Dans la même rubrique

Vely kanota ho an’i Rolly Mercia “Mianara aloha lalàna”, hoy ny filohan’ny SMM

26/05/2017

Nangina na koa nampanginina ny raharaha mahasaringotra ny loholona Riana Andriamandavy VII izay mifanindran-dalana amin’ny raharaha Claudine Razaimamonjy, ka nitondra ny heviny momba izany indray ny filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara Faniry Ernaivo ny alarobia teo.

Vely kanota ho an’i Rolly Mercia “Mianara aloha lalàna”, hoy ny filohan’ny SMM

Hamaky ny tohiny...

Traboina teny Anosibe Nampiasa herinanatra tsy ara-dalàna

26/05/2017

Nitondra fanampiana voatsirambin’ny tanana ho an’ireo traboina vokatry ny hain-trano teny Anosibe niseho ny alahady teo ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo notarihan’ny delegen’ny boriborintany faha-4 Ramahandrimanana Solofoniaina Daniel omaly.

Traboina teny Anosibe Nampiasa herinanatra tsy ara-dalàna

Hamaky ny tohiny...

Rajaonarimampianina mivady Nanova fomba fiady

26/05/2017

Miezaka miseho sy miteny isan’andro indray ny filoha Hery Rajaonarimampianina tato anatin’ny herinandro izao. Mialoha io dia efa natomboka ilay fandaharana fanazavan-kevitra « Fotoam-bita » izay ny filoha mihitsy no miresaka sy manazava ny vaovao mafampana ao.

Rajaonarimampianina mivady Nanova fomba fiady

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetin’ny reny Hizara voninkazo ny “Ceinture verte”

26/05/2017

Etsy amin’ny tranombokim-pirenena etsy Ampefiloha etsy amin’izao fotoana izao ka hatramin’ny alarobia teo ry zareo mpikambana eo anivon’ny Ceinture verte izay ivondronana mpikirakira voninkazo 20 mianadahy eo ho eo.

Fankalazana ny fetin’ny reny Hizara voninkazo ny “Ceinture verte”

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Boaderozy Singapour Hosamborina i Anthèlme Ramparany ?

24/05/2017

Nametraka fitoriana eny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo ny governemanta Malagasy mba hanohizana ny fanenjehana ara-pitsarana ireo tompon’antoka tamin’ny fanondranana Boaderozy tany Singapour ny taona 2014.

Raharaha Boaderozy Singapour Hosamborina i Anthèlme Ramparany ?

Hamaky ny tohiny...

Raharaha tonelina Ambanidia Nokorontanin’ny facebook Antananarivo

24/05/2017

Nikoropaka ny ankamaroan’ny mponina teto Antananarivo omaly nanomboka tamin’ny 12 ora sy sasany antoandro noho ny resaka niely tany anaty tambajotra sosialy “facebook” fa nirodana ny tonelina Ambanidia, ka olona 80 no maty.

Raharaha tonelina Ambanidia Nokorontanin’ny facebook Antananarivo

Hamaky ny tohiny...

Voahangy Rajaonarimampianina Lasa mpiaro ny zon’ny voafonja indray

24/05/2017

Ilaina ny fanajana ny zon’ny voafonja eto amintsika, hoy ny vadin’ny filoham-pirenena Voahangy Rajaonarimampianina omaly raha nitsidika ireo vehivavy voafonja eny Antanimora ny tenany sy ireo delegasiona notarihiny.

Voahangy Rajaonarimampianina Lasa mpiaro ny zon’ny voafonja indray

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Bekonazy-Bemanonga Nokianin’ny fokonolona ny fomba fiasan’ny ONG Fanamby

15/11/2016

Vaky ambatolampy teo anatrehan’ny mpamatsy vola ny faran’ny herinandro teo ny lesoka amin’ny fomba fiasan’ny ONG Fanamby any amin’ny kaominina ambanivohitra Bemanonga, Faritra Menabe, misy ny « Allée de Baobab ».


 Nopotsipotsirin’ny fokonolona ao Bekonazy, fokontany iray ao Bemanonga ampahibemaso fa tsy nanaja ny bokinandraikitra nifanarahana hatramin’ny taona 2009 ny Fanamby. Voakasik’izany ny fanorenana fotodrafitrasa ara-tsosialy toy ny sekoly sy toeram-pitsaboana ankoatra ny rano nefa tsy tanteraka. Misy koa fotodrafitrasa ara-toekarena toy ny fanorenana tohodrano hanondrahana tany hambolena, saingy nandiso fanantenana ny fokonolona ny zava-bita ao Bekonazy. Tonga tany an-toerana ny delegasiona notarihin’ny mpandrindra ny fandaharanasan’ny Firenena Mikambana eto Madagasikara, Rtoa Violette Kakyomya, ny faran’ny herinandro mba hanolotra ny fotodrafitrasa amin’ny mponina, fotoana nanararaotan’ireto farany nanao vaky bantsilana ny zava-misy.

Nangonin’i Jean D.


 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana