Fil d'actualités du 18/11/2017

  • 18/11/2017 - 09:00 : FAMBOLENA SY FIOMPIANA: Mifarana anio 18 novambra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy tantsaha marihina any Tsivory Amboasary Atsimo. Manamarika izany ny famoahana amin'ny fomba ofisialy ireo "Mpiompy Mpanampy ny Asa Veterinera" na MMAV, izay vao nahavita fiofanana.

  • 18/11/2017 - 08:30 : KOLIKOLY: Novakian'ny Parlemanta Eoropeanina bantsilana ny fisian'ny fanodinkodinana volam-panjakana mahasaringotra ny olona akaiky ny filoha, toa an'i Claudinmne Razaimamonjy, kanefa ny minisitry ny fitsarana tamin'izany mihitsy no nitaky ny namoahana azy, ary niteraka fifanolanana tamin'ny fanjakana sy ny fitsarana.

  • 18/11/2017 - 08:00 : PARLEMANTA EOROPEANINA: Nanoaka tatitra momba an'i Madagasikara manabaribary ny kajikajin'ny mpitondra mikasika ny fifidianana ny Eoropeanina. Voizin'izy ireo ny hisian'ny fifidianana demokratika, malalaka tsy misy fanilihana, mangarahara,...

  • 17/11/2017 - 20:00 : SERANAM-PIARAMANIDINA IVATO: Teratany Iranianina telo lahy no saron'ny polisin'ny PAF "Police des Aires et des Frontières" etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato nitondra "Passeport Espagnol" sandoka omaly 16 novambra 2017, araka fanambaran'ny Polisim-pirenena.

  • 17/11/2017 - 19:00 : BAOLINA KITRA - CHAN 2018: Hatao anio alina any Maraoka ny fisarihana hivoahan'ny fanasokajiana isam-bondrona.

  • 17/11/2017 - 18:00 : FAMPIANARANA AMBONY: Miverina mianatra ny Fakioliten'ny Siansa eo anivon'ny Oniversiten'Antananarivo manomboka ny alatsinainy 20 novambra 2017.

  • 17/11/2017 - 17:00 : TSIPY KANETIBE: Noraisin'ny vahoakan'i Betafo tamin'ny fomba nanetriketrika i Luc Andriamandamina Newton, isan’ny nandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy izay nandrombaka ny amboara eran-tany teo amin’ny taranja tsipy kanetibe (Mondiale pétanque Junior 2017) tany Chine.

  • 17/11/2017 - 16:00 : RETURN OF A PRESIDENT: Hivoaka sy ho azo jerena manomboka ny 23 novambra ka hatramin'ny 30 novambra izao ilay horonantsary fanadihadiana, mitantara ny fiainan'i Marc Ravalomanana nanomboka tamin'ny fanonganam-panjakana 2009 sy ny taoriany ity.

  • 17/11/2017 - 15:30 : FIANARANANTSOA: Tsy kariera fitrandrahana vato, araka ny resaka nalaza nanomboka ny 11 novambra teo, fa toeram-pitsangatsanganana iray antsoina hoe : Anosy no nisy nanary vato tsy misy vidiny ara-barotra intsony. Ireo karazam-bato ireo no hitan'ny olona nandalo ka nahantonga ny resabe.

  • 17/11/2017 - 15:15 : MINISITRY NY FAHASALAMANA: Miatrika ny Kongresy Iraisam-pirenena momba ny fanafoanana ny aretina “tuberculose” any Moscou, Renivohitr’i Rosia nanomboka omaly ary mifarana anio ny Minisitry ny fahasalamana Pr Mamy Lalatiana Andriamanarivo.

Voir plus d'infos...

17/11/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170807

Misongadina

Famonoana an’i Tsiandopy Jacky Nosamborina ny zanak’anabaviny

07/08/2017

Voasambotra tany Nosy be Hell Ville ny sabotsy vao mangiran-dratsy tokony ho tamin’ny 2 ora maraina ny lehilahy iray antsoina hoe Solomanjary Francesco.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Kandidà amin’ny 2018 Maro no tsy ho ampoizina

07/08/2017

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny filatsahan-kofidiany ho filoham-pirenena amin’ny taona 2018 tetsy

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina “Miala izay tsy mahazaka ny andraikiny”

07/08/2017

Tokony hametra-pialana ireo olona tsy mahazaka ny andraikiny, hoy ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina tao anatin’ny fandaharana fotoam-bita nivoaka ny faran’ny herinandro teo.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Pastera Mailhol “Hanafoana ny kolikoly aho”

07/08/2017

Kandida hofidiana ho filoham-pirenena amin’ny taona 2018 ho avy io Atoa Christian André de Donné fantatry ny maro amin’ny anarana hoe : Pastera Mailhol filoha mpanorina ny fikambanana Apokalipsy maneran-tany.

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Niantso firaisankina sy fiaraha-miasa

07/08/2017

Feno dia feno ny fandaharam-potoan’i Marc Ravalomanana ny herinandro lasa teo iny ; 5 andro izy no nitsidika ny faritra atsimo atsinana sy atsimon’ny nosy iny.Nisy aloha ny kongresim-paritry ny Tiako i Madagasikara notanterahana tany Manakara ny alakamisy 3 aogositra narahana fanofanana ireo mpikambana TIM.

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny FIZAFATO Norombahan’ Bevata ny fandresena

07/08/2017

Tontosa omaly alahady 6 aogositra tetsy amin’ny ENS Ampefiloha ihany ilay fifidianana ho filohan’ny fikambanana zanaka am-pielezan’i Faritanin’i Toliara na ny Fizafato rehefa nitoerana disadisa talohan’ny fanatanterahana azy.

Hamaky ny tohiny...

Mpivarotra ao Andohan’Ilakaka Tofoky ny didy jadon’ny Ben’ny Tanàna

07/08/2017

Velon-taraina amin’ny afitsoky ny Ben’ny tanàna any Andohan’Ilakaka ny mponina, indrindra fa ny mpivarotra amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Fitrandrahana “Graphite” ao Ambatolampy Loza ho an’ireo mpianatra madinika

07/08/2017

Fahasimban’ireo voly sy ny fiainan’ireo mponina ao an-toerana, raha ny fitarainan’ireo fokonolona manamorona toeram-pitrandrahan’ny orinasa kanadianina 1 ao Ambatolampy, distrikan’i Brickaville,

Hamaky ny tohiny...

Edito

Be tsy handraofana

07/08/2017

Isan’ny nanaitra ny maro ny fahenoana ny isan’ireo olona nandrotsaka ny antontan-taratasiny mba hofantenana ho ao anatin’ilay rafitra hitondra sy handrindra ny fampihavanam-pirenena na ilay antsoina hoe Filan-kevitry ny fampihavanana Malagasy (CFM).

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

HJRA Ampefiloha Ampy tsara ny tahirin-drà

07/08/2017

Na dia mahatratra 100 paosy isan’andro aza ny filàn-drà eto an-drenivohitra amin’ny ankapobeny, dia tsy manana olana amin’izany ny toby fitehirizan-drà etsy amin’ny hôpitaly HJRA Ampefiloha.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Asa tanana vita amin’ny landy Manomboka manahirana ny akora fototra

07/08/2017

Asa iray anisan’ny mamelona fianakaviana an-jatony ny fanaovana asa tanana vita amin’ny landy eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Festival Lampogno Tadiavina mpanao politika hosomparana

07/08/2017

Hatao any Antsohihy ny 24 ka hatramin’ny faha 27 aogositra izao ny Festival Lampogno.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana