Fil d'actualités du 20/09/2017

  • 20/09/2017 - 15:00 : OMAVET:nanamafy indray androany ny kaominin'Antananarivo renivohitra fa zavatra tsy maintsy atao ny contre visite eny amin'ny Omavet ho an'ireo mpitatitra miasa eto an-drenivohitra.Efa nanaiky ary nanao an'io avokoa ny mpitatitra entana sy ireo koperativa mpitatitra fa ny Taxi sasany ihany no mitsivalana aminy

  • 20/09/2017 - 11:30 : Diplaoma hosoka:ny tambazotran-tserasera toy ny facebook no ampiasain'ireo olona mpanao diplaoma sandoka mba hitadiavana mpividy.Ao no mandeha ny fifampiraharahana rehetra ary alefa amin'ny finday ny vola.Efa nisy ny olona voasambotra nanao ity asa ratsy ity saingy toa vao miha miroborobo ilay izy.

  • 20/09/2017 - 10:15 : Raharaha BNI:nampidirina am-ponja vonjimaika omaly hariva rehefa avy nohadihadiana teo anivon'ny fampanoavana tetsy amin'ny fitsarana Anosy i Yves Rivofanantenana izay voalaza fa nangalatra vola mitentina 440 tapitrisa Ar tao amin'ny BNI Tsimbazaza.

  • 20/09/2017 - 10:05 : Toetr'andro:ao anatin'ny manasara-taona ny toetr'andro eto Madagasikara amin'izao fotoana.Amin'ny volana novambra no manomboka ny fahavaratra raha ny fanazavan'ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr'andro eny Ampandrianomby.

  • 20/09/2017 - 09:05 : Taxi-ville:milaza ireo mpamily taxi sasany fa manahy izy ireo hoe fanoloana fiara vaovao no ao ambadiky famindrana ny fanaovana contre visite eny amin'ny Omavet.Ny fiara taloha ihany aloha no ampiasainay satria tsy mbola manam-bola hividianana fiara vaovao izahay, ny lalana rahateo maro no ratsy ka tsy ho zakan'ireo fiara vaovao misy ankehitriny, hoy izy ireo.

  • 20/09/2017 - 09:00 : ANRE:efa mandeha avokoa ireo tranokala sy pejin'ny governemanta satria niverina niasa ny mpiasan'ny ANRE.

  • 20/09/2017 - 08:40 : Taxi:nanorisory ny mponin'Antananarivo renivohitra tamin'ny ankapobeny ny fitokonan'ireo Taxi mivondrona ao amin'ny FTAR omaly satria sady nanembatsembana ny fifamoivoizana no tsapa ihany hoe misy ambadika politika hanaratsiana endrika ny mpitantana ny kaominina.

  • 20/09/2017 - 08:35 : Horohoron-tany:nitrangana horohoron-tany mahery vaika manana tanjaka 7,1 amin'ny maridrefin'i Richter tany Mexique omaly.Am-polony ny trano goavambe nirodana,maherin'ny 225 hatreto no fantatra fa namoy ny ainy ary mbola mitohy ny asa famonjena ireto olona mety tototry ny trano nianjera.Vao tapabolana lasa izay no nitrangana horohoron-tany nahafatesana olona an-jatony tany an-toerana.

  • 19/09/2017 - 12:30 : Taxi:afaka nitokona an-kalalahana androany ireo taxi-ville tsy mankasitraka ny hanaovana ny contre visite eny amin'ny Omavet.Tsikaritra fa maro be ny Taxi niasa raha toa ka manodidina ny 100 ireo nitokona.

  • 19/09/2017 - 12:00 : Fandriampahalemana:vovoka fanamboarana bala antsoina hoe Chlorate de sodium 210 kg no tra-tehaky ny zandary tany Betroka.Amidy 10 000 ariary ny 1 kapoaka "madco" aminy izay ahavitana bala 70 isa.Olona 5 no nosamborina ary mbola mitohy ny fikarohana.

Voir plus d'infos...

20/09/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170717

Misongadina

Misavorovoro ny fanjakana Niala ny minisitry ny vola, hiova ny governemanta ?

17/07/2017

Mbola voaporofo indray omaly fa misy zavatra tsy milamina intsony ao anatin’ny governemanta sy ny fitondram-panjakana amin’ny ankapobeny.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Filoha Rajaonarimampianina Niteniteny foana indray

17/07/2017

Ny fanajana ny zo sy fahalalahan’ny hafa, ny fahaterena hiaro ny filaminam-bahoaka ary ny fiarovana ny fahamendrehan’ny firenena sy filaminan’ny fanjakana,

Hamaky ny tohiny...

Botozaza Pierrot Anaovan’ny fanjakana antsojay ihany koa

17/07/2017

Saro-tahotra loatra amin’ny hetsika misy ataon’ny olom-pirenena ankehitriny ny fitondram-panjakana, hany ka izay hetsika misy na ara-tsosialy tsotra ataona fikambanana ara-tsosialy aza dia anaovana antsojay.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Sendikan’ny Jirama Hitokona rehefa tsy henoina

17/07/2017

Ny fanajana ny fepetra anaty fifanarahana iombonana, indrindra ny mikasika ny resaka fandraisana mpiasa voalaza ao anatin’ny andininy faha-12 aloha no tena hotakian-dry zareo ao anatin’ny sendikan’ireo

Hamaky ny tohiny...

Fibodoana tany eny Manazary-Ilafy Mahita làlana ambanin’ny tany ny karana

17/07/2017

Mitohy ny fifanolanana eo amin’ny fianakaviana Malagasy iray tompon’ny tany manana refy 10 Ha mahery eny Manazary Ilafy, eo amin’ny toerana antsoina hoe Antsahamioridoha,

Hamaky ny tohiny...

Ambilanibe Andavamamba Trano efatra no indray may

17/07/2017

Trano efatra no indray may tetsy amin’ny fokontany Ambilanibe Andavamamba ny sabotsy antoandro teo tokony ho tamin’ny 11 ora. Vokatry ny “court circuit” avy amina tokantrano iray no nahatonga ny loza.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Kenda roroka

17/07/2017

Ny faran’ny herinandro teo no efa nandeha ny resaka amin’ny hisian’ny fanovana governemanta, saingy tsy tontosa aloha hatreto.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Mpiaro ny zon’ny mpanjifa Tsy manaiky ny hanalana ireo mpivarotra 32 isa ao Farafangana

17/07/2017

Hitrangana olana ara-tany goavana ao amin’ny kaominina ambonivohitra Farafangana amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Airtel beach party andiany faharoa Hanomboka ny 06 aogositra ho avy izao indray

17/07/2017

Taorian’ny fahombiazana azon’ny mpikarakara orinasam-pifandraisana Airtel sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy tamin’ilay hetsika

Hamaky ny tohiny...

Hiragasy makotrokotroka eny Ambohijatovo Mpijery 3.000 isaky ny alahady no andrasana

17/07/2017

Raikitra indray ilay hetsika hiragasy makotrokotroka, fanao isaky ny vakansy lehibe tahaka izao eny amin’ny zaridainan’Andohalo.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fifaninanana hidirana polisy Hentitra ny fanaraha-maso

17/07/2017

Efa noraisina avokoa ny fepetra rehetra ialana amin’ny mety hisian’ny trangana kolikoly amin’ny fifaninanana hidirana ho polisim-pirenena nanomboka ny sabotsy teo,

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana