Fil d'actualités du 20/09/2017

  • 20/09/2017 - 15:00 : OMAVET:nanamafy indray androany ny kaominin'Antananarivo renivohitra fa zavatra tsy maintsy atao ny contre visite eny amin'ny Omavet ho an'ireo mpitatitra miasa eto an-drenivohitra.Efa nanaiky ary nanao an'io avokoa ny mpitatitra entana sy ireo koperativa mpitatitra fa ny Taxi sasany ihany no mitsivalana aminy

  • 20/09/2017 - 11:30 : Diplaoma hosoka:ny tambazotran-tserasera toy ny facebook no ampiasain'ireo olona mpanao diplaoma sandoka mba hitadiavana mpividy.Ao no mandeha ny fifampiraharahana rehetra ary alefa amin'ny finday ny vola.Efa nisy ny olona voasambotra nanao ity asa ratsy ity saingy toa vao miha miroborobo ilay izy.

  • 20/09/2017 - 10:15 : Raharaha BNI:nampidirina am-ponja vonjimaika omaly hariva rehefa avy nohadihadiana teo anivon'ny fampanoavana tetsy amin'ny fitsarana Anosy i Yves Rivofanantenana izay voalaza fa nangalatra vola mitentina 440 tapitrisa Ar tao amin'ny BNI Tsimbazaza.

  • 20/09/2017 - 10:05 : Toetr'andro:ao anatin'ny manasara-taona ny toetr'andro eto Madagasikara amin'izao fotoana.Amin'ny volana novambra no manomboka ny fahavaratra raha ny fanazavan'ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr'andro eny Ampandrianomby.

  • 20/09/2017 - 09:05 : Taxi-ville:milaza ireo mpamily taxi sasany fa manahy izy ireo hoe fanoloana fiara vaovao no ao ambadiky famindrana ny fanaovana contre visite eny amin'ny Omavet.Ny fiara taloha ihany aloha no ampiasainay satria tsy mbola manam-bola hividianana fiara vaovao izahay, ny lalana rahateo maro no ratsy ka tsy ho zakan'ireo fiara vaovao misy ankehitriny, hoy izy ireo.

  • 20/09/2017 - 09:00 : ANRE:efa mandeha avokoa ireo tranokala sy pejin'ny governemanta satria niverina niasa ny mpiasan'ny ANRE.

  • 20/09/2017 - 08:40 : Taxi:nanorisory ny mponin'Antananarivo renivohitra tamin'ny ankapobeny ny fitokonan'ireo Taxi mivondrona ao amin'ny FTAR omaly satria sady nanembatsembana ny fifamoivoizana no tsapa ihany hoe misy ambadika politika hanaratsiana endrika ny mpitantana ny kaominina.

  • 20/09/2017 - 08:35 : Horohoron-tany:nitrangana horohoron-tany mahery vaika manana tanjaka 7,1 amin'ny maridrefin'i Richter tany Mexique omaly.Am-polony ny trano goavambe nirodana,maherin'ny 225 hatreto no fantatra fa namoy ny ainy ary mbola mitohy ny asa famonjena ireto olona mety tototry ny trano nianjera.Vao tapabolana lasa izay no nitrangana horohoron-tany nahafatesana olona an-jatony tany an-toerana.

  • 19/09/2017 - 12:30 : Taxi:afaka nitokona an-kalalahana androany ireo taxi-ville tsy mankasitraka ny hanaovana ny contre visite eny amin'ny Omavet.Tsikaritra fa maro be ny Taxi niasa raha toa ka manodidina ny 100 ireo nitokona.

  • 19/09/2017 - 12:00 : Fandriampahalemana:vovoka fanamboarana bala antsoina hoe Chlorate de sodium 210 kg no tra-tehaky ny zandary tany Betroka.Amidy 10 000 ariary ny 1 kapoaka "madco" aminy izay ahavitana bala 70 isa.Olona 5 no nosamborina ary mbola mitohy ny fikarohana.

Voir plus d'infos...

20/09/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170617

Misongadina

Kidnapping Karana Misy ifandraisany amin’ny fifidianana ?

17/06/2017

Votsotra ny alakamisy lasa teo ilay teratany karana Pradeep Chandarana, nisy naka an-keriny teny Behoririka ny alarobia 7 jona teo. Tsy fantatra mazava izay fepetra sy fifanarahan'ny fianakaviany sy ireo mpaka an-keriny ka nahavotsotra azy.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fitondrana Rajaonarimampianina Mila ranondranony amin’i Afrika atsimo

17/06/2017

Samy resy lahatra ny filoha Afrikanina tatsimo Jacob Zuma sy ny filoha Malagasy Hery Rajaonarimampianina fa manana anjara toerana goavana amin’ny fampandrosoana ny firenena ny sehatra tsy miankina.

Hamaky ny tohiny...

Radanoara Julien “Ravao any io governemanta io”

17/06/2017

Tsy lasa intsony izao ary tsy hiandry ho faty ny vahoaka Malagasy vao hihetsika, hoy ny mpahay fifandraisana iraisam-pirenena Radanoara Julien.

Hamaky ny tohiny...

Depiote Brunel Razafitsiandraofa “Fanapahan-kevitra mamotika no misy eto”

17/06/2017

Ny fitondrana ankapobeny mihitsy no tsy misy ilana azy intsony ary tsy mamaly ny filan’ny vahoaka, fa ny vahiny no harovana eto, hoy ny solombavambahoaka voafidy tany Ikongo,

Hamaky ny tohiny...

Olom-pirenena ankehitriny Te hampandini-tena mpitondra, hoy ny VAMI

17/06/2017

Te hampandini-tena ny mpitondra ankehitriny ireo olom-pirenena tsy manangan-tsaina, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko VAMI (VAhoaka MIray), Gaby Vakiniadiana, raha naneho ny heviny mikasika ny antony mahavitsy ireo sainam-pirenena mitsangana isan-tokantrano amin’izao fotoana.

Hamaky ny tohiny...

Leader Fanilo mpanohitra Miantso ny vahoaka hitroatra

17/06/2017

Nampahafantarin’ny antoko Leader Fanilo elatra Rabesa Zafera Antoine tetsy Antaninandro omaly fa nanapa-kevitra ny hiditra ao anatin’ilay

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Iza ary no hihaino eo ?

17/06/2017

Miarahaba Jean a ! Midera ny fahasahianao omaly aloha izahay fa dingana lehibe iny vitanao iny e ! Tena efa avo be mihitsy anie le antsonareo teo e ! Izahay indray ity no raiki-tahotra.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

KMF/CNOE Manakiana mafy ny foloalindahy

17/06/2017

Henjana ny fanehoan-kevitry ny Firaisamonim-pirenena KMF/CNOE miantefa amin’ny mpitandro ny filaminana. “Mbola mitana ny andraikitra napetraky ny lalàna taminy ve ireo foloalindahy ?”, hoy izy ireo.

Hamaky ny tohiny...

Lalao Ravalomanana Ho any Canada

17/06/2017

Hihazo an’i Montréal Canada anio, ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana, hamonjy ny kongresin’ny Ben’ny tanàna mivondrona eo anivon’ny fikambanana iraisam-pirenenan’ireo Ben’ny tanàna amin’ny firenena miteny frantsay, izay hotanterahina ny 19-22 jona ho avy izao. Ho eto an-toerana ve ny Ben’ny tanàna amin’ny 26 jona hankalaza ny faha 57 taonan’ny fahaleovantenam- pirenena ?

Hamaky ny tohiny...

Rakotomanana Honoré Nihaona tamin’ny solontenan’ny FNUAP

17/06/2017

Hamaky ny tohiny...

Boriborintany Fahenina Tsy hatao tompon-trano mihono ny vahoaka

17/06/2017

Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly teny Ambohimanarina, haharitra roa andro, ilay hetsika varavarana misokatra karakarain’ny Boriborintany fahenina, entina hampahafantarana ny faritra misy azy.

Hamaky ny tohiny...

Rotary Club Antananarivo Doyen Nanome kopia ankizy 2500

17/06/2017

Mitohy hatrany ny hetsika tanterahin’ny Fikambanana Rotary Club Antananarivo Doyen amin’ny fanomezana kopia mari-pahaterahana ireo ankizy tsy mbola manana eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Misavoamboana !

17/06/2017

Tsy misy sori-dalana sy paikady ary tanjona mazava intsony ny fitantanana ny firenena fa mandeha ho azy.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana