Fil d'actualités du 20/09/2017

  • 20/09/2017 - 15:00 : OMAVET:nanamafy indray androany ny kaominin'Antananarivo renivohitra fa zavatra tsy maintsy atao ny contre visite eny amin'ny Omavet ho an'ireo mpitatitra miasa eto an-drenivohitra.Efa nanaiky ary nanao an'io avokoa ny mpitatitra entana sy ireo koperativa mpitatitra fa ny Taxi sasany ihany no mitsivalana aminy

  • 20/09/2017 - 11:30 : Diplaoma hosoka:ny tambazotran-tserasera toy ny facebook no ampiasain'ireo olona mpanao diplaoma sandoka mba hitadiavana mpividy.Ao no mandeha ny fifampiraharahana rehetra ary alefa amin'ny finday ny vola.Efa nisy ny olona voasambotra nanao ity asa ratsy ity saingy toa vao miha miroborobo ilay izy.

  • 20/09/2017 - 10:15 : Raharaha BNI:nampidirina am-ponja vonjimaika omaly hariva rehefa avy nohadihadiana teo anivon'ny fampanoavana tetsy amin'ny fitsarana Anosy i Yves Rivofanantenana izay voalaza fa nangalatra vola mitentina 440 tapitrisa Ar tao amin'ny BNI Tsimbazaza.

  • 20/09/2017 - 10:05 : Toetr'andro:ao anatin'ny manasara-taona ny toetr'andro eto Madagasikara amin'izao fotoana.Amin'ny volana novambra no manomboka ny fahavaratra raha ny fanazavan'ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr'andro eny Ampandrianomby.

  • 20/09/2017 - 09:05 : Taxi-ville:milaza ireo mpamily taxi sasany fa manahy izy ireo hoe fanoloana fiara vaovao no ao ambadiky famindrana ny fanaovana contre visite eny amin'ny Omavet.Ny fiara taloha ihany aloha no ampiasainay satria tsy mbola manam-bola hividianana fiara vaovao izahay, ny lalana rahateo maro no ratsy ka tsy ho zakan'ireo fiara vaovao misy ankehitriny, hoy izy ireo.

  • 20/09/2017 - 09:00 : ANRE:efa mandeha avokoa ireo tranokala sy pejin'ny governemanta satria niverina niasa ny mpiasan'ny ANRE.

  • 20/09/2017 - 08:40 : Taxi:nanorisory ny mponin'Antananarivo renivohitra tamin'ny ankapobeny ny fitokonan'ireo Taxi mivondrona ao amin'ny FTAR omaly satria sady nanembatsembana ny fifamoivoizana no tsapa ihany hoe misy ambadika politika hanaratsiana endrika ny mpitantana ny kaominina.

  • 20/09/2017 - 08:35 : Horohoron-tany:nitrangana horohoron-tany mahery vaika manana tanjaka 7,1 amin'ny maridrefin'i Richter tany Mexique omaly.Am-polony ny trano goavambe nirodana,maherin'ny 225 hatreto no fantatra fa namoy ny ainy ary mbola mitohy ny asa famonjena ireto olona mety tototry ny trano nianjera.Vao tapabolana lasa izay no nitrangana horohoron-tany nahafatesana olona an-jatony tany an-toerana.

  • 19/09/2017 - 12:30 : Taxi:afaka nitokona an-kalalahana androany ireo taxi-ville tsy mankasitraka ny hanaovana ny contre visite eny amin'ny Omavet.Tsikaritra fa maro be ny Taxi niasa raha toa ka manodidina ny 100 ireo nitokona.

  • 19/09/2017 - 12:00 : Fandriampahalemana:vovoka fanamboarana bala antsoina hoe Chlorate de sodium 210 kg no tra-tehaky ny zandary tany Betroka.Amidy 10 000 ariary ny 1 kapoaka "madco" aminy izay ahavitana bala 70 isa.Olona 5 no nosamborina ary mbola mitohy ny fikarohana.

Voir plus d'infos...

20/09/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170612

Misongadina

Marc Ravalomanana “Marefo ny fanjakana”

12/06/2017

Ao anatin’ny fiomanana tanteraka amin’ny fifidianana ny antoko TIM. Ny faran’ny herinandro teo dia nanatanteraka fiofanana ho an’ireo mpikambana mpitarika teny anivon’ny distrika eran’i Vakinankaratra izy ireo tao Antsirabe.

Hamaky ny tohiny...

Politique

PM Solonandrasana Mahafaly “Hotohizana hatrany ny fiaraha-miasa amin’i Rosia”

12/06/2017

Niarahaba ny vahoakan’ny Federasiona Rosiana sy ny filohany Vladimir Poutine, noho ny fanamarihany ny tsingerin-taona niforonany, tamin’ny alalan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, ny zoma teo teny amin’ny tranon’ny masoivoho Rosiana Ivandry, ny praiminisitra Malagasy Mahafaly Solonandrasana Olivier.

Hamaky ny tohiny...

Depiote TIM boriborintany faha-6 Manampy hatrany ny tanora eny Ambohimanarina

12/06/2017

Feno hipoka ny efitrano malalaky ny Boriborintany faha-6 teny Anosisoa Ambohimanarina, ny sabotsy teo, nandray ireo ankizy niisa 200 nanaraka an’ilay « révision CEPE » nokarakarain’ny

Hamaky ny tohiny...

Fiandrianam-pirenena Mpanentana 700 mianadahy no hitety trano

12/06/2017

Mpilatsaka an-tsitrapo 700 mianadahy mianaka no indray hihetsika mialoha sy mandritra ny fetim-pirenena 26 jona ho avy izao.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Mihevotrevotra fotsiny!

12/06/2017

Miarahaba ry Jean a! Inona indray izany izao ry Jean no ketrikareo manaraka fa toa tsy misy azo raisina mihitsy anie izay ataoanareo e! Na zavatra kely na lehibe ataoanareo dia vakiana fotsiny araka ny fitenin’ny tanora.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Mpamily nahafaty olona 3 teny Alarobia Misy mikendry hamono ?

12/06/2017

Lasa resabe amin’izao fotoana ny momba an’ilay mpamily nahafaty olona 3 teny Alarobia ny takarivan’ny alahady 21 mey teo. Miparitaka any anaty tambajotram-pifandraisana “fesiboky” ny sarin’ilay tovolahy namily ilay fiara marika “mini cooper”, izay voalaza fa mamo kanefa mbola namily, ary izao namono olona izao.

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Miaro mafy ny Sinoa tao Soamahamanina

12/06/2017

Natokan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina hanazavana ny antony hanatsarana ny fifandraisan’i Madagasikara amin’i Chine ny fandaharana Fotoam-bita andiany faha -6 nivoaka ny faran’ny herinandro teo.

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Claudine Razaimamonjy Halalino ny fanadihadiana, hoy ny depioten’Ambositra

12/06/2017

Tantara mitohy tsy misy farany hatreto ny raharaha mahasaringotra ny mpandraharaha Claudine Razaimamonjy.

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana sy ny mpitsara Vao mainka hihenjana ny tady ?

12/06/2017

Hiverina handray ny asany ny fitsarana taorian’ny roa andro nanehoan’izy ireo ny tsy fahafaliany manoloana ny fitsabatsabahana ataon’ny manampahefana isan-karazany ny asan’ny fitsarana.

Hamaky ny tohiny...

“Racing Madagascar” Raikitra ny andiany faharoa

12/06/2017

Ho tontosaina ny 11 ka hatramin’ny 16 jolay any Antsiranana ny andiany faharoa amin’ny Racing Madagascar na ny hazakazaka an-tongotra “trail running à Madagascar” izay karakarain’ny Boogie Events, tarihan’i Patrice Raoull, rantsana mikarakara fanatanjahantena ao amin’ny Boogie Pilgrim izay misahana ny raharaha “Tour opérateur” nanditran’ny 30 taona teo Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Miverimberina ny tantara

12/06/2017

Izay tokoa angaha no maha voasokajy ho tany an-dalam-pandrosoana ny tany an-dalam-pandrosoana.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Kaominina Talatamaty Zazalahy kely 100 natao hasoavana maimaimpoana

12/06/2017

Handaniana hatrany amin’ny 80.000 Ar ny manao didimpoitra amin’izao eny anivon’ireo dokotera tsy miankina, raha tsy te-hilahatra.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Mpanara-maso ny fandoavan-ketra Sandoka izay mitaky vola

12/06/2017

Manomboka anio dia hisy ny iraka mpanara-maso ny fandoavan-ketra (Agent de poursuite ; Regisseur Auxilliaire )

Hamaky ny tohiny...

Faha-20 taonan’ny Baolai Mifanontona amin’ny fetin'ny Asaramanitra

12/06/2017

Maro ny fety hankalazaina amin'ity volana jona ity. Ao ny fetin'ny ray sy ny fetim-pirenena. Efa ao anatin’ny volon’andro fety manaraka izay indrindra ny tranombarotra « Baolai », izay mankalaza ny faha roapolo taona nisiany amin'ity 2017 ity.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Ankizy hiatrika CEPE –Anosizato andrefana Notoloran’ny MAPAR fanomezana

12/06/2017

Efa tena mihatra aman’aina mihitsy ny fahorian’ny vahoaka Malagasy ankehitriny, hoy ny antoko MAPAR etsy Anosizato Andrefana.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fatin’olona nisy dia-nify Mihorohoro ny eny Ivato

12/06/2017

Lehilahy iray hita faty teny Ivato ny alin’ny zoma ary rehefa nozahana ny razana dia nisy loaka toy ny diam-bangy roa izany teo amin’ny tendany.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Metisy karana maty teny Antsahabe Nahitana dian’antsy ny lohany

12/06/2017

Lehilahy iray no hita faty teny Antsahabe Antsakaviro ny marainan’ny sabotsy 10 jona teo.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

POLITIKA

12/06/2017

Lasa any Pretoria –Afrika atsimo hanatrika ny fihaonana an-tampony afrikanina andiany faha-3 momba ny fampandrosoana maharitra manomboka ny 13 jona ho avy izao ny ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra Lalao Ravalomanana

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana