Fil d'actualités du 20/09/2017

  • 20/09/2017 - 15:00 : OMAVET:nanamafy indray androany ny kaominin'Antananarivo renivohitra fa zavatra tsy maintsy atao ny contre visite eny amin'ny Omavet ho an'ireo mpitatitra miasa eto an-drenivohitra.Efa nanaiky ary nanao an'io avokoa ny mpitatitra entana sy ireo koperativa mpitatitra fa ny Taxi sasany ihany no mitsivalana aminy

  • 20/09/2017 - 11:30 : Diplaoma hosoka:ny tambazotran-tserasera toy ny facebook no ampiasain'ireo olona mpanao diplaoma sandoka mba hitadiavana mpividy.Ao no mandeha ny fifampiraharahana rehetra ary alefa amin'ny finday ny vola.Efa nisy ny olona voasambotra nanao ity asa ratsy ity saingy toa vao miha miroborobo ilay izy.

  • 20/09/2017 - 10:15 : Raharaha BNI:nampidirina am-ponja vonjimaika omaly hariva rehefa avy nohadihadiana teo anivon'ny fampanoavana tetsy amin'ny fitsarana Anosy i Yves Rivofanantenana izay voalaza fa nangalatra vola mitentina 440 tapitrisa Ar tao amin'ny BNI Tsimbazaza.

  • 20/09/2017 - 10:05 : Toetr'andro:ao anatin'ny manasara-taona ny toetr'andro eto Madagasikara amin'izao fotoana.Amin'ny volana novambra no manomboka ny fahavaratra raha ny fanazavan'ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr'andro eny Ampandrianomby.

  • 20/09/2017 - 09:05 : Taxi-ville:milaza ireo mpamily taxi sasany fa manahy izy ireo hoe fanoloana fiara vaovao no ao ambadiky famindrana ny fanaovana contre visite eny amin'ny Omavet.Ny fiara taloha ihany aloha no ampiasainay satria tsy mbola manam-bola hividianana fiara vaovao izahay, ny lalana rahateo maro no ratsy ka tsy ho zakan'ireo fiara vaovao misy ankehitriny, hoy izy ireo.

  • 20/09/2017 - 09:00 : ANRE:efa mandeha avokoa ireo tranokala sy pejin'ny governemanta satria niverina niasa ny mpiasan'ny ANRE.

  • 20/09/2017 - 08:40 : Taxi:nanorisory ny mponin'Antananarivo renivohitra tamin'ny ankapobeny ny fitokonan'ireo Taxi mivondrona ao amin'ny FTAR omaly satria sady nanembatsembana ny fifamoivoizana no tsapa ihany hoe misy ambadika politika hanaratsiana endrika ny mpitantana ny kaominina.

  • 20/09/2017 - 08:35 : Horohoron-tany:nitrangana horohoron-tany mahery vaika manana tanjaka 7,1 amin'ny maridrefin'i Richter tany Mexique omaly.Am-polony ny trano goavambe nirodana,maherin'ny 225 hatreto no fantatra fa namoy ny ainy ary mbola mitohy ny asa famonjena ireto olona mety tototry ny trano nianjera.Vao tapabolana lasa izay no nitrangana horohoron-tany nahafatesana olona an-jatony tany an-toerana.

  • 19/09/2017 - 12:30 : Taxi:afaka nitokona an-kalalahana androany ireo taxi-ville tsy mankasitraka ny hanaovana ny contre visite eny amin'ny Omavet.Tsikaritra fa maro be ny Taxi niasa raha toa ka manodidina ny 100 ireo nitokona.

  • 19/09/2017 - 12:00 : Fandriampahalemana:vovoka fanamboarana bala antsoina hoe Chlorate de sodium 210 kg no tra-tehaky ny zandary tany Betroka.Amidy 10 000 ariary ny 1 kapoaka "madco" aminy izay ahavitana bala 70 isa.Olona 5 no nosamborina ary mbola mitohy ny fikarohana.

Voir plus d'infos...

20/09/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170721

Misongadina

Politika sy Fifidianana Mipararetra amin-dRavalo ny HVM

21/07/2017

Hiakam-pifaliana no nandraisan’ny vahoaka tany Mandritsara an’i Marc Ravalomanana omaly.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fitakiana eto amin’ny firenena “Hatsangano ny antokon’ny mpiasa”

21/07/2017

Nandefa taratasy misokatra ho an’ny sendika, firaisamonim-pirenena ary herivelona maro izay samy manao ny fitakiany kanefa tsy mahita vokatra i Toavina Ralambomahay.

Hamaky ny tohiny...

Fitokonana sy fitakiana sendikaly Atao ao anatin’ny zo sy lalàna, hoy ny CNIDH

21/07/2017

Nilaza ny eo anivon’ny Vaomieram-pirenena momba ny fiarovana ny zon’olombelona (CNIDH) fa zo sy lalàna fototra iraisam-pirenena ny fanaovana grevy ho an’ny mpiasa, ary anisan’ny nankato i Madagasikara ny taona 1970.

Hamaky ny tohiny...

Alain Andriamiseza « Voaviravira ny lalàmpanorenana »

21/07/2017

Tsy dia hitondra fiovan-javatra manao ahoana, raha ny fanazavan’ny mpanao politika, Alain Andriamiseza, ny fanovana ny minisitry ny vola sy ny tetibola.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

CUA-Boriborintany faha-4 Mitohy hatrany ny fanajariana

21/07/2017

Noho ny fitandroana hatrany ny ain’ny mponina mba tsy hilatsaka tsy nahy any anatin’ireny « dalle » tsy misarona ireny,

Hamaky ny tohiny...

Jean Nirina HAFARI Malagasy Hivoaka amin’ny 25 jolay ny didim-pitsarana

21/07/2017

Niakatra fitsarana teny Anosy indray omaly ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina rehefa in-droa nangataka fahafahana vonjimaika saingy tsy nahazo.

Hamaky ny tohiny...

Fisolokiana tao Toamasina Orinasam-panjakana maro no efa lasibatr'ilay teratany karana

21/07/2017

Maro tamin'ireo orinasa lehibe tao Toamasina no efa nikatona sy nizaka ny tsy eran'ny aina vokatry ny tsy famerenam-bola tamin'ny fisamborana nataona mpandraharaha,

Hamaky ny tohiny...

Edito

Fanjakana inona loatra ity?

21/07/2017

Mahavalalanina ny fomba fiasa sy ny resaka fampiharana lalàna eto amin’ny firenena. Tanteraka ara-bakiteny ny fomba fiteny hoe tatavanina ny moka fa atelina ny rameva.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

« Carrefour de la formation des métiers et de l’emploi » Hanampiana ireo afaka Bakalôrea sy mitady asa

21/07/2017

Hotanterahina ny zoma 28 sy ny sabotsy 29 jolay ho avy izao etsy amin’ny Alliance Française Andavamamba ilay hetsika “ Carrefour de la formation des métiers et de l’emploi” karakarain’izy ireo.

Hamaky ny tohiny...

EPP MAHAVELONA Nomen’ny Airtel fanomezana avokoa ireo afaka CEPE

21/07/2017

Notoloran’ny orinasam-pifandraisana Airtel fanomezana avokoa omaly ireo ankizy 52 mianadahy afa-panadinana CEPE tao amin’ny sekoly ambaratonga fototra Mahavelona, sekoly ahian’izy ireo mivantana.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Olombelo Ricky Hampanala azy ny efa zokiny

21/07/2017

Miditra amin’ny andiany faha-25 amin’ny 27 jolay izao etsy Antsahamanitra ny hetsika Manala azy vita bacc niarahana tamin’ny mpanakanto Olombelo Ricky isaky ny vita fanadinana bakalorea tao anatin’ny 25 taona izao.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana