Dans la męme rubrique

James Ratsima “Tsy nety ny fihetsiky ny filoham-pirenena tamin-dRavalomanana”

21/08/2017

Mitohy hatrany ny fanehoan-kevitra ataon’ireo mpanao politika eto amin’ny tany sy ny firenena manoloana ilay tranga

James Ratsima “Tsy nety ny fihetsiky ny filoham-pirenena tamin-dRavalomanana”

Hamaky ny tohiny...

Karana iray mpanefoefo ao Toamasina Tsy matahotra ny lalĂ na misy eto Madagasikara

21/08/2017

Teratany Karana iray malaza ho mpanefohefo sy mpanjakazaka fananan'olona ao amin'ny Faritr'Atsinanana no milaza, fa tsy matahotra ny lalĂ na misy eto amintsika.

Karana iray mpanefoefo ao Toamasina Tsy matahotra ny lalĂ na misy eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Guy Rivo Randrianarisoa Ampijabahan’ny namany ny filoha

19/08/2017

Nitondra fanazavana momba ny zava-niseho ny alakamisy alina, nandroahana an’i Marc Ravalomanana mianakavy tao amin’ny Grand Hôtel Antsiranana i Guy Rivo Randrianarisoa

Guy Rivo Randrianarisoa Ampijabahan’ny namany ny filoha

Hamaky ny tohiny...

Farmasianina Mbola tena vitsy eto amintsika

19/08/2017

Mbola tena tsy vitsy mihitsy ny farmasianina eto amintsika. Raha mahatratra 73 isa mantsy ireo hopitaly eto an-drenivohitra sy ny manodidina amin’izao fotoana, dia ny 12 amin’izy ireo monja no misy farmasianina, antony manosika ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka hanome taratasy ireo olona vonona hiantsehatra manokana amin’ny fivarotana fanafody.

Farmasianina Mbola tena vitsy eto amintsika

Hamaky ny tohiny...

Jadon’ny fitondrana HVM Noroahana tao amin’ny Hotely i Ravalomanana

18/08/2017

Voaporofo hatrany fa misy mpitondra jadona sy mpanararao-pahefana eto Madagasikara.

Jadon’ny fitondrana HVM Noroahana tao amin’ny Hotely i Ravalomanana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny fanondranana andramena “Afaka mirehareha ny fanjakana”

18/08/2017

Nihaona sy nifampiresaka tamin’ireo delegasionina avy amin’ny kongresy Amerikanina notarihin’ny filohan’ny kaomisionina momba ny raharaha ara-pitsarana Bob Goolate ny minisitry ny fiarovam-pirenena Rasolofonirina Béni Xavier,

Ady amin’ny fanondranana andramena “Afaka mirehareha ny fanjakana”

Hamaky ny tohiny...

Centre Manantenasoa Tsara tohana avy amin’ny filoham-pirenena

18/08/2017

Mankalaza ny faha-28 taona nijoroany ny Ny Association Akamasoa izay natsangan'i Père Pedro.

Centre Manantenasoa Tsara tohana avy amin’ny filoham-pirenena

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Fifaninanana Miss – Mister Analamanga Norombahin’i Miora sy Fitahiana ny fandresena

16/11/2016

Tontosa soa aman-tsara tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina omaly rehefa naharitra herinandro

 

maromaro  ny dingana famaranana tamin’ilay fifaninanana hatsaran-tarehy sy bika  ho an’ny mpianatra lahy sy vavy nokarakarain’ny Faritra Analamanga sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena teto an-drenivohitra.  Tovovavy sy tovolahy  iray  isanisany izay voafantina fa tsara tarehy sy bikana indrindra isaky  ny fari-piadidiam-pampianarana no nandray anjara tamin’izany. Ho an’ny sokajy tovovavy manokana dia norombahin’i Miora, tovovavy kely vao 17 taona monja, mpianatry ny lycée privée Aceem eto amin’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo renivohitra ny amboara raha lasan’i Fitahiana kosa  avy any amin’ny fari-piadidiam-pampianaran’Ambohidratrimo ny sokajy lehilahy. Samy notolorana loka avokoa izy mianadahy ireo. Ho an’ny lalao fifaninanana “question pour un champion” kosa dia  lasan’ny mpianatry ny Lycée Moderne Ampefiloha ny loka, iray tamin’ireo mpifaninana farany tafakatra  miisa 16. Tafiditra tao anatin’ilay hetsika « journée estudiantine de la Francophonie » avokoa moa izany rehetra izany, lanonana natrehin’ny lehiben’ny Faritra Analamanga Rakotonanahary Ndranto.

Pati


 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana