Fil d'actualités du 21/01/2017

  • 21/01/2017 - 18:40 : Donald Trump: Vita omaly ny fianianan'ny filoha amerikanina vaovao Donald Trump hitantana an'i Etazonia mandritra ny 4 taona manaraka. Vahiny manan-kaja 7 hetsy no nanatrika izany. Nahatratra 200 tapitrisa dolara kosa ny tetibola nolaniana tamin'ny lanonana ofisialy fandraisan'ity filoha amerikanina faha-45 ity ny fahefana.

  • 21/01/2017 - 17:40 : Hetsika SIRHA: Nisokatra androany ao Lyon ny hetsika SIRHA(Salon International de la Restauration, de L'Hottellerie et de l'Alimentation). Orinasa Malagasy 9 no mandray anjara any an-toerana mandritra ny 5 andro.

  • 21/01/2017 - 17:10 : Ambatondrazaka: Hatomboka ao Ambatondrazaka rahampitso alahady ny fandrotsahan'ireo teknisianina avy amin'ny foibe mpamantatra ny toetrandro orana. Feno mantsy ny fepetra ahafahana manatanteraka, hoy ny tale jeneralin'ny meteo. Ezahina ny hanitatra izany eto Antananarivo izay heverina ny mbola tsy hisian'ny orana voajanahary amin'io herinandro hitsidika io.

  • 21/01/2017 - 16:40 : Sekolim-panjakana: Miova manomboka izao ny mari-pahaizana takiana amin'ny sekoly ambony miankina amin'ny fanjakana, araka ny tapaka nandritra ny fikaonandohan'ireo lehibe sy rektoran'ireo sekoly ambony eto Madagasikara. Ireo manana diplaoma Master II manaraka ny rafitra LMD no afaka mifaninana.

  • 21/01/2017 - 16:10 : Anjerimanontolo: Tontosa ny fikaonandohan'ireo filoha sy rektoran'ny sekoly fampianarana ambony. Fanapahan-kevitra nivoaka tao ny fampitoviana ny alimanakan'ireo anjerimanontolo. Hiditra ny voalihan'ny volana febroary 2017 avokoa ny oniversite. Hifarana ny volana desambra kosa ny fandaharam-pianarana iombonana.

  • 21/01/2017 - 15:40 : Ariary Malagasy: Nahazo aina ny vola Ariary Malagasy hatramin'ny nanombohan'ny taona 2017. Niabo 58 ny sandany mihoatra amin'ny euro iray ary 118 kosa raha mitaha amin'ny dolara. Anton'io ny fidiram-bola vahiny avy amin'ny fanondranam-bokatra toy ny lodsia sy ny lavanilina.

  • 21/01/2017 - 15:10 : Lalampirenena: Efa mandeha ny fifampiresahana mikasika ny trosa fandoavana ireo haba fikojakojana lalana, hoy ny minisitry ny Asa Vaventy Razafimandimby Eric. Tanjona ny hikojakoja lalana mirefy 10.805km amin'ity taona 2017 ity, araka ny nambarany.

  • 21/01/2017 - 14:40 : Kianja Barikadimy: Nanomboka omaly ny fametrahana ireo ahi-maitso artifisialy ao amin'ny kianja filalaovam-baolina Barikadimy. Hahazo ny fankatoavan'ny federasionin'ny baolina kitra iraisampirenena amin'ity taona ity io fotodrafitrasa fahatelo taorian'ny kianja Rabemananjara sy Carion io, hoy ny federasionina Malagasin'ny baolina kitra.

  • 21/01/2017 - 14:10 : Firenena mikambana: Nanao jery todika tomban'ezaka ny taona 2016 ireo sampanasan'ny Firenena mikambana miasa eto Madagasikara. Hiompana betsaka kokoa amin'ny fitsinjovana sy fanampiana ireo mponina tena sahirana ao amin'ny tapany Atsimon'ny nosy ny asa hosahanin'izy ireo amin'ity taona 2017 ity.

  • 21/01/2017 - 13:40 : Banky iraisampirenena: Mihevitra ny hanome vola 400 tapitrisa dolara an'i Madagasikara araka ny fampanantenana nataony tamin'ny fikaonandohan'ireo mpamatsy sy mpampiasa vola ny volana desambra 2016 ny Banky iraisampirenena amin'ity taona 2017 ity. Fanampiana hifantoka amin'ny tohana ara-tsakafo sy ny famokarana herinaratra miainga avy amin'ny sehatra tsy miankina.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170107

Misongadina

Hery Rajaonarimampianina Nanadio tena fotsiny

07/01/2017

Nanarina ny kabary fohy nandiso fanantenana ny vahoaka Malagasy nataony ny alin’ny faran’ny taona 31 desambra 2016 ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Honoré Rakotomanana « Tsy misy ambonin’ny lalàna eto »

07/01/2017

Efa mahazatra ihanymoa eto Madagasikara izay firenen’ny eny aman-tsoratra ny sarisarin-teny any anaty kabary ofisialy, ary dia sakamalaho sy havozo ary samy manana ny hanitra ho azy tokoa ireo rehetra nifandimby nikabary tamin’ny fitondrana nifanesy teto ; indrindra moa fa rehefa amin’ny asaramanitry ny volana janoary

Hamaky ny tohiny...

Fety be teny Iavoloha Nokianin'ny Wake up Madagascar

07/01/2017

Na dia somary nangina tanteraka aza ny teto an-drenivohitra omaly noho ny fisian’ilay fifampiarahabana nahatratra ny taona nifanaovan’ny filoham-pirenena mivady tamin’ireo ambasadaoro sy tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny dia tsy nanakana ny fikambanana Wake Up Madagascar tsy hanao hetsika izany.

Hamaky ny tohiny...

Fanapariaham-pahefana Ilaina hatsangana ny fikambanamben’ny ben’ny tanàna

07/01/2017

Hanampy an’i Madagasikara eo amin’ny lafiny fanapariaham-pahefana ny CGLU (Cités et Gouvernements Locaux Unis d’Afrique). Lalana iray ahatongavana amin’izany ny firaisankinan’ireo mpitondra tompon’andraikitra akaikin’ny vahoaka, hoy ny tale eto Afrika Atsinanana Dr Juma M

Hamaky ny tohiny...

Randriamamiarizafy Ignace « Aoka hifanaja ny mpitondra sy ny mpanohitra »

07/01/2017

Fotokevitra hijoroako ary hoentiko mamakivaky ity taona vaovao 2017 manotolo ity, hoy Atoa Randriamamiarizafy Ignace mpikambana fahiny tao amin'ny Kongresin'ny Tetezamita avy amin'ny ankolafy Ravalomanana, ny hoe :

Hamaky ny tohiny...

JAMES RATSIMA Tsy mbola mahaleo tena mihitsy isika

07/01/2017

Misarika ny sain’ny vahoaka Malagasy sahady amin’izao fiandohan’ny taona vaovao 2017 izao ny profesora James Ratsima, filoha mpanorina ny fikambanana Asandratro ny fireneko.

Hamaky ny tohiny...

KAOMININA ANDOHARANOFOTSY Miroso mankany amin’ny fampandrosoana hatrany

07/01/2017

Taom-pahombiazana tamin’ny ankapobeny ny taona 2016 ho an’ny kaominina Andoharanofotsy. Betsaka ireo asa efa vita raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Ranirison Hasina,

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Hafa mihitsy

07/01/2017

Arahabaina jean fa dia vita tsara ny fety aman-danonana aaa…ary mba tsotsotra fiaingo kosa aloha madama omaly ee, mety ireny jean a

Hamaky ny tohiny...

Actualités

Taona 2016 Nandamoka ho an’ny vahoaka Malagasy

07/01/2017

Taonan’ny asa ny 2016, hoy ireo mpandaha-teny nifandimby teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha omaly.

Hamaky ny tohiny...

TAXI-BE AN’I MAHITSY Leo ny teny ratsin’ireo mpamily ny eny Antohomadinika

07/01/2017

Ela ny ela fa leon’ny teny ratsin’ireo mpamily sy ny tabataban’izy ireo ny Fokontanin’Antohomadinika.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Mbola be ny asa miandry

07/01/2017

Tsy misy aza moa manantena, mainka moa fa hoe nitombo 7% ny karama dia mba velom-bolo ny mpiasam-panjakana; manantena sy manam-pinoana koa ny mpiasan’ny sehatra tsy miankina fa mba hahazo izany

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana