Fil d'actualités du 17/10/2017

  • 17/10/2017 - 18:00 : Ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena sy ny Ministeran’ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr’Andro dia manao hetsika ho fankalazana ny andro ho an’ ny "Aéronautique 2017", tokony atao ny 21-20 Oktobra 2017 izao ao amin’ ny « Base Aéronavale Ivato » saingy hahemotra noho ny fifehezana ny pesta.

  • 17/10/2017 - 17:00 : FJKM: Hotanterahina ao amin'ny FJKM Ankadifotsy ny fankasitrahana ny mpitandrina Lala Rasendrahasina, filohan'ny FJKM teo aloha amin'ny Alahady 22 Oktobre 2017 amin'ny 3 ora tolakandro.

  • 17/10/2017 - 16:30 : Orinasan-tserasera: Hiroso amin’ny fanadiovana ny onjam-peo ny Antokon-draharaha misahana ny fanaraha-maso izany na ny ARTEC. Ho henjana ny fijerena ireo pitsopitsony rehetra momba ireo onjam-peo tsy ara-dalàna.

  • 17/10/2017 - 16:00 : Fenoarivo : Tsy mbola vita hatramin'izao ilay fefiloha vaky tamin’ny orambe farany teo kanefa vao avy ny orana omaly dia niakatra ny rano. Mihorohoro sahady ny mponina satria orana kely vao manomboka dia efa miakatra ny rano.

  • 17/10/2017 - 15:45 : KAOMININA IVATO : Asiam-panamboarana ny lalana ao amin'ny K7 hiditra eo amin'ny Cheval Blanc teo aloha. Ho vitaina ao anatin'ny iray volana ny asa, hoy ny ben'ny Tanànan'Ivato, Randrianarisoa Penjy.

  • 17/10/2017 - 15:30 : Mahanjanga: Nozaraina androany ny tambi-karaman'ireo Sefo fokontany rehetra ao Mahajanga. Efa nisitraka ny azy ihany koa ny ao anatin'ny faritra rehetra ao Boeny.

  • 17/10/2017 - 15:15 : Sabotsy Namehana: Nahazo Fiara Fitondrana marary vaovao manara-penitra tanteraka ny kaominina. Izany no nisy dia vokatry ny fiaraha-miasa matotra teo amin'ny Kaominina sy ny malala tanana avy any dilam-bato, izay zanaky ny Kaominina Sabotsy Namehana ihany.

  • 17/10/2017 - 15:00 : SYNAD (Syndicat National des Administrateurs Civils): Hisy ny fifidianana filoha vaovao hitantana ny SYNAD, ka 4 ny kandida ary manomboka anio 17 oktobra ny fampielezan-kevitra. Ny 27 oktobra kosa ny latsa-bato.

  • 17/10/2017 - 14:45 : Antenimieram-pirenena: Volavolan-dalàna 20 eo ho no hodinihina, ka tena hibahana ny mikasika ny tetibolam-panjakana 2018. Isan’ireo horesahina ny volavolan-dalàna momba fambolena, famatsiana herinaratra, ny famatsiam-bola madininka, fananan-tany.

  • 17/10/2017 - 14:30 : Ambatolampy: Nirefotra ny varatra omaly ka olona 3 no naratra ary nahitana fahasimbana ihany koa ny fitaovan-tserasera tany an-toerana.

Voir plus d'infos...

17/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170826

Misongadina

Governemanta Minisitra 3 nalana

26/08/2017

Niova omaly hariva ny ampahany tamin’ny mpikamban’ny governemanta. Minisitra miisa 3 no nalana tanteraka tamin’ny asany, dia ny minisitry ny raharaham-bahiny Atallah Béatrice nosoloina an’i Henry Rabary-Njaka.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Narson Rafidimanana Nahiliky ny HVM

26/08/2017

Nisy eo ireo efa nahafantatra mialoha, tao ireo tsy nino..saingy iny niaraha nahita iny ny fanovana mpikambana teo anivon’ny governemanta.

Hamaky ny tohiny...

Tolojanahary Maharavo « Tsy mbola resy ny DFP ! »

26/08/2017

Tsy mety mazava amin’ireo mpanara-baovao hatramin’izao ny tena tanjon’ilay vovonana Herin’ny fanovana nanao fihetsiketsehana matetika tato ho ato.

Hamaky ny tohiny...

Fiarahamonim-pirenena Maniry ny hampian’ny fitondrana

26/08/2017

Nosokafana tetsy amin’ny esplanade Analakely ny alakamisy 24 aogositra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fiarahamonim-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ivato Voatendry ny sefom-pokontany vaovao ao Mandrosoa

26/08/2017

Voatendry ny sefom-pokontany vaovao ao Mandrosoa, kaominina Ivato.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Raharaha Claudine Razaimamonjy Mbola misy olona karohina

26/08/2017

Anjaran’ny fitsarana ny fanadihadiana ireo dosie efa eny am-pelatanany, ary mitohy kosa ny fanadihadian’ny Bianco momba ireo dosie tsy tafita any amin’ny fitsarana amin’izao fotoana raha ny fanazavan’ny Jeneraly Ratovoson Benjamina, filohan’ny sampan’ny Bianco Antananarivo.

Hamaky ny tohiny...

Zahid Razah Efa tafiditra tamina raharaha “Kidnapping”

26/08/2017

Mbola mitana ny sain’ny maro ny nahafatesan’i Zahid Hossanaly Razah, kaonsilin’i Malaisie nisy nitifitra teny Tsaralalàna ny takarivan’ny alakamisy tokony ho tamin’ny 6 ora.

Hamaky ny tohiny...

Vondron-tsendika SARTM Hampiharo ny didim-pitsarana sy ny lalàn’ny asa !

26/08/2017

Nomarihina ny tontolo andron’ny alakamisy 24 aogositra lasa teo teny amin’ny Club Nautique Ivato ny faha-25 taonan’ny SARTM (Syndicat Autonomne pour le Rassemblement de Travailleurs Malgaches) na Sendika mizaka tena ho an’ny fampivondronana ny mpiasa Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana VAR Hamory vahoaka etsy amin’ny kianjan’ny Kanto

26/08/2017

Taorian’ireo fitetezam-paritra efa vitan’izy ireo dia anjaran’Antananarivo indray izao no akan’ilay fikambanana Vahaolana Anio sy Rahampitso

Hamaky ny tohiny...

Sport

Mpianatra Rugby etsy Antanimena Novatsian’ny STAR fitaovam-pianarana

26/08/2017

Ankizy miisa 40 amin’ireo 100, folo hatramin’ny 15 taona noraisin’ny sekolin’ny Rugby hianatra ity taranja ara-panatanjahantena iray ity etsy amin’ny Stade de Cheminot Antanimena no novatsian’ny vondrona Star fitaovam-pianarana feno omaly, nahitana kitapo, trousse, kahie,

Hamaky ny tohiny...

Baolina kitra « Tournoi de vacances 3FA 2017 » Nanao pao-droa ny Bayern Andrefan’i Mananjara

26/08/2017

Tontosa teny amin’ny kianjan’Alarobia Antananarivo, ny alakamisy 24 aogositra teo ireo lalao famaranana ny baolina kitra “tournoi de vacances 2017” ho an'ny sokajy 10 , 13 , 15 , 17 taona ary ny vehivavy nokarakarain'ny club 3FA Avaradrano tarihin-dRakotonirina Harison Philibert.

Hamaky ny tohiny...

Nanao pao-droa, ny alakamisy 24 aogositra teo, ny ekipan’ny Bayern Andrefan’i Mananjara teo

26/08/2017

amin’ireo lalao famaranana ny baolina kitra “tournoi de vacances 2017” nokarakarain'ny club 3FA Avaradrano

Hamaky ny tohiny...

Rallye Tmf – Dingana voalohany Nahavita fotoana tsara indrindra i Gérard sy Teddy

26/08/2017

I Gérard Louvel sy Teddy n°2 mitondra ny fiara Mitsubishi Lancer Evo IX N4 no ekipazy nahavita ny fotoana tsara, indrindra tamin’ny dingana manokana na ny ES 1 nirefy 8,78 km amin’ny rallye Tmf 2017 nampitohy an’Ambodimanga-Bemasoandro teny Ambohidratrimo,

Hamaky ny tohiny...

Rugby à XV Hitohy ireo lalao eto Analamanga

26/08/2017

Hitohy hatrany ireo lalao rugby à XV tontosaina eto Analamanga ankehitriny ka ho an-dry zareo eo anivon’ny « Commission Technique Fédérale »

Hamaky ny tohiny...

Edito

Miharatsy ny tantara

26/08/2017

Ny teo aloha tsy mety hangarahara, ny aty aoriana mampitombo ny endrika efa ratsy ananan’ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Foara Boeny mihonjo Fahombiazana tanteraka

26/08/2017

Hifarana amim-pomba ofisialy anio sabotsy 26 aogositra ao Mahajanga rehefa naharitra hateloana ilay hetsika foara ara-toekarena Boeny Mihonjo andiany fahefatra, tohanan’ny Banky BNI Madagascar.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

« Salon des études sup » Ny 7 sy ny 8 septambra ho avy izao

26/08/2017

Mbola betsaka amin’ireo tanora mpianatra eto amintsika no manana olana amin’ny fisafidianana izay lalam-piofanana arahiny aorian’ny fahazoany ny Bakalôrea.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fahantrana, asan-jiolahy, faty olona,… “Izahay aloha izao no eto, mahandrasa 2018”

26/08/2017

Tsy milamina ny tany sy ny fanjakana, saingy tsy mahataitra sy maharototra ny fanjakana HVM intsony.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

POLITIKA

26/08/2017

Araka ny lalam-panorenana dia mitovy daholo isika manoloana ny lalàna na mpitondra na entina.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana