Fil d'actualités du 16/12/2017

  • 16/12/2017 - 11:30 : LITERATIORA: Hanolotra tsangan-tononkalo antsoina hoe "ILAY FITIA NAJORONTSIKA" ny Vondron'ny Korira Kanton'ny Haisoratra Malagasy sy ny Aceem Radio rahampitso 17 desambra eny amin'ny IKM Antsahavola.

  • 16/12/2017 - 11:00 : TOLIARA: Mitokana ny TNT (Télévision Numérique Terrestre) any an-toerana ny Filoham-pirenena amin'izao fotoana izao.

  • 16/12/2017 - 10:30 : TEATRA: Tontosaina anio ao amin’ny Alliance Française Andavamamba ny teatra "Ilay fitia tsy mipaka" sy "patrak'ala" ka amin'ny 3 ora sy amin'ny 5 ora tokalandro izany, samy sangan'asa nosoratan’i JJ RABEARIVELO.

  • 16/12/2017 - 10:00 : FIFANINANA MISS SY MINI MISS: Hotanterahina anio 16 desambra eny amin'ny Hotely A&C Ivato ny famaranana ilay fifaninana "miss" sy "mini miss princesse".

  • 16/12/2017 - 09:30 : KUNG FU WISA: Tokanana anio eny Ambatomirahavavy Antanety Kingory ny "Temple de Pierre Mizael"

  • 16/12/2017 - 09:00 : MISS MADAGASCAR 2018: Randriambelonoro Miantsa Valisoa, Miss Mlamanga no lany ho Miss Madagascar 2018. Zafititi Nouaïka, Miss Diana sy Malleka Esmelralda izay Miss Sava kosa indray no lany 1ère sy 2ème Dauphines.

  • 15/12/2017 - 20:05 : LOZAM-PIFAMOIVOIZANA MAHATSIRAVINA: Mpitondra moto iray nifandona tamin'ny taksibe eny Iavoloha amin'izao ora izao, ka naratra mafy sy atahorana ny ainy, ary efa nalefa eny amin'ny hopitaly.

  • 15/12/2017 - 16:00 : MISS MADAGASCAR: Hotanterahina anio manomboka amin'ny 8 ora alina eny amin'ny Hotely Carlton ny famaranana amin'ny fifidianana ny Miss Madagascar.

  • 15/12/2017 - 15:30 : FIFIDIANANA 2018: Azo tanterahina ao anatin’ny taona 1 ny fitsapakevim-bahoaka sy ny fifidianana filoham-pirenena ary ny solombavam-bahoaka hoy ny solombavam-bahoaka Nome Razaranaina.

  • 15/12/2017 - 15:00 : RALLYE SHELL HELIX: Ndrianja sy Fanja nitondra ny fiara Subaru Impreza N4 no nahatontosa fe potoana haingana indrindra 9minitra sy 21.3sekondra teo amin'ny dingana voalohany ny tolakandro teo Ambohitsiry sy Ankadindravololona.

Voir plus d'infos...

15/12/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170803

Misongadina

Ravalomanana tany Ankaramalaza “Tsy anjarantsika ny mitsara”

03/08/2017

76 taona izay no nijoroan’ny toby FLM any Ankaramalaza, izay niorina ny taona 1941. Mivelatra amina velaran-tany 18Ha. Miisa 5000 ny mponina, fa tafakatra 2 5000 izany rehefa fotoam-panokanana lehibe, toy ny omaly.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fampielezan-kevitra “Tsy mihoatra ny 100 miliara ariary ny vola ampiasaina”

03/08/2017

Singa goavana mampitovy hevitra ny CENI (Commission Electorale Nationale Indépendante) sy ireo mpisehatra samihafa toy ireo mpanao politika sy ny firaisamonim-pirenena ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana.

Hamaky ny tohiny...

Kongresim-paritry ny TIM Tanterahina any Manakara anio

03/08/2017

Tanterahina anio 3 aogositra ao Manakara ny Kongresim-paritra ny Antoko Tiako I Madagasikara ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana sy Vatovavy Fitovinany.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Praiminisitra Solonandrasana Nanondrana indray…

03/08/2017

Samy manana ny fihetsiny sy toetrany mety tsy ho ampoizina ny mpitondra fanjakana na tompon’andraikitra ambony na any ivelany na eto amintsika, ary maro no manaraka akaiky sy liana amin’izy ireny.

Hamaky ny tohiny...

Hetra alaina amin’ny « pylône » Amin’ny 15 oktobra ny fara-fandoavana azy

03/08/2017

Ho fampiharana ny lalàna 2014 /020 ny volana aogositra 2014 sy ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2017,

Hamaky ny tohiny...

Famoahana sary mampivarahontsana Nampitandrina ny minisitry ny serasera

03/08/2017

Taorian’ny fanambarana ofisialy navoaky ny ministera ny alatsinainy lasa teo dia mbola nampatsiahy indray omaly alarobia ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana Harry Laurent Rahajason fa tsy fanao ny mamoaka sary mamoafady na mampivarahontsana amin’ny fahitalavitra sy ny gazety an-tsoratra

Hamaky ny tohiny...

Mediatioran’ny Repoblika Tsy mahafantatra lalàna ny Malagasy

03/08/2017

Tsy manan-jo hiditra amin’ny sehatry ny fitsarana ny Mediatioran’ny Repoblika. Tranga tena mandalo matetika ao amin’io rafi-panjakana io hatreto ny fitarainana amin’ny tsy fahazoan’ny olona ny dika mitovy fanatanterahana ny didim-pitsarana na ny « grosse»,

Hamaky ny tohiny...

Edito

Hafahafa

03/08/2017

Hafahafa! Izay no azo amehezana ny zava-niseho nifanesisesy teto amin’ny firenena tato ho ato.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Faritra Atsinanana Mety tsara ny fiompiana trondro

03/08/2017

Raha tena mampitaraina ny maro tokoa hatramin’izao ny fidangan’ny vidin’ny trondro eto an-drenivohitra dia mifanohitra amin’izay tanteraka ireo karazan-trondro avy any amin’ny faritra Atsinanana, indrindra fa ny tilapia.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

FARMSHOP Manofana maimaim-poana ny mpiompy

03/08/2017

Orinasa mpaninjaran’ ny Avitech sy ny LFL ny Farmshop. Mivarotra provandy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena izy ireo ao anatin’izany no sady mivarotra akohokely vao fohy iray andro ihany koa.

Hamaky ny tohiny...

CMR PARAMED Hankalaza ny herintaona nijoroany

03/08/2017

Feno herin-taona sahady ny « Cercle Mixte de Reflexion pour la révalorisation de formation paramedicale » eto Madagasikara na ny CMR Paramed tarihin’ny filohany Razanadrakoto Roland Albert.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Fifaninanan-kira karakarain’ny AFT Amin’ny 02 septambra ny fifanintsanana voalohany

03/08/2017

Hotontosaina ny 02 septambra ho avy izao ny fifanintsanana voalohany amin’ilay fifaninanan-kira amin’ny fiteny Frantsay, karakarain’ny AFT etsy Andavamamba.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Polisim-pirenena miady amin’ny kolikoly Mitohy hatrany ny ezaka

03/08/2017

Anisan’ny ivon-toerana iray voasokajy ho be kolikoly tokoa teo aloha teo ny eny anivon’ny pôlisim-pirenena. Anisan’ny antony nananganana ny “Inspection generale de la police nationale de Madagascar” izany efa ho telo taona izao,

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana