Fil d'actualités du 17/10/2017

  • 17/10/2017 - 18:00 : Ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena sy ny Ministeran’ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr’Andro dia manao hetsika ho fankalazana ny andro ho an’ ny "Aéronautique 2017", tokony atao ny 21-20 Oktobra 2017 izao ao amin’ ny « Base Aéronavale Ivato » saingy hahemotra noho ny fifehezana ny pesta.

  • 17/10/2017 - 17:00 : FJKM: Hotanterahina ao amin'ny FJKM Ankadifotsy ny fankasitrahana ny mpitandrina Lala Rasendrahasina, filohan'ny FJKM teo aloha amin'ny Alahady 22 Oktobre 2017 amin'ny 3 ora tolakandro.

  • 17/10/2017 - 16:30 : Orinasan-tserasera: Hiroso amin’ny fanadiovana ny onjam-peo ny Antokon-draharaha misahana ny fanaraha-maso izany na ny ARTEC. Ho henjana ny fijerena ireo pitsopitsony rehetra momba ireo onjam-peo tsy ara-dalàna.

  • 17/10/2017 - 16:00 : Fenoarivo : Tsy mbola vita hatramin'izao ilay fefiloha vaky tamin’ny orambe farany teo kanefa vao avy ny orana omaly dia niakatra ny rano. Mihorohoro sahady ny mponina satria orana kely vao manomboka dia efa miakatra ny rano.

  • 17/10/2017 - 15:45 : KAOMININA IVATO : Asiam-panamboarana ny lalana ao amin'ny K7 hiditra eo amin'ny Cheval Blanc teo aloha. Ho vitaina ao anatin'ny iray volana ny asa, hoy ny ben'ny Tanànan'Ivato, Randrianarisoa Penjy.

  • 17/10/2017 - 15:30 : Mahanjanga: Nozaraina androany ny tambi-karaman'ireo Sefo fokontany rehetra ao Mahajanga. Efa nisitraka ny azy ihany koa ny ao anatin'ny faritra rehetra ao Boeny.

  • 17/10/2017 - 15:15 : Sabotsy Namehana: Nahazo Fiara Fitondrana marary vaovao manara-penitra tanteraka ny kaominina. Izany no nisy dia vokatry ny fiaraha-miasa matotra teo amin'ny Kaominina sy ny malala tanana avy any dilam-bato, izay zanaky ny Kaominina Sabotsy Namehana ihany.

  • 17/10/2017 - 15:00 : SYNAD (Syndicat National des Administrateurs Civils): Hisy ny fifidianana filoha vaovao hitantana ny SYNAD, ka 4 ny kandida ary manomboka anio 17 oktobra ny fampielezan-kevitra. Ny 27 oktobra kosa ny latsa-bato.

  • 17/10/2017 - 14:45 : Antenimieram-pirenena: Volavolan-dalàna 20 eo ho no hodinihina, ka tena hibahana ny mikasika ny tetibolam-panjakana 2018. Isan’ireo horesahina ny volavolan-dalàna momba fambolena, famatsiana herinaratra, ny famatsiam-bola madininka, fananan-tany.

  • 17/10/2017 - 14:30 : Ambatolampy: Nirefotra ny varatra omaly ka olona 3 no naratra ary nahitana fahasimbana ihany koa ny fitaovan-tserasera tany an-toerana.

Voir plus d'infos...

17/10/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170824

Misongadina

Governemanta Misy minisitra eny Anosy hoesorina ?

24/08/2017

Tsy nisy tahaka ny mahazatra ny filankevitry ny minisitra omaly alarobia. Nangina ny teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ary tsy naharay tatitra anaty mailaka ny mpanao gazety.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fifidianana 2018 Efa fantatra ny ho mpandresy

24/08/2017

Tsy mbola misy antoka mazava amin’ny hisian’ny fifidianana mangarahara sy malalaka eto amin’ny firenena amin’ny taona 2018.

Hamaky ny tohiny...

Radanoara Julien “Mampanahy ny fifidianana amin’ny 2018”

24/08/2017

Mampanahy sy tsy ananan’ny maro fanantenana ny hisian’ny fifidianana mangarahara eto amintsika amin’ny taona 2018.

Hamaky ny tohiny...

Hetsiky ny mpanohitra Nolavina ny fangatahana fampiatoana didy

24/08/2017

Nolavin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana etsy

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Marc Tatandraza Efa manodina ny rakitsary fahatsiarovana

24/08/2017

Mbola eto ambonin’ny tany raha ny vaovao nampitain’ny nilaza ho delegasionina miaraka aminy tamin’ny antso an-tariby omaly ilay mpitondra

Hamaky ny tohiny...

Fambolena voninkazo Mikajy ny tontolo iainana

24/08/2017

Nosokafana omaly tetsy amin’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny zavakanto ary ny taozavatra etsy Ampefiloha ny fankalazana ny faha-10 taonan’ny fikambanan’ireo mpitia sy mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny voninkazo na ny Ceinture verte.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Rallye TMF andiany faha-4 Raikitra ny 24-26 aogositra

24/08/2017

Tany Mahajanga hatrany no nanatanterahana ireo andiany 12 tamin’ny Rallye TMF. Niova kely tamin’ity andiany faha-13 ity satria eto Antananarivo indray no hatao ny 24,25 ary 26 aogositra 2017.

Hamaky ny tohiny...

Fanatanjahantena an-tsekoly - Mahajanga 2017 Niverina nilalao ireo ankizy voan’ny ambalavelona

24/08/2017

Nalaza fa nihetsika ambalavelona teo am-panaovana lalao hand-ball tany amin’ny kianjan’ny Lycée Philibert Tsiranana any Mahajanga ny ankizy mpianatra 8 vavy avy ao amin’ny ekipan’ny Ceg Faratsiho Vakinankaratra ny talata 22 aogositra lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Ankoatra ny lalao “danse 261” fikarakaran-dry zareo dia manome fampianarana informatikan’ny tanora ao anatin’ilay tetikasa

24/08/2017

''Informatique pour tous" iarahany amin’ny « fondation telma » eny amin’ny cyber class

Hamaky ny tohiny...

Edito

Inona no tanjona ?

24/08/2017

Tsy azon’ny vahoaka loatra amin’ny ankapobeny ny tanjon’ireo mpitondra sy mpanao politika ary sendika eto amin’ny firenena amin’ireo hetsika mijolofotra lava izao kanefa tsy hanovana paikady ho any amin’ny mahomby kokoa mihitsy.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Fiarakaretsaka tsy ara-dalàna Tsy maintsy hovaina tsy ho “Beige crème”

24/08/2017

Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra momba ny fandaminana sy fanaraha-maso ireo fiarakaretsaka tsy ara-dalàna.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Aretina Hépatite B 30.000 ny olona vita vaksiny

24/08/2017

Anisan’ny aretina mampatahotra ny olona mafy ihany koa amin’izao fotoana ny Hepatite B eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Fikambanan’ny zanaka Antemoro Amin’ny 27 aogositra ny fifidianana filoha

24/08/2017

Taorian’ny taona 2015 tokony hanatanterahana ny fifidianana izay ho filohan’ny birao mpanatanteraky ny fikambanana FI.ANTA na ny

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

POLITIKA

24/08/2017

Efa manao propagandy ny olona sasany, anisan'izany Rajaonarimampianina.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana