Dans la mme rubrique

Raharaha volabe 70 000 Euros Tsy mety miloa-bava ilay minisitra

18/01/2018

Niandry izay fanambarana ofisialin’ny minisitry ny fitsarana Rasolo Elise Alexandrine ny rehetra manoloana ny raharaha mafana momba ilay fanambaran’ilay Frantsay Houcine Arfa nilaza fa nandoa volabe 70 000 Euros taminy ho saran’ny fanafahana azy, saingy tsy nisy izany hatramin’izao.

Raharaha volabe 70 000 Euros Tsy mety miloa-bava ilay minisitra

Hamaky ny tohiny...

Didy mikasika ny raharaha Sygmma Andrasana amin’ny 26 janoary

18/01/2018

Mitohy ny fifandonana eo anivon’ireo tantsambo mpikambana eo anivon’ny Sygmma na ny sendikan’izany eto Madagasikara tarihin’ny sekretera jeneraliny Lucien Razafindraibe an-daniny sy Basola Nomenjanahary, an-kilany.

Didy mikasika ny raharaha Sygmma Andrasana amin’ny 26 janoary

Hamaky ny tohiny...

EPP Antandrokomby Anosizato andrefana Saika tsy nety niala ireo traboina sasany

18/01/2018

Saika tsy nety niala ireo traboina sasany natoby tetsy amin’ny EPP Antandrokomby Anosizato Andrefana, indrindra fa ireo nipetraka tao amin’ny trano natokana hianaran’ny préscolaire.

EPP Antandrokomby Anosizato andrefana Saika tsy nety niala ireo traboina sasany

Hamaky ny tohiny...

Vanim-potoanan’ny Pesta 2018 Mety hampihemotra fifidianana

17/01/2018

Mahalasa saina ny mpanara-baovao ihany ny fanazavan’ny manampahefana Malagasy ny taon-dasa 2017 teo, mikasika ny valanaretina pesta.

Vanim-potoanan’ny Pesta 2018 Mety hampihemotra fifidianana

Hamaky ny tohiny...

Mpivarotra eny Andrefan’i Mananjara Hananganan’ny CUA « Pavillon » vaovao

17/01/2018

Mpivarotra efa ho 320 mahery avy etsy Andrefan’i Manajara, ao anatin’ny Boriborintany faha-4, monina sy manao asa fivarotana eny an-toerana no tonga nidinidinika sy nitafatafa ary niarahaba nahatratra ny taona 2018 ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely omaly talata 16 jolay tolakandro.

Mpivarotra eny Andrefan’i Mananjara Hananganan’ny CUA « Pavillon » vaovao

Hamaky ny tohiny...

Olana eny amin’ny boriborintany faharoa Niditra ho mpanelanelana ireo mpanolotsain’ny tanàna

17/01/2018

Misy olom-boafidy iray lisitra tamin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana ary misy lany tamin’ny alalan’ny antoko hafa ihany koa izahay mpanolotsaina monisipaly mijoro eto,

Olana eny amin’ny boriborintany faharoa Niditra ho mpanelanelana ireo mpanolotsain’ny tanàna

Hamaky ny tohiny...

Moramanga an-tampon-tanàna Hodinihana ny fampidirana angovo azo havaozina

17/01/2018

Tonga eto amintsika eto Madagasikara efa ho 3 herinandro Atoa Jean Axel Epiloïs izay ben’ny tanàna lefitr’ i Sainte Suzanne atsy amin’ny nosy La Réunion izay tanàna mpirahavavy amin’i Moramanga any Alaotra Mangoro.

Moramanga an-tampon-tanàna Hodinihana ny fampidirana angovo azo havaozina

Hamaky ny tohiny...


Actualits

La Réunion kely Ampefiloha Olona 3.000 miaina amin’ny trano tsizarizary

03/10/2017

Miaina amin’ny trano tsy zarizary ireo olona mihoatra ny 3.000 isa monina etsy amin’ny tanànan’i La Réunion kely Ampefiloha, Fokontany Manarintsoa.

Tsy ampy roa  metatra isam-pianakaviana mantsy ny toerana hanorenan’izy ireo ny tranony, trano izay marihina fa mbola vita amin’ny sachet plastika ihany koa. Ankoatra izay raha araka ny fanazavan’i Mama Jeannine, Renim-pianakaviana iray efa nonina fito taona teny an-toerana dia tsy manana trano fivoahana ihany koa izy ireo fa amin’iny rano mandeha manoloana azy iny no manary maloto raha eo amin’ny paompy kosa no maka rano fisotro madio. Io rano mandeha io anefa eo an-danin’izay no hanasan’ireo mponin’i La Réunion kely lamba sy ireo karazana kojakoja hamidiny hahafahany mivelona. Ho an’i Mama Jeannine manokana dia noho izy efa maty vady no antony nanosika azy hipetraka sy honina eny La Réunion kely raha any Ambatolampy no tanindrazana.  Dimy no zaza naterany teny amin’ity Tanana iray ity. Varotra hani-masaka toy ny lasopy no namelomany ireo ankohonany hatramin’izay handaniany 2500 Ar isan’andro eo ho eo ka rehefa tsy mahalafo izy dia iny lasopy iny ihany no hihinanan’izy mianakavy mandrapaharivan’ny andro. Mikasika ny aretina Pesta moa dia nanambara izy ireo fa efa fantany ny fisian’izany saingy mivavaka izy ireo mba tsy tonga eny La Réunion kely ity areti-mandoza iray ity. Nankalazaina omaly tany Ankadinondry Sakay ny andro maneran-tany ho an’ny trano fonenana.

Pati


 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana