Fil d'actualités du 20/09/2017

  • 20/09/2017 - 15:00 : OMAVET:nanamafy indray androany ny kaominin'Antananarivo renivohitra fa zavatra tsy maintsy atao ny contre visite eny amin'ny Omavet ho an'ireo mpitatitra miasa eto an-drenivohitra.Efa nanaiky ary nanao an'io avokoa ny mpitatitra entana sy ireo koperativa mpitatitra fa ny Taxi sasany ihany no mitsivalana aminy

  • 20/09/2017 - 11:30 : Diplaoma hosoka:ny tambazotran-tserasera toy ny facebook no ampiasain'ireo olona mpanao diplaoma sandoka mba hitadiavana mpividy.Ao no mandeha ny fifampiraharahana rehetra ary alefa amin'ny finday ny vola.Efa nisy ny olona voasambotra nanao ity asa ratsy ity saingy toa vao miha miroborobo ilay izy.

  • 20/09/2017 - 10:15 : Raharaha BNI:nampidirina am-ponja vonjimaika omaly hariva rehefa avy nohadihadiana teo anivon'ny fampanoavana tetsy amin'ny fitsarana Anosy i Yves Rivofanantenana izay voalaza fa nangalatra vola mitentina 440 tapitrisa Ar tao amin'ny BNI Tsimbazaza.

  • 20/09/2017 - 10:05 : Toetr'andro:ao anatin'ny manasara-taona ny toetr'andro eto Madagasikara amin'izao fotoana.Amin'ny volana novambra no manomboka ny fahavaratra raha ny fanazavan'ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr'andro eny Ampandrianomby.

  • 20/09/2017 - 09:05 : Taxi-ville:milaza ireo mpamily taxi sasany fa manahy izy ireo hoe fanoloana fiara vaovao no ao ambadiky famindrana ny fanaovana contre visite eny amin'ny Omavet.Ny fiara taloha ihany aloha no ampiasainay satria tsy mbola manam-bola hividianana fiara vaovao izahay, ny lalana rahateo maro no ratsy ka tsy ho zakan'ireo fiara vaovao misy ankehitriny, hoy izy ireo.

  • 20/09/2017 - 09:00 : ANRE:efa mandeha avokoa ireo tranokala sy pejin'ny governemanta satria niverina niasa ny mpiasan'ny ANRE.

  • 20/09/2017 - 08:40 : Taxi:nanorisory ny mponin'Antananarivo renivohitra tamin'ny ankapobeny ny fitokonan'ireo Taxi mivondrona ao amin'ny FTAR omaly satria sady nanembatsembana ny fifamoivoizana no tsapa ihany hoe misy ambadika politika hanaratsiana endrika ny mpitantana ny kaominina.

  • 20/09/2017 - 08:35 : Horohoron-tany:nitrangana horohoron-tany mahery vaika manana tanjaka 7,1 amin'ny maridrefin'i Richter tany Mexique omaly.Am-polony ny trano goavambe nirodana,maherin'ny 225 hatreto no fantatra fa namoy ny ainy ary mbola mitohy ny asa famonjena ireto olona mety tototry ny trano nianjera.Vao tapabolana lasa izay no nitrangana horohoron-tany nahafatesana olona an-jatony tany an-toerana.

  • 19/09/2017 - 12:30 : Taxi:afaka nitokona an-kalalahana androany ireo taxi-ville tsy mankasitraka ny hanaovana ny contre visite eny amin'ny Omavet.Tsikaritra fa maro be ny Taxi niasa raha toa ka manodidina ny 100 ireo nitokona.

  • 19/09/2017 - 12:00 : Fandriampahalemana:vovoka fanamboarana bala antsoina hoe Chlorate de sodium 210 kg no tra-tehaky ny zandary tany Betroka.Amidy 10 000 ariary ny 1 kapoaka "madco" aminy izay ahavitana bala 70 isa.Olona 5 no nosamborina ary mbola mitohy ny fikarohana.

Voir plus d'infos...

20/09/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170711

Misongadina

Fidinana an-dalambe Hosamborin’ny fanjakana Ravalo ?

11/07/2017

Totoafo omaly ny fanakianan’ireo olon’ny fitondrana ny hetsiky ny TIM ny sabotsy lasa teo ary tena nahazo ny anajarany araka ny fomba fiteny mihitsy i Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Pr Raymond Ranjeva Ambonin’ny didim-pitondrana ny didim-pitsarana

11/07/2017

Tsy mazava amin’ny olom-pirenena hatramin’izao ny fihetsiky ny fitondrana foibe nanakana ny lanonam-panokafana ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-15 taona niorenan’ny antoko Tiako I Madagasikara teny amin’ny kianjamben’i Mahamasina ny 8 jolay lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Manoro Regis « Mampanahy raha izao no hanaovana fifidianana ! »

11/07/2017

Elaela no tsy nahenoana intsony ny minisitry ny fanabeazana teo aloha sady mpikamban’ny antoko UNDD, Manoro Regis, naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Mahafaritsy Samuel Razakanirina Tsy mangaraharaha ny fitantanan’ny HVM

11/07/2017

Tsy mahagaga raha mitaraina amin’ny fijaliana sy fahasahiranana mianjady aminy ny mpiray tanindrazana, hoy ny filohan’ny antoko Malagasy Iray Mahafaritsy Samuel Razakanirina.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Feno ny kapoakan’ny SMM Manomboka anio indray ny fitokonana

11/07/2017

Hiroso amin’ny fitokonana manomboka anio talata 11 jolay ka hatramin’ny 18 jolay ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM).

Hamaky ny tohiny...

ENS Ampefiloha Notolorana mari-pankasitrahana ireo mpampianatra mihoatra ny 70 taona

11/07/2017

Nisokatra omaly tetsy amin’ny sekoly ambony ENS ny andiany faharoa amin’ny herinandron’ity sekoly ity.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Razanatovo Lucien René Hampandroso ny taranja rugby Malagasy no tanjona

11/07/2017

Nanaiky ny hotendrena ho “Directeur de Compétition” eo anivon’ny Federasiona Malagasin’ny taranja rugby à XV ankehitriny ny tenako, hoy Atoa Razanatovo Lucien René na i Néné.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Iza no vonon-kihavana ?

11/07/2017

Iza no vonon-kihavana ? Heverina fa izay no fintin’ny fanontaniana nipetraka tao an-dohan’ny filoham-pirenena teo aloha raha namaly izany ka nilaza fa tsy fotoana ny

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Air Madagascar Mpitatitra ofisialin’ny « Festival des Baleines »

11/07/2017

Tanterahana any amin’ny nosy sainte Marie nanomboka ny 9 ka hifarana ny 16 jolay ho avy izao ny Festival des Baleines andiany faha-3 izay karakarain’ny Cetamada.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

ENS Ampefiloha Hampita ny «esprit normalien» amin’ny fiarahamonina

11/07/2017

Efa miravona ankehitriny ny disadisa nitranga tao amin’ity ivontoerana fampianarana ambony ity, hoy ny talen’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) ny profesora Andriambelimanana Henriette.

Hamaky ny tohiny...

CNTEMAD Efa vonona ny boky amin’ny fanadinana enim-bolana faharoa

11/07/2017

Niteraka fanaratsiana ny sekoly ambony CNTEMAD teo ny tsy fahavitan’ny boky mialoha ny hanatanterahan’ny mpianatra ny fanadinana enim-bolana voalohany.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Firodanan’ny fonjan’Antsohihy Tafakatra 8 ny maty

11/07/2017

Tafakatra 8 ny olona namoy ny ainy vokatry ny firodanan’ny rindrin’ny fonjan’Antsohihy ny sabotsy 8 jolay lasa teo noho ny tsio-drivotra mahery.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

BE VAOVAO

11/07/2017

Na dia efa tena miaina ao anatin’ny hatsiaka tanteraka aza isika eto an-drenivohitra amin’izao fotoana izao dia fantatra fa hahazo vahana kokoa izany mandritra ny faran’ny herinandro izao,

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana