Dans la mme rubrique

Houcine Arfa “Nandoa 70 000 euros tamin’ny minisitry ny fitsarana aho”

16/01/2018

Araka ny efa nambarany dia niroso amin’ny ampamoaka amin’izay ilay teratany Frantsay Houcine Arfa , efa nigadra teny Tsiafahy, tafatsoaka an’i Madagasikara, nihazo ny nosy Mayotte ary efa any Frantsa kosa amin’izao fotoana.

Houcine Arfa “Nandoa 70 000 euros tamin’ny minisitry ny fitsarana aho”

Hamaky ny tohiny...

Boriborintany faha-2 Misy mitady hanakorontana

16/01/2018

Omaly alatsinainy 15 janoary 2018 dia nisy ampahany tamin’ireo mpiasa eo anivon’ny Boriborintany faharoa (Ambanidia) ao anatin’ny kaominina Antananarivo nametraka sorabaventy mitaky ny fialan’ny delege Andriamatoa Jacques Razafindraibe.

Boriborintany faha-2 Misy mitady hanakorontana

Hamaky ny tohiny...

Mpivarotra amoron-dalana Nomena fampitandremana farany

16/01/2018

Mitohy sy mihamafy hatrany ny asa fanadiovana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, raha ny vaovao voaray avy eo anivon’ny fiadidiana ny tanàna.

Mpivarotra amoron-dalana Nomena fampitandremana farany

Hamaky ny tohiny...

Avaratetezana Ampitatafika Lasan’ny Sinoa indray ny tany

16/01/2018

Tsy mety tapitra ny ady tany ao amin’ny fokontany Avaratetezana Ampitatafika, kaominina Ampitatafika,

Avaratetezana Ampitatafika Lasan’ny Sinoa indray ny tany

Hamaky ny tohiny...

Tovovavy 14 taona niala tao an-tranony Tsy hita popoka izay misy azy

16/01/2018

Tovovavy kely iray vao 14 taona antsoina hoe Razafindrahanta Hariniriantsoa Nancy monina eny Avaradoha no tsy hita popoka nanomboka ny sabotsy 13 janoary lasa teo tamin’ny 4 ora nialany tao an-tranony.

Tovovavy 14 taona niala tao an-tranony Tsy hita popoka izay misy azy

Hamaky ny tohiny...

Rajaonarimampianina Hanao asa maro any amin’ny faritra Zafimaniry

16/01/2018

Ny faritra misy ny mponina Zafimaniry no toerana nanombohan’ny filoham-pirenena ny fitsidihana ofisialy ivelan’ny renivohitra tamin’ity taona 2018 ity.

Rajaonarimampianina Hanao asa maro any amin’ny faritra Zafimaniry

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjarana fanampiana ho an’ny traboina Misy zavatra tsy milamina

15/01/2018

Toy ny efa mahazatra dia manomboka sahady ny ahiahy sy ny adihevitra mikasika ny fitsinjarana ireo fanampiana avy amin’ny malalatanana ho an’ireo traboina manerana ny nosy izay ny biraom-pirenena misahana ny resaka loza voajanahary na ny BNGRC no nampandraiketana ny fitsinjarana azy.

Fitsinjarana fanampiana ho an’ny traboina Misy zavatra tsy milamina

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Mpanely tsaho amin’ny “facebook” Ataon’ny minisiteran’ny serasera haza lambo

14/11/2017

Hiroso amin’ny fanadihadiana sy ny fanaraha-maso ireo mpilaza vaovao tsy marina amin’ny tambajotran-tserasera “facebook” ny minisiteran’ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana,

araka ny nambaran’ny minisitra Harry Laurent Rahajason omaly. Diso mamboly fifankahalana eo amin’ny samy Malagasy ireny, hoy izy. Noresahany ihany koa ny fizarana karatra maha matihanina ho an’ny mpanao gazety. Anisan’ny fepetra ny hoe olona nanaraka fiofanana na manana maripahaizana momba ny asa fanaon-gazety, feno 3 taona tao anaty orinasan-tserasera ara-dalàna…  Manana foibe mazava tsara ny orinasan-tserasera iasana, ary misy talen’ny famoahana ara-dalàna. Nandritra io fotoana io no nandokafan’ny minisitra ny haino aman-jery TVM sy RNM, izay nambara fa hany tsy niakatra teny anivon’ny fitsarana tao anatin’ny 80 taona ary milaza vaovao marina. Tsikaritra ho nisy kosa ny fanamavoana sy fanaratsiana ireo gazety maromaro eto an-drenivohitra, indrindra fa ireo tsy mitovy firehan-kevitra amin’ny mpitondra. Tsy nisalasala ny minisitra nanambany ny gazety, toy ny hoe izao ve no mba atao lahatsoratra fanokafana, efa tsy mahita hosoratana … Tsy hay aloha na mitovy ny haino aman-jery sy ny orinasan-tserasera rehetra eo anatrehan’ny minisitera na misy ny tombo sy hala. Tsy sanatria fitia te hitsingoloka na mialona amin’ny mety fitondrana mitanila na koa fananganam-pahavalo fa ny  zavatra hita sy tsikaritra, dia toa tsy handefitra sy hitsingoloka ireo tsy mitovy firehana amin’ny fitondrana ny minisitera. Toa omena vahana kosa ireo manana firehana mirona any amin’ny fitondrana. Raha ny resaka ny lahatsoratra fanokafana omaly fotsiny izao, dia sahin’ny gazety mpanohana ny fitondrana no nanao lohateny goavana fa “Vaky ny fitsarana”, izay nodisoin’ny lehiben’ny Firaketan-draharaha. Nambara fa dosie iray mikasika ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana no tsy hita, kanefa dosie marobe mombana fitsarana tao anatin’ny 3 volana no indray very. Toa tsy dia nifanalavitra ny lohateny sy ny vaovao navoaka fa nahoana no nokianina mafy ny gazety sokajiana fa tsy mitovy fomba fijery amin’ny fitondrana ?


Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana