Fil d'actualités du 20/09/2017

  • 20/09/2017 - 15:00 : OMAVET:nanamafy indray androany ny kaominin'Antananarivo renivohitra fa zavatra tsy maintsy atao ny contre visite eny amin'ny Omavet ho an'ireo mpitatitra miasa eto an-drenivohitra.Efa nanaiky ary nanao an'io avokoa ny mpitatitra entana sy ireo koperativa mpitatitra fa ny Taxi sasany ihany no mitsivalana aminy

  • 20/09/2017 - 11:30 : Diplaoma hosoka:ny tambazotran-tserasera toy ny facebook no ampiasain'ireo olona mpanao diplaoma sandoka mba hitadiavana mpividy.Ao no mandeha ny fifampiraharahana rehetra ary alefa amin'ny finday ny vola.Efa nisy ny olona voasambotra nanao ity asa ratsy ity saingy toa vao miha miroborobo ilay izy.

  • 20/09/2017 - 10:15 : Raharaha BNI:nampidirina am-ponja vonjimaika omaly hariva rehefa avy nohadihadiana teo anivon'ny fampanoavana tetsy amin'ny fitsarana Anosy i Yves Rivofanantenana izay voalaza fa nangalatra vola mitentina 440 tapitrisa Ar tao amin'ny BNI Tsimbazaza.

  • 20/09/2017 - 10:05 : Toetr'andro:ao anatin'ny manasara-taona ny toetr'andro eto Madagasikara amin'izao fotoana.Amin'ny volana novambra no manomboka ny fahavaratra raha ny fanazavan'ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr'andro eny Ampandrianomby.

  • 20/09/2017 - 09:05 : Taxi-ville:milaza ireo mpamily taxi sasany fa manahy izy ireo hoe fanoloana fiara vaovao no ao ambadiky famindrana ny fanaovana contre visite eny amin'ny Omavet.Ny fiara taloha ihany aloha no ampiasainay satria tsy mbola manam-bola hividianana fiara vaovao izahay, ny lalana rahateo maro no ratsy ka tsy ho zakan'ireo fiara vaovao misy ankehitriny, hoy izy ireo.

  • 20/09/2017 - 09:00 : ANRE:efa mandeha avokoa ireo tranokala sy pejin'ny governemanta satria niverina niasa ny mpiasan'ny ANRE.

  • 20/09/2017 - 08:40 : Taxi:nanorisory ny mponin'Antananarivo renivohitra tamin'ny ankapobeny ny fitokonan'ireo Taxi mivondrona ao amin'ny FTAR omaly satria sady nanembatsembana ny fifamoivoizana no tsapa ihany hoe misy ambadika politika hanaratsiana endrika ny mpitantana ny kaominina.

  • 20/09/2017 - 08:35 : Horohoron-tany:nitrangana horohoron-tany mahery vaika manana tanjaka 7,1 amin'ny maridrefin'i Richter tany Mexique omaly.Am-polony ny trano goavambe nirodana,maherin'ny 225 hatreto no fantatra fa namoy ny ainy ary mbola mitohy ny asa famonjena ireto olona mety tototry ny trano nianjera.Vao tapabolana lasa izay no nitrangana horohoron-tany nahafatesana olona an-jatony tany an-toerana.

  • 19/09/2017 - 12:30 : Taxi:afaka nitokona an-kalalahana androany ireo taxi-ville tsy mankasitraka ny hanaovana ny contre visite eny amin'ny Omavet.Tsikaritra fa maro be ny Taxi niasa raha toa ka manodidina ny 100 ireo nitokona.

  • 19/09/2017 - 12:00 : Fandriampahalemana:vovoka fanamboarana bala antsoina hoe Chlorate de sodium 210 kg no tra-tehaky ny zandary tany Betroka.Amidy 10 000 ariary ny 1 kapoaka "madco" aminy izay ahavitana bala 70 isa.Olona 5 no nosamborina ary mbola mitohy ny fikarohana.

Voir plus d'infos...

20/09/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170701

Misongadina

Fifidianana 2018 Filoha 3 ahilika…

01/07/2017

Efa samy mikajy ny fifidianana 2018 ny mpanao politika eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao ka na ny mpitondra ankehitriny aza dia efa manana ny kajiny.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fetim-pirenena Amerikanina Tsy natrehan’ny praiminisitra

01/07/2017

Nomarihina omaly zoma 30 jona teny amin’ny trano fonenan’ny Masoivoho Amerikanina Robert T. Yamate teny Ambaranjana ny faha-241 taona nahazoan’i Etazonia ny fahaleovantenany ho an’ny fanamarihana eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Atahoran’ny fanjakana mafy

01/07/2017

Miha mitombina ny hanakanana an’i Marc Ravalomanana tsy ho kandida amin’ny taona 2018.

Hamaky ny tohiny...

Kohen Rivolala « Tokony ho mpanolotsain’ny filoha aho »

01/07/2017

Efa novoizin’i Kohen Rivolala, mpanorina ny fivavahana Hebraika Judaisme eto Madagasikara sady mpitsabo amin’ny alalan’ny fomba ara-kabalistika « tik tak do » fa ny Malagasy dia taranaka Hebreo,

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Voarara ny fanondranana Hasiana “puce électronique” ny omby

01/07/2017

Nihena ny isan’ny omby eto amintsika ankehitriny. Toe-javatra mahatonga azy io ny firongatry ny halatra omby.

Hamaky ny tohiny...

Tamberin’andraikitra sa valim-babena ?

01/07/2017

Sarotra raisina ary tsy fantatry ny olom-pirenena loatra, hoy ny tompon’andraikitra mpanao fanentanana iray mikasika azy ity omaly ny dikan’ny tamberin’andraikitra ary anisan’ny tsikera efa

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo sy ny manodidina Nizara bodofotsy 1000 ny STAR

01/07/2017

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

FANEDUCATION AGENCY Mitohy ny fandefasana mpianatra any ivelany

01/07/2017

Ivontoerana iray manohana sy manampy ireo ankizy manana ny mari-pahaizana Bakalôrea maniry ny hanohy fianarana any ivelany ny “Faneducaton agency” eny Antsahavola.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Mpiasan’ny ladoany Niato aloha ny fitokonana

01/07/2017

Tapaka taorian’ny fivorimben’ny mpiasan’ny fadin-tseranana, fa nitsahatra nanomboka omaly ny fitokonan’ny mpiasan’ny ladoany, mba hitsinjovana ireo mpandraharaha,

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Eccova Antananarivo Namoaka mpianatra 270 mianadahy

01/07/2017

Hanao ranolava ny famoahana mpianatra eo anivon’ny ECCOVA manerana ny Nosy tato ho ato.

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena Nanda faninefany ny fanasan’ny CCOI

01/07/2017

Tsy tontosa indray ny fanazavana amin’ny besinimaro mikasika ilay rafi-pampianarana vaovao (PSE) kasaina hampiharina amin’ity taom-pianarana vaovao ho avy ity izay saika hiarahana

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

TRANGAM-PIARAHAMONINA

01/07/2017

Nitrangana vaovao hafahafa tany amin’ny distrikan’i Morombe, andro vitsivitsy lasa izay. Mandeha mantsy ny feo fa misy andian’olona tonga manapaka ny filahian’ireo zazalahy kely tsy voafora any an-toerana ka mirohotra manatona tobim-pitsaboana avokoa ny renim-pianakaviana rehetra.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana