Ho samborin’ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ambohimangakely Filamatra amin’ny vary mora

15/01/2018

Anisan’ireo mpaka vary etsy amin’ireo mpamomangady etsy Anosibe ireo mpivarotra eny amin’ny kaominina Ambohimangakely.

Kaominina Ambohimangakely Filamatra amin’ny vary mora

Hamaky ny tohiny...

Famatsiana herinaratra ao Toamasina Tariby 50 km no tsy maintsy soloina

15/01/2018

Efa saika ny 80% ny tamban-jotran’ny herinaratry ny Jirama Toamasina simban’ny rivodoza no efa miverina amin’ny laoniny raha ny fanazavan’ny talen’ny Jirama Veloson Leonard.

Famatsiana herinaratra ao Toamasina Tariby 50 km no tsy maintsy soloina

Hamaky ny tohiny...

Fiahiana ireo traboina Nanampy ny BNGRC ny CNaPS

15/01/2018

Manoloana ireo voina nihatra tamin’ny mpiray tanindrazana noho ny fandalovan’ny rivodoza AVA ary amin’ny maha orinasa misahana ny fiahiana ara-tsosialy azy dia nitondra ny voatsirambin’ny tanana nanolotra fanampiana ho an’ireo traboina manerana ny nosy ny fianakaviamben’ny CNaPS ka nanolotra vary miisa 55 gony,

Fiahiana ireo traboina Nanampy ny BNGRC ny CNaPS

Hamaky ny tohiny...

Taorian’ny nandalovan’ny rivodoza AVA Nitombo avo roa heny ireo manatona toeram-pitsaboana

15/01/2018

Nitombo avo roa heny ireo olona mararin’ny tazo mahery sy ny gripa ary ny aretin’ny taovam-pisefoana taorian’ny nandalovan’ny rivodoza AVA teto amintsika.

Taorian’ny nandalovan’ny rivodoza AVA Nitombo avo roa heny ireo manatona toeram-pitsaboana

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana Namana Nizara fanomezana ho an’ny mahantran’Antsirabe

15/01/2018

Fikambanana iray efa nijoro nandritra ny 6 taona tao Antsirabe ny Association Namana. Toy ny fanaon’izy ireo dia ny fanampiana ireo sahirana no antom-pijoroan’ny fikambanana.

Fikambanana Namana Nizara fanomezana ho an’ny mahantran’Antsirabe

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Fanohanana ny maha olona Sekoly roa nahazo fanampiana tany Antsiranana

07/11/2016

Sekoly Kristianina roa, dia ny sekoly “Soeur des filles de la charité du sacre cśur de Jésus” sy ny ivontoeram-piofanana arak’asa “Sśur Ursulines”

samy  ao Antsiranana no notoloran’ny orinasa Star “kits solaires” miisa 100 sy milina fanjairana miisa 50 ho an’ireo tovovavy  sahirana sy mananontena miofana momba ny zaitra  any an-toerana  ny herinandro teo, notarihin’ny sekretera jeneraliny Rabary Anna. Ho an’ny kits scolaires manokana dia nahitana kitapo miisa 100, kahie 300, trosy 100, stylo 100, fitsipika 100, gaoma 100… tao  anatiny izay natokana indrindra ho an’ireo ankizy tena sahirana manovo fahalalana eo anivon’ny sekoly ka anisan’ireny ny mponina ao Manongalaza, toerana misy ny sekoly. Ireo milina fanjairana miisa 50 kosa indray entina hanampiana ireo tovovavy mananontena sy tovovavy maniry ny hanao ny asa ho mahavelona azy mba tsy hahatonga azy ireny ho vesatry ny fiarahamonina intsony. Tsiahivina fa efa 20 taona no nisian’ny orinasa Star tao Antsiranana. Misy hatrany ny fandraisany andraikitra amin’ny fampandrosoana ny fiainan’ny mponina noho izany toy ny lafiny ara-pahasalamana, fanabeazana, fiarovana ny tontolo iainana…

 

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana