Dans la mme rubrique

Manjaka ny dahalo any Amparafaravola Miafina any an’ala ny mponina

19/10/2017

Raha mbola variana amin’ny ady amin’ny pesta sy ny kajikajy politika eny anivon’ny antenimierandoholona sy ny antenimierampirenena ny eto an-drenivohitra dia miaina ao anatin’ny tebiteby sy ny fitaintainana lava ny Malagasy maro any ambanivolo sy ny faritra maro samihafa.

Manjaka ny dahalo any Amparafaravola Miafina any an’ala ny mponina

Hamaky ny tohiny...

Ady tany eny Ambohimamory Manohana ny tompon-tany ireo mpilalao baolina

19/10/2017

Tsy mazava ny fihetsiky ny lehiben’ny fokontanin’Ambohimamory sy ny ben’ny tananan’Andranonahoatra, hoy ny mpisolovava ny tompon’ny ampahan-tany mitondra ny anarana hoe “La réunion” izay mirefy 9273 m2 etsy Ambohimamory.

Ady tany eny Ambohimamory Manohana ny tompon-tany ireo mpilalao baolina

Hamaky ny tohiny...

BMH ISOTRY “Aoka hazava fa tsy mpangalatra faty izahay”

19/10/2017

Niteraka fimenomenomana be teny anivon’ny fiaraha-monina tato ho ato ny mikasika ny fakan’ny BHM ireo razana eny anivon’ny hôpitaly voaporofo sy voamarina fa voan’ny pesta izay alevina avy hatrany eny Anjanahary fa tsy azon’ny fianakaviany entina.

BMH ISOTRY “Aoka hazava fa tsy mpangalatra faty izahay”

Hamaky ny tohiny...

Mpanakorontana ny asa fanaovan-gazety Nampitandrina ny minisitry ny serasera

18/10/2017

Ny vadina mpanao gazety dia tsy mpanao gazety, hoy ny minisitry ny fifandraisana, Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia, omaly raha naneho hevitra tetsy Tsimbazaza manoloana ny fisiana vadina mpanao gazety iray izay nolazainy fa tato ho ato dia nanao fihetsika sy teny manomboka manakorontana ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety eto amintsika.

Mpanakorontana ny asa fanaovan-gazety Nampitandrina ny minisitry ny serasera

Hamaky ny tohiny...

Mahavoky Besarety Razana roa no natsingevan’ny rano

18/10/2017

Olona roa sahady izao no maty natsingevan’ny rano maloto tao amin’ny fokontany Mahavoky Besarety vokatry ny firotsahan’ny rotsak’orana. Lehilahy ny iray tokony ho tamin’ny 8 ora maraina ary tsy nisy naka raha tsy efa folakandro.

Mahavoky Besarety Razana roa no natsingevan’ny rano

Hamaky ny tohiny...

Fifandonan’ny jiolahy sy zandary teny Ampitatafika 3 voasambotra, tratra ny basy poleta

18/10/2017

Andian-jiolahy miisa 5 mitam-basy nikasa hanafika teny Ankadivory Ampitatafika no voasambotry ny zandary nanao fisafoana ny alakamisy alin’ny 12 oktobra tokony ho tamin’ny 12 ora. Efa tafahanika ny tambohon’ny tokantrano saika hokendreny, ary efa tany anaty efitrano aza no tsikaritry ny zandary, ka raikitra ny sakoroka.

Fifandonan’ny jiolahy sy zandary teny Ampitatafika 3 voasambotra, tratra ny basy poleta

Hamaky ny tohiny...

Zandary lavo tany Betroka Maty noho ny hatairana ihany koa ny reniny

17/10/2017

Maty voatifitry ny dahalo tany Betroka ny 13 oktobra lasa teo ny zandary iray kilasy faharoa Ralaivao René Germain, vao erotrerony tokoa. Nandritra ny fifanenjehana tamin’ny dahalo tany Betroka no nahalavo azy, ka raha ny fanazavana azo teo anivon’ny seraseran’ny zandarimariam-pirenena, dia mody nifangaro tamin’ny fokonolona ireo dahalo ka nodidiny ho eo afofoany ity zandary ity avy eo.

Zandary lavo tany Betroka Maty noho ny hatairana ihany koa ny reniny

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Anivorano Sambava Trano 257 no kilan’ny afo, an-jatony ireo tsy manan-kialofana

11/08/2017

Nitrangana hain-trano goavana tao amin’ny Fokontany Anivorano Sambava ny Sabotsy lasa teo.

 

Vokatry ny herinaratra nosintonina tamin’ny alalan’ny plaquye solaire no nahatonga ny loza raha araka ny vaovao azo. Vokany, trano 257 tafo no kila rotiky ny afo, tokony ho tamin’ny 02 ora folakandro. Mitentim-bidy hatrany amin’ny 677.400. 000 Ar  ireo fitaovana simba. Mbola tany amin’iny faritra avaratry ny Nosy iny ihany dia fantatra fa nitrangana hain-trano ihany koa tao Dzamanjar  Nosy be, ny Sabotsy teo ihany. Vokatry ny fandoroana bozaka tamin’ny labozia nataon’ny ankizy no nahatonga ny loza ka nitatra tamina trano maromaro. Lasa nitsoaka moa ireo ankizy ireo raha araka ny vaovao azo nefa mbola nisy fiara iray kila hotohoton’ny afo ihany koa niaraka tamina kodiarana maromaro.

Pati

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana