Fil d'actualités du 20/09/2017

  • 20/09/2017 - 15:00 : OMAVET:nanamafy indray androany ny kaominin'Antananarivo renivohitra fa zavatra tsy maintsy atao ny contre visite eny amin'ny Omavet ho an'ireo mpitatitra miasa eto an-drenivohitra.Efa nanaiky ary nanao an'io avokoa ny mpitatitra entana sy ireo koperativa mpitatitra fa ny Taxi sasany ihany no mitsivalana aminy

  • 20/09/2017 - 11:30 : Diplaoma hosoka:ny tambazotran-tserasera toy ny facebook no ampiasain'ireo olona mpanao diplaoma sandoka mba hitadiavana mpividy.Ao no mandeha ny fifampiraharahana rehetra ary alefa amin'ny finday ny vola.Efa nisy ny olona voasambotra nanao ity asa ratsy ity saingy toa vao miha miroborobo ilay izy.

  • 20/09/2017 - 10:15 : Raharaha BNI:nampidirina am-ponja vonjimaika omaly hariva rehefa avy nohadihadiana teo anivon'ny fampanoavana tetsy amin'ny fitsarana Anosy i Yves Rivofanantenana izay voalaza fa nangalatra vola mitentina 440 tapitrisa Ar tao amin'ny BNI Tsimbazaza.

  • 20/09/2017 - 10:05 : Toetr'andro:ao anatin'ny manasara-taona ny toetr'andro eto Madagasikara amin'izao fotoana.Amin'ny volana novambra no manomboka ny fahavaratra raha ny fanazavan'ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr'andro eny Ampandrianomby.

  • 20/09/2017 - 09:05 : Taxi-ville:milaza ireo mpamily taxi sasany fa manahy izy ireo hoe fanoloana fiara vaovao no ao ambadiky famindrana ny fanaovana contre visite eny amin'ny Omavet.Ny fiara taloha ihany aloha no ampiasainay satria tsy mbola manam-bola hividianana fiara vaovao izahay, ny lalana rahateo maro no ratsy ka tsy ho zakan'ireo fiara vaovao misy ankehitriny, hoy izy ireo.

  • 20/09/2017 - 09:00 : ANRE:efa mandeha avokoa ireo tranokala sy pejin'ny governemanta satria niverina niasa ny mpiasan'ny ANRE.

  • 20/09/2017 - 08:40 : Taxi:nanorisory ny mponin'Antananarivo renivohitra tamin'ny ankapobeny ny fitokonan'ireo Taxi mivondrona ao amin'ny FTAR omaly satria sady nanembatsembana ny fifamoivoizana no tsapa ihany hoe misy ambadika politika hanaratsiana endrika ny mpitantana ny kaominina.

  • 20/09/2017 - 08:35 : Horohoron-tany:nitrangana horohoron-tany mahery vaika manana tanjaka 7,1 amin'ny maridrefin'i Richter tany Mexique omaly.Am-polony ny trano goavambe nirodana,maherin'ny 225 hatreto no fantatra fa namoy ny ainy ary mbola mitohy ny asa famonjena ireto olona mety tototry ny trano nianjera.Vao tapabolana lasa izay no nitrangana horohoron-tany nahafatesana olona an-jatony tany an-toerana.

  • 19/09/2017 - 12:30 : Taxi:afaka nitokona an-kalalahana androany ireo taxi-ville tsy mankasitraka ny hanaovana ny contre visite eny amin'ny Omavet.Tsikaritra fa maro be ny Taxi niasa raha toa ka manodidina ny 100 ireo nitokona.

  • 19/09/2017 - 12:00 : Fandriampahalemana:vovoka fanamboarana bala antsoina hoe Chlorate de sodium 210 kg no tra-tehaky ny zandary tany Betroka.Amidy 10 000 ariary ny 1 kapoaka "madco" aminy izay ahavitana bala 70 isa.Olona 5 no nosamborina ary mbola mitohy ny fikarohana.

Voir plus d'infos...

20/09/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170713

Misongadina

Praiminisitra Solonandrasana Miandry azy ny fitsarana

13/07/2017

Andro sisa isaina amin’ny hitazonan’i Mahafaly Solonandrasana Olivier ny toerana maha praiminisitra azy, raha ny resaka mifamoivoy any an-dapa any.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Alphonse Randrianambinina Tany tsy misy fanjakana eto Madagasikara

13/07/2017

Azo ambara fa tany tsy misy fanjakana ny eto Madagasikara ankehitriny, hoy ny filoha lefitra nasionalin’ny antoko Leader Fanilo tarihan’Atoa Rabesa Zafera Antoine.

Hamaky ny tohiny...

Ramatahora ataon’ny fanjakana Niaka-pofona ny MAPAR

13/07/2017

Tonga nitsidika sy nankahery an’i Rossy teny Mahamasina noho ny fahamaizan’ny fitaovana fanamafisam-peon’ny Kianjan’ny Kanto ny vondrona Mapar omaly notarihan’ny filoha lefitra Augustin Andriamananoro sy ireo solombavambahoaka Mapar tahaka an’i Christine Razanamahasoa,

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Mpiasan’ny Jirama Manahy ny hoaviny

13/07/2017

Mitsangana indray ny sendikan’ny mpiasa eo anivon’ny Jirama mivondrona ao anatin’ny « inter-syndical », ka hisy ny fihaonana hataon’ny mpiasa eny amin’ny sekoly Sainte Famille Mahamasina ny sabotsy izao.

Hamaky ny tohiny...

Fisolokiana sy fibodoana trano sy tany Zanaka jeneraly no atidoha

13/07/2017

Misy vondron’olona manao asa fisolokiana goavana efa ho herintaona mahery izay ao amin'ny fitsarana Anosy, raha ny vaovao mivoaka.

Hamaky ny tohiny...

Harem-pirenena sarona tato ho ato Tsy misy ambadika fa tena vokatry ny asa

13/07/2017

Nanao antso amin’ireo mbola mikasa hanondrana harem-pirenena an-tsokosoko taorian’ny nahatrarana ireo vaingam-bolamena miisa 31 teny amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato

Hamaky ny tohiny...

Fiparitahan’ny fako eto an-drenivohitra Manana vahaolana ny GREEN N KOOL

13/07/2017

Fikambanana iray niorina tamin’ny taona 2016 miady amin’ny fiparitahan’ny fako eto an-drenivohitra ny Green N Kool.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Afrobasket 2017 CAN U 16 Fantatra ireo 12 lahy voafidy ho atsy Maorisy

13/07/2017

Nambaran’ny federasiona Malagasin’ny taranja basikety baolina notarihan’ny filohany Ramaroson Jean Michel,

Hamaky ny tohiny...

Edito

Mbola ho lavitra ny lalana.

13/07/2017

Ny an-daniny mangeja, ny an-kilany mandrangitra, misy koa ny miandry kendritohana, hoy ny fanehoan-kevitra iray izay mahita ny fiainantsika eto amin’izao fotoana.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Sekolim-panjakana Horarana ny fanaovana “cours”

13/07/2017

Tao anatin’ny taona maro, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena,

Hamaky ny tohiny...

Voka-panadinana BEPC Antananarivo Nihena ho 48,04 % ny salam-pahafahana

13/07/2017

Nivoaka omaly ny voka-panadinana BEPC ho an’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo Renivohitra. Nihena ho 48,04 % izany raha nahatratra 52 % tamin’ny taon-dasa.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Minisiteran’ny kolontsaina Mikarakara tolo-tanana ho an’i Haingo Poeta

13/07/2017

Miharatsy hatrany ny toe-pahasalaman’i Haingo Poeta na Razafiharijaona Haingo Michel. Antony nanosika ny minisiteran’ny kolontsaina amin’ny

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fiofanana manamboninahitra any Frantsa Malagasy 3 no miomana hanainga

13/07/2017

Rehefa nahatontosa sy nahomby tamin’ny fifaninanana izay nataon’izy ireo ny volana martsa teo dia miomana amin’ny

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

POLITIKA

13/07/2017

Tena karohina tokoa i Barry Benson, ilay mpanakanto mpanao “slam”, izay nanao dika mitovin’ilay olona nifampiresaka tamin’ny finday tamin’i Claudine Razaimamonjy tao anatin’ny fandaharana «

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana