Fil d'actualités du 20/09/2017

  • 20/09/2017 - 15:00 : OMAVET:nanamafy indray androany ny kaominin'Antananarivo renivohitra fa zavatra tsy maintsy atao ny contre visite eny amin'ny Omavet ho an'ireo mpitatitra miasa eto an-drenivohitra.Efa nanaiky ary nanao an'io avokoa ny mpitatitra entana sy ireo koperativa mpitatitra fa ny Taxi sasany ihany no mitsivalana aminy

  • 20/09/2017 - 11:30 : Diplaoma hosoka:ny tambazotran-tserasera toy ny facebook no ampiasain'ireo olona mpanao diplaoma sandoka mba hitadiavana mpividy.Ao no mandeha ny fifampiraharahana rehetra ary alefa amin'ny finday ny vola.Efa nisy ny olona voasambotra nanao ity asa ratsy ity saingy toa vao miha miroborobo ilay izy.

  • 20/09/2017 - 10:15 : Raharaha BNI:nampidirina am-ponja vonjimaika omaly hariva rehefa avy nohadihadiana teo anivon'ny fampanoavana tetsy amin'ny fitsarana Anosy i Yves Rivofanantenana izay voalaza fa nangalatra vola mitentina 440 tapitrisa Ar tao amin'ny BNI Tsimbazaza.

  • 20/09/2017 - 10:05 : Toetr'andro:ao anatin'ny manasara-taona ny toetr'andro eto Madagasikara amin'izao fotoana.Amin'ny volana novambra no manomboka ny fahavaratra raha ny fanazavan'ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr'andro eny Ampandrianomby.

  • 20/09/2017 - 09:05 : Taxi-ville:milaza ireo mpamily taxi sasany fa manahy izy ireo hoe fanoloana fiara vaovao no ao ambadiky famindrana ny fanaovana contre visite eny amin'ny Omavet.Ny fiara taloha ihany aloha no ampiasainay satria tsy mbola manam-bola hividianana fiara vaovao izahay, ny lalana rahateo maro no ratsy ka tsy ho zakan'ireo fiara vaovao misy ankehitriny, hoy izy ireo.

  • 20/09/2017 - 09:00 : ANRE:efa mandeha avokoa ireo tranokala sy pejin'ny governemanta satria niverina niasa ny mpiasan'ny ANRE.

  • 20/09/2017 - 08:40 : Taxi:nanorisory ny mponin'Antananarivo renivohitra tamin'ny ankapobeny ny fitokonan'ireo Taxi mivondrona ao amin'ny FTAR omaly satria sady nanembatsembana ny fifamoivoizana no tsapa ihany hoe misy ambadika politika hanaratsiana endrika ny mpitantana ny kaominina.

  • 20/09/2017 - 08:35 : Horohoron-tany:nitrangana horohoron-tany mahery vaika manana tanjaka 7,1 amin'ny maridrefin'i Richter tany Mexique omaly.Am-polony ny trano goavambe nirodana,maherin'ny 225 hatreto no fantatra fa namoy ny ainy ary mbola mitohy ny asa famonjena ireto olona mety tototry ny trano nianjera.Vao tapabolana lasa izay no nitrangana horohoron-tany nahafatesana olona an-jatony tany an-toerana.

  • 19/09/2017 - 12:30 : Taxi:afaka nitokona an-kalalahana androany ireo taxi-ville tsy mankasitraka ny hanaovana ny contre visite eny amin'ny Omavet.Tsikaritra fa maro be ny Taxi niasa raha toa ka manodidina ny 100 ireo nitokona.

  • 19/09/2017 - 12:00 : Fandriampahalemana:vovoka fanamboarana bala antsoina hoe Chlorate de sodium 210 kg no tra-tehaky ny zandary tany Betroka.Amidy 10 000 ariary ny 1 kapoaka "madco" aminy izay ahavitana bala 70 isa.Olona 5 no nosamborina ary mbola mitohy ny fikarohana.

Voir plus d'infos...

20/09/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170620

Misongadina

Soanierana Ivongo Nifamono ny sekta sy ny mponina

20/06/2017

Nisavorovoro ny tany Soanierana Ivongo omaly alatsinainy 19 jona.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Olom-pirenena ankehitriny Te hampandini-tena mpitondra, hoy ny VAMI

20/06/2017

Te hampandini-tena ny mpitondra ankehitriny ireo olom-pirenena tsy manangan-tsaina, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko VAMI (VAhoaka MIray),

Hamaky ny tohiny...

Antoko TIM Manentana ireo mpikambana ifotony

20/06/2017

Mihetsiketsika fatratra ny sampana antoko TIM manerana ny nosy amin’ny fanentanana ny mpikambana ao aminy ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Governemanta Mikaon-doha any Toliara

20/06/2017

Tonga tao Toliara ny tolakandron’ny alatsinainy 19 jona 2017 ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier sy ireo mpikambana ao amin’ny governemanta hanatrika ny filankevitry ny minisitra mitety faritra andiany fahatelo izay tarihin’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina hatao rahampitso alarobia 21 jona.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Mampijaly zaza

20/06/2017

Miarahaba ry Jean a ! Dia ho tahaka izao foana ve ny fiainanao sy itondranao ity revy ity ? Fa maninona raha tonga dia omena an’io zaza io izay tena ilainy fa tsy tapi-maso sy tampim-bava lava izao ?

Hamaky ny tohiny...

Taratasin’i Jean Mampijaly zaza

20/06/2017

Miarahaba ry Jean a ! Dia ho tahaka izao foana ve ny fiainanao sy itondranao ity revy ity ? Fa maninona raha tonga dia omena an’io zaza io izay tena ilainy fa tsy tapi-maso sy tampim-bava lava izao ?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fitondran-dRajaonarimampianina Tambazan’ny Sinoa amin’ny vary

20/06/2017

Noraisina tany amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina omaly alatsinainy 19 jona ny vary milanja 3100 taonina avy amin’ny governemanta sinoa, izay tonga indroa miantoana ny herinandro teo.

Hamaky ny tohiny...

Hotsaraina anio Ramaroson Hafahana sa halentika ?

20/06/2017

Hiverina hiakatra fitsarana anio 20 jona i Alain Ramaroson rehefa nandamoka ny raharaham-pitsarana azy ny 6 jona lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

FLM Ambano –Antsirabe II Misedra olana tanteraka

20/06/2017

Misedra olana ny fiangonana Loterana ao amin’ny Synodam-paritany Avaratr’i Mania ary raikitra ny fitokonana.

Hamaky ny tohiny...

Antoko mpihira Taratry ny Mazava Hanatanteraka seho ao amin’ny FJKM Anjohy

20/06/2017

Taorian’ilay fampisehoana goavana nanamarihan’ny antoko mpihira Taratry ny Mazava eo anivon’ny fiangonana FJKM Ambohidanerana ny voka-dehibe tetsy amin’ny Sainte Famille Mahamasina farany teo dia fantatra fa hanatontosa fampisehoana ao amin’ny FJKM Anjohy indray izy ireo ny 02 jolay ho avy izao.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Lasa anjely tampoka !

20/06/2017

Manadio tena fatratra manoloana ny tsy fahafehezana ny firenena sy ny famotehana natao ny fanjakana Rajaonarimampianina.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

400 000 Ar ny saram-pisoratana anarana Nigrevy ny mpianatry ny ENS

20/06/2017

Nitokona ny mpianatra teny amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha omaly, ka raikitra ny fanakanan-dalana sy fandorana kodiarana teny an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Rija Rasolondraibe sy ny Mission SOS Hanafana eny Alarobia mandritra ny 4 andro

20/06/2017

« Famantarana sy fahagagana » no lohatenin’ny hetsika iarahan’ireo misionera miisa 300 avy amina firenena 25 sy ireo mpihira ara-pilazantsara vitsivitsy toa an-dry Rija

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana