Dans la męme rubrique

Afera Claudine Razaimamonjy Tapitra hatreo ny raharaha ?

17/11/2017

Tsy nisy tohiny intsony ny raharaha Claudine Razaimamonjy, izay voasaringotra tamina kolikoly avo lenta.

Afera Claudine Razaimamonjy Tapitra hatreo ny raharaha ?

Hamaky ny tohiny...

ORINASA HAZOVATO May ny toerana fitobian-kazony, an-tapitrisany ny fatiantoka

17/11/2017

May omaly folakandro tokony ho tamin’ny 2 ora ny toerana fitobian-kazon’ny orinasa Hazovato etsy amin’ny Forello Tanjombato.

ORINASA HAZOVATO May ny toerana fitobian-kazony, an-tapitrisany ny fatiantoka

Hamaky ny tohiny...

Vita ny tetezan’i Farahantsana Hamokatra herinaratra ihany koa

17/11/2017

Notokanana omaly ny tetezana any Farahantsana Mahitsy izay mampitohy ny kaominina Ampanotokana sy Ambohimasina.

Vita ny tetezan’i Farahantsana Hamokatra herinaratra ihany koa

Hamaky ny tohiny...

Vahiny tonga eto Mila manaja ny soatoavintsika, hoy ny praiminisitra

17/11/2017

Notontosaina tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly ny atrikasa famaritana ilay antsoina hoe famantarana ny fandehan’ny fitantanana anatiny na IGL izay tohanan’ny rafitra alemana GIZ.

Vahiny tonga eto Mila manaja ny soatoavintsika, hoy ny praiminisitra

Hamaky ny tohiny...

Ivato – Ambohidratrimo Nivaly ny hetahetan’ireo mpandray fisotroan-dronono

17/11/2017

Hanokafana toerana fizarana fisotroan-drononon’ny zokiolona eny Ivato. Hanomboka amin’ny volana janoary 2018 izany raha ny fanazavan’ny ben’ny tanàna Randrianarisoa Penjy.

Ivato – Ambohidratrimo Nivaly ny hetahetan’ireo mpandray fisotroan-dronono

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Villa Elizabeth Madio ny fitondram-panjakana, hoy i Benjamina Ramanantsoa

17/11/2017

Hentitra omaly ny minisitra misahana ny fanajariana ny tany Benjamina Ramarcel Ramanantsoa momba ny raharaha famarotana ny tany St Antoine VI misy ny Villa Elizabeth fonenan’ny fianakavian’ny Pr Zafy Albert.

Raharaha Villa Elizabeth Madio ny fitondram-panjakana, hoy i Benjamina Ramanantsoa

Hamaky ny tohiny...

Mpanakanto nanaratsy ny reniranon’i Nil Hiakatra fitsarana any Egypte

17/11/2017

Novidian’i Sherine Abdel Whab lafo ny vava navoakany momba ny reniranon’I Nil, izay manan-tantara sy manana ny maha izy azy ho an’ny firenena Egiptianina.

Mpanakanto nanaratsy ny reniranon’i Nil Hiakatra fitsarana any Egypte

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Tsaho momba ny vaksinin’ny pesta Tovolahy iray nidoboka eny Antanimora

14/11/2017

Manomboka ahitam-bokany ny fikarohana ireo atidoha nikotrika ny asa fanakorontanana tena nahomby teto Antananarivo ny herinandro lasa teo, indrindra ny alakamisy 10 novambra, izay nampisahotaka ny renivohitra manontolo.

 Ny fisian’ny andian’olona nambara fa manao vaksinin’ny pesta ary mitety sekoly miaraka amina andiana mpitandro ny filaminana io niteraka korontana io. Voasambotry ny polisy misahana ny heloka bevava ny tovolahy iray 24 taona, skoto,  anisan’ny tompon’antoka tamin’ny fanapariahana tsaho tamin’ny tsaho  tambajotra « facebook ». Niaiky ny heloka vitany izy. Nandritra ny fanadihadiana azy no nilazany fa zavatra noforonina nolaroiny ny trangan-javatra hitany tetsy sy teroa ireny, ary navoakany mba hanaitra ny rehetra fotsiny ihany. Niala tsiny tamin’ny tebiteby sy fikorontanana nahazo ny ray aman-dreny vokatry ny zavatra tsy marina navoakany izy nandritra ny fakana am-bavany azy teny amin’ny polisy. Taorian’ny fanadihadiana dia nidoboka vonjimaika eny Antanimora ny tenany miandry ny fitsarana azy. Anatra ho an’ny rehetra izao, ary azo handrefesana tsara ny mety ho voka-dratsin’ny fanokorontanana amin’ny alalan’ny fanelezana tsaho. Mbola mampitandrina hatrany ny mpitandro ny filaminana manoloana ireo mpikirakira ny tambajotra sosialy izay minia manaparitaka vaovao diso sy mampisavorovoro ny saim-bahoaka. Tsara ny manamarika fa efa manana fitaovana raitra hahafahana mamantatra ny fitaovana sy toerana hiaingan’ny vaovao tsy marina ny mpitandro ny filaminana.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana