Fil d'actualités du 20/09/2017

  • 20/09/2017 - 15:00 : OMAVET:nanamafy indray androany ny kaominin'Antananarivo renivohitra fa zavatra tsy maintsy atao ny contre visite eny amin'ny Omavet ho an'ireo mpitatitra miasa eto an-drenivohitra.Efa nanaiky ary nanao an'io avokoa ny mpitatitra entana sy ireo koperativa mpitatitra fa ny Taxi sasany ihany no mitsivalana aminy

  • 20/09/2017 - 11:30 : Diplaoma hosoka:ny tambazotran-tserasera toy ny facebook no ampiasain'ireo olona mpanao diplaoma sandoka mba hitadiavana mpividy.Ao no mandeha ny fifampiraharahana rehetra ary alefa amin'ny finday ny vola.Efa nisy ny olona voasambotra nanao ity asa ratsy ity saingy toa vao miha miroborobo ilay izy.

  • 20/09/2017 - 10:15 : Raharaha BNI:nampidirina am-ponja vonjimaika omaly hariva rehefa avy nohadihadiana teo anivon'ny fampanoavana tetsy amin'ny fitsarana Anosy i Yves Rivofanantenana izay voalaza fa nangalatra vola mitentina 440 tapitrisa Ar tao amin'ny BNI Tsimbazaza.

  • 20/09/2017 - 10:05 : Toetr'andro:ao anatin'ny manasara-taona ny toetr'andro eto Madagasikara amin'izao fotoana.Amin'ny volana novambra no manomboka ny fahavaratra raha ny fanazavan'ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr'andro eny Ampandrianomby.

  • 20/09/2017 - 09:05 : Taxi-ville:milaza ireo mpamily taxi sasany fa manahy izy ireo hoe fanoloana fiara vaovao no ao ambadiky famindrana ny fanaovana contre visite eny amin'ny Omavet.Ny fiara taloha ihany aloha no ampiasainay satria tsy mbola manam-bola hividianana fiara vaovao izahay, ny lalana rahateo maro no ratsy ka tsy ho zakan'ireo fiara vaovao misy ankehitriny, hoy izy ireo.

  • 20/09/2017 - 09:00 : ANRE:efa mandeha avokoa ireo tranokala sy pejin'ny governemanta satria niverina niasa ny mpiasan'ny ANRE.

  • 20/09/2017 - 08:40 : Taxi:nanorisory ny mponin'Antananarivo renivohitra tamin'ny ankapobeny ny fitokonan'ireo Taxi mivondrona ao amin'ny FTAR omaly satria sady nanembatsembana ny fifamoivoizana no tsapa ihany hoe misy ambadika politika hanaratsiana endrika ny mpitantana ny kaominina.

  • 20/09/2017 - 08:35 : Horohoron-tany:nitrangana horohoron-tany mahery vaika manana tanjaka 7,1 amin'ny maridrefin'i Richter tany Mexique omaly.Am-polony ny trano goavambe nirodana,maherin'ny 225 hatreto no fantatra fa namoy ny ainy ary mbola mitohy ny asa famonjena ireto olona mety tototry ny trano nianjera.Vao tapabolana lasa izay no nitrangana horohoron-tany nahafatesana olona an-jatony tany an-toerana.

  • 19/09/2017 - 12:30 : Taxi:afaka nitokona an-kalalahana androany ireo taxi-ville tsy mankasitraka ny hanaovana ny contre visite eny amin'ny Omavet.Tsikaritra fa maro be ny Taxi niasa raha toa ka manodidina ny 100 ireo nitokona.

  • 19/09/2017 - 12:00 : Fandriampahalemana:vovoka fanamboarana bala antsoina hoe Chlorate de sodium 210 kg no tra-tehaky ny zandary tany Betroka.Amidy 10 000 ariary ny 1 kapoaka "madco" aminy izay ahavitana bala 70 isa.Olona 5 no nosamborina ary mbola mitohy ny fikarohana.

Voir plus d'infos...

20/09/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170629

Misongadina

Minisiteran’ny Fizahantany Nisy nikasa hamono i Roland Ratsiraka ?

29/06/2017

Omaly alarobia 28 jona tokony ho tamin’ny 9 ora maraina no nahitan’ny mpiambina tanàna eo anivon’ny minisiteran’ny fizahantany eny Tsimbazaza grenady, teo amin’ny toerana fametrahan’ny minisitra Roland Ratsiraka ny fiarany.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Andry Rajoelina Nasain’ny TIM ho eny Mahamasina

29/06/2017

Antomotra ny 8 jolay, fotoana hanatanterahan’ny Tiako I Madagasikara (TIM) ny fihaonambe hanamarihana ny faha-15 taona nijoroan’ity antoko naorin’i Marc Ravalomanana ity.

Hamaky ny tohiny...

Rakotomanana Hery “Tsy mpangala-bato ny CENI”

29/06/2017

Nifamotoana tamin’ny fianakaviamben’ny antoko politika indray ny CENI (Commission Electorale Nationale Indépendante) teny amin’ny foiben-toerany Alarobia, omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fotoam-piasan’ny filoha Ilaina faranana milamina, hoy Rajaonarivelo

29/06/2017

Naneho hevitra mikasika ny fahitany ny raharaham-pirenena ankehitriny, indrindra ny mety ho tohin’ny tantaram-pirenena taorian’ny fankalazana ny faha-57

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Mojize Mohamed ao Toamasina Azo tazonina amin’ny teniny ny filoham-pirenena

29/06/2017

Ny talata 27 jona lasa teo no tokony hiakatra fitsarana tao Toamasina ny raharaha mahakasika ny fikasihan-tanana niniana nataon'ingahy Mojize Mohamed tamin’ny olona iray.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Voadingana i Jeanne.

29/06/2017

Miarahaba aho ry Jean ! Hono aho rangahy ity, fa maninona kosa no voadingana foana i Jeanne rehefa mba misy miteniteny azy any ambadika any e ?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Tanànan’ Antananarivo sy Nice-Frantsa Havadika asa ny maha mpirahavavy

29/06/2017

Homena aina vao ny maha mpirahavavy ny tanànan’Antananarivo sy Nice any Frantsa izay somary natoritory teo aloha. Hiditra amin’ny lalindalina kokoa ny fiaraha-miasan’ny tanàna roa tonta.

Hamaky ny tohiny...

Fanondranana olona sy fanararaotana ara-nofo Nokianin’ny Amerikanina ny mpitondra eto

29/06/2017

Nivoaka ny tatitry ny Amerikanina momba ny resaka fanondranana olona an-tsokosoko, izay tena vely kanonta ho an’ny fanjakana sy ny mpitondra eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Sendikan’ny Mpitsara Mampitandrina ny fanjakana

29/06/2017

Taorian’ny fivoriambe tsy ara-potoana notanterahiny omaly teto Antanananarivo,

Hamaky ny tohiny...

ONG Dago Green Hikarakara fifaninanana momba ny fanodinana fako

29/06/2017

Ny loto, ny fiparitahan’ny fako etsy sy eroa amin’ny ankapobeny no tena manimba ny tontolo iainana eto amintsika izay zary misy fiantraikany goavana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Hamaky ny tohiny...

Fihainoana ny feon’ny mpanjifa Olona enina notoloran’ny Vivo Energy loka

29/06/2017

Olona enina no notoloran’ny Vivo Energy loka omaly nandritra ilay hetsika nokarakarainy momba ny fihainoana ny feon’ny mpanjifa mikasika ireo tobim-pivarotan-tsolika Shell misy eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Zokiolona sy olona sahirana ao Ankazomanga Notoloran’ny Airtel sakafo sy fanampiana

29/06/2017

Tsy nanadino ireo olona sahirana ara-pivelomana sy marefo ny orinasam-pifandraisana Airtel rehefa fetin’ny Asramanitra tahaka izao.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Mitohy ny fahazarana

29/06/2017

« sinema indray ! » raha nisy iny garana voatr’olombelona lany daty tsy nipoaka nanoloana ny minisiteran’ny fizahantany omaly iny.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Mpianatry ny oniversiten’Ambondrona Mandrahona ny hidina an-dalambe

29/06/2017

Taorian’ny fahatrarana lehilahy iray 30 taona tao amin’ny faritry ny oniversiten’Ambondrona,

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Haitarika momba ny fahasalamana Hampiharina hatrany an-tokantrano

29/06/2017

Taorian’ny fanadihadiana nizahana izay faritra ahitana taha ambony amin’ny resaka fahafatesan’ny reny sy ny zaza natao tany amin’ny faritra Matsiatra ambony sy atsinanana ary

Hamaky ny tohiny...

KIS Madagascar sy ny minisiteran’ny fahasalamana Hanatanteraka fizaham-pahasalamana maimaimpoana

29/06/2017

Tsy manana fahafahana ny hitsabo tena intsony ny ankamaroan’ny olona ankehitriny, noho ny hasarotan’ny fiainana.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Mivoatra hatrany ny ECCOVA Mpianatra 400 mianadahy indray no nahavita fianarana

29/06/2017

Fahombiazana tanteraka ho an’ny “Ecole de Coupe et Couture Volana” ny fanadinam-panjakana natrehin’ireo mpianany manerana ny Nosy,

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Zandarimariam-pirenena Henjana ny fanadiovana

29/06/2017

Zandary miisa 2 teto amin’ny faritra Analamanga no noroahina vokatry ny tsy fanarahan-dalàna tao anatin'ny 6 volana voalohan'ity taona 2017 ity.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

FAMPIANARANA

29/06/2017

Tsy maintsy hivoaka amin’ity herinandro ity avokoa ny voka-panadinana CEPE manerana ny Nosy. Lohalaharana amin’izany ireo faritra tsy namoaka toy ny any Fianarantsoa

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana