Dans la męme rubrique

Adin’ny SMM sy ny Fanjakana Tsy mety miravona

25/07/2017

Tsy mbola misy mangirana ny momba ny fitakian’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) amin’ny fanomezana antoka azy ireo amin’ny hanomezana fahalalahana ny mpitsara amin’ny asa,

Adin’ny SMM sy ny Fanjakana Tsy mety miravona

Hamaky ny tohiny...

Teknolojia vaovao Malagasy 4 amin’ny 100 no misitraka aterineto

25/07/2017

Misongadina eo amin’ny fisian’ireo orinasa goavan’ny fifandraisan-davitra miaraka amin’ny fotodrafitrasa «fibre optique» i Madagasikara. Vaovao farany mampiseho ny fahantran’ny Malagasy indray anefa ny tontolon’ny aterineto.

Teknolojia vaovao Malagasy 4 amin’ny 100 no misitraka aterineto

Hamaky ny tohiny...

Familiana mitsitsy Vita ny fisarihana ireo mpifaninana ho an’Antananarivo

25/07/2017

Taorian’Antsirabe sy Toamasina dia notanterahina teny amin’ny tobim-pivarotan-tsolika Shell Anosy indray omaly ny fisarihana ny anaran’ireo mpamily tsara vintana ho an’Antananarivo handray anjara amin’ilay fifaninanana familiana mitsitsy solika, karakarain’ny orinasa Vivo Energy.

Familiana mitsitsy Vita ny fisarihana ireo mpifaninana ho an’Antananarivo

Hamaky ny tohiny...

Belambo-Toamasina Ahiana ny hisian’ny sakoroka goavana

24/07/2017

Taorian’ny fitsarana ady madio izay namoahan’ity fitsarana ity ny didy manafoana ny famoivarotana teo amin’ny tompon-tany, sy ity ramatoa mpandraharaha ara-barotra isan’ny fantan-daza eto Toamasina,

Belambo-Toamasina Ahiana ny hisian’ny sakoroka goavana

Hamaky ny tohiny...

Claudine Razaimamonjy Natao fanadihadiana indray

24/07/2017

Re fa nandalo teny amin’ny Chaîne Pénale Anti-corruption na ny fitsarana manokana misahana ny ady amin’ny kolikoly teny 67 Ha ny herinandro lasa teo Rtoa Claudine Razaimamonjy ary natao fanadihadiana.

Claudine Razaimamonjy Natao fanadihadiana indray

Hamaky ny tohiny...

Alain Ramaroson sy Jean Nirina Ho afa-bela sa hilentika ?

24/07/2017

Hitodika etsy amin'ny fitsarana Anosy ny mason'ny rehetra rahampitso talata 25 jolay.

Alain Ramaroson sy Jean Nirina Ho afa-bela sa hilentika ?

Hamaky ny tohiny...

Imamba Soavimasoandro Tany hambolen’ny tantsaha 11 ha no nisy namefy

24/07/2017

Miaina anaty tebiteby tanteraka ireo tantsaha mpamokatra ao anatin’ny fokontany Imamba Soavimasoandro amin’izao fotoana. Taorian’ny fetin’ny 26 jona lasa teo,

Imamba Soavimasoandro Tany hambolen’ny tantsaha 11 ha no nisy namefy

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Famarotana tany amin’ny vahiny Tena famonoan-tena, hoy ny SIF

14/11/2016

Tsy nihafahafa ny fomba filazan’ny avy eo anivon’ilay sampana iombonana ho an’ny fananantany na ny (SIF),

izay ivondronan’ireo mpisehatra mitolona ho an’ny fampanjariana izay resaka fananan-tany izay eto Madagasikara, manoloana ny lalàna mikasika ny fananantany ankehitriny izay lasa mamela ny vahiny hividy tany eto Madagasikara. Famonoan-tena no nanazavan’izy ireo azy tamin’ny alalana taratasy misokatra izay nalefan’izy ireo. Fampanofana tany ho an’ny vahiny no tena nahazatra teto hatramin’izay ary misy fetrany io fanofan-tany io, ny lalàmpanorenan’ny repoblika faha-4 lany tamin’ny 2010 kosa dia milaza eo amin’ny andininy voalohany manao hoe  : “Ny fomba sy fepetra fivarotana ary fampanofana tany ho an’ny vahiny dia hofaritan’ny lalàna.” Io fanovanana io no tsy mazava satria dia toy ny midika fa afaka mividy tany eto ny vahiny ary misy lalàna arafitra hahafahana manao izany. Nanamafy ary ireto mpikambana ao anatin’ny SIF ireto fa fanaovana sorona tsotra izao ny ho avin’ny taranaka faramandimby ka anaovan’izy ireo antso avo ho an’ny vahoaka sy ny minisitera tompon’andraikitra sy ireo izay afaka mandray ny andraikitra tandrify azy rehetra ho fisorohana ny loza satria dia toy ny maika hanome fahafaham-po ireo vahiny toy ny efa nisy hatrizay indray io volavolan-dalàna io, hoy ny fanamarihan’izy ireo. Ho an’ny SIF ary dia tokony hanaovana fikaonan-doham-pirenena mihitsy hamantarana ny hevitry ny Malagasy ilay volavolan-dalàna momba ny fanoratana tany sy fanamboarana ny taratasin-tany. Aoka isika hisaina tsara sy hijery lavitra, hoy ny SIF.

Mirija  

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana