Fil d'actualités du 20/01/2017

  • 20/01/2017 - 19:40 : Finoana: Tsy nanana kardinaly intsony ny Eglizy Katolika Romana eto Madagasikara hatramin'ny taona 2010. Horesahan'ny sekreteram-panjakan'i Vatican, ny kardinaly Pietro Parolin mandritra ny fivahinianany eto amintsika amin'ireo eveka Malagasy ny fanendrena kardinaly vaovao, araka ny tsilian-tsofina heno.

  • 20/01/2017 - 19:15 : Zavamaniry fitsaboana: Mampiasa zavamaniry fitsaboana avokoa ny 70%ny vahoaka Malagasy. Tsy ara-dalana, tsy misy fanaraha-maso ary tsy voaaro anefa izy ireny, hoy ny orinasa mpanamboatra fanafody Homeopharma.

  • 20/01/2017 - 18:50 : Tsy fanjariantsakafo: Tsy mitombo ara-dalana ny zaza iray amin'ny roa na 50% latsaky ny 5 taona eto Madagasikara, hoy ny Banky iraisampirenena. Antony mahatonga izany ny tsy fanjariantsakafo.

  • 20/01/2017 - 18:25 : Kolikoly: Ho fantatra ny alarobia 25 janoary 2017 ny fivoaran'ny tontolon'ny kolikoly eto Madagasikara. Hanolotra izany amin'ny fomba ofisialy ao amin'ny Cafe de la Gare Soarano ny Transparency International.

  • 20/01/2017 - 17:55 : VIH/Sida: Nanatanteraka atrikasa iadiana amin'ny VIH/Sida tao Ampisikina ny faritra Boeny androany. Olona 58 no matin'ity areti-mandoza ity ao Mahajanga. Miisa 563 kosa ireo mitondra ny tsimok'aretina.

  • 20/01/2017 - 14:30 : Vidim-bary: Hisy ny famorian'ny Minisiteran'ny varotra sy ny fanjifana ireo mpanafatra vary, mpanangona ary ireo tranom-barotra lehibe mpaninjara ny 23 janoaray izao. Antony ny handinihana sy hiadiana hevitra manoloana ny fiakaram-bidin'ny vary izay tsy misy fitsaharana hatramin'ny fiandohan'ny taona.

  • 20/01/2017 - 13:50 : Fandatsahana orana artifisialy: Tsy ny sira hampiasaina amin'ny fandatsahana orana no tsy misy fa ireo fepetra hafa mihitsy no mbola tsy feno, hoy ny Tale jeneralin'ny Sampan-draharaha mpamantatra ny toetr'andro Rahariveloarimiza Samueline androany. Tsy dia mila sira betsaka mantsy izany fa 10kg isaky ny mandatsaka dia ampy, raha ny fanazavan'io tompon'andraikitra io.

  • 20/01/2017 - 13:20 : CAN 2017: Ny ekipam-pirenen'i Sénégal no hany firenena efa tafakatra mazava any amin'ny dingan'ny ampahaefafa-dàlana. Toy izao kosa ny fandaharam-potoana anio: Amin'ny 7 ora no hifandona i Côte d'Ivoire sy RDC Congo ary amin'ny 10 ora alina ny fifanandrinan'i Maraoka sy Togo.

  • 20/01/2017 - 12:50 : Fanadinam-panjakana CEPE: Manomboka ny alatsinainy 23 janoary ny fisoratana anarana ary hfifarana ny 14 martsa. Efa vita ny famolavolana ny laza adina.

  • 20/01/2017 - 12:20 : Lalam-baovao Andohatapenaka: Efa misy fanorenen-trano sy fanotofana manamorona iny lalam-baovao "Rocade Andohatapenaka" na dia vao ny zoma lasa teo aza ny fanjakana no nanao fanambarana fa voarara fanorenena sy fanotofana. Misy mangalatra ihany koa ireo jiro manazava ny làlana.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170104

Misongadina

Fanovana Governemanta Minisitra 20 mihozongozona seza

04/01/2017

Alefa miandalana fa tsy tonga dia ho faobe ny fanoloana ny mpikambana ao anatin’ny governemanta Solonandrasana Mahafaly raha ny resaka re farany

Hamaky ny tohiny...

Politique

Antenimierandoholona Vahiny voalohany nitsidika ny Frantsay

04/01/2017

Asa avy hatrany no nisantaran’ny FIlohan’ny Antenimierandoholona Rakotomanana Honoré ity taona 2O17. Nandray ny Senatera frantsay Oliver Cadic sy ny Ambasadaoro Frantsay miasa sy monina eto amintsika Ramatoa Véronique Vouland izy omaly talata 3 janoary maraina tetsy amin’ny lapan’Anosikely.

Hamaky ny tohiny...

Depiote Razafitsiandraofa Jean Brunel Ilaina ny fitantanana mangarahara

04/01/2017

Tokony ho vaindohan-drahara hataon'ny fitondram-panjakana mitondra ny firenena amin'izao fotoana izao,

Hamaky ny tohiny...

Me Hanitra Razafimanantsoa Mila fifanatonana ny Malagasy

04/01/2017

Noho izao fahatratrarana ny taona vaovao 2017 izao dia faly miarahaba ny vahoaka Malagasy tsivakivolo ny tenako amin'ny maha-sololmbavambahoakan'i Madagasikara ahy sy maha-filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritananin'Antananarivo manokana ihany koa, hoy ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa avy amin'ny antoko TIM.

Hamaky ny tohiny...

Lapam-panjakana Iavoloha Ho avy eny i Dada

04/01/2017

Hotontosaina ny 6 janoary 2017 eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny lanonana fifampiarahabana tratry ny taona vaovao eo amin’ireo andrimpanjakana Malagasy miaraka amin’ny solontenan’ireo firenena manana masoivoho miasa sy monina eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Tandremo sao mijoboka e

04/01/2017

Miarahaba anao jean a !Asa ry jean na ilay taratasy farany nalefako tany aminao no nahatezitra anao na ilay andro mafana fa toa hoe kizitina be mihitsy hono ianao tamin’ity taom-baovao ity ary tsy dia hita matetika anaty birao a ! Sa tena mbola makafoka be ..

Hamaky ny tohiny...

Actualités

Air Madagascar Hahazo ATR roa indray

04/01/2017

Hiroso amin’ny fanofana fiaramanidina roa vaovao dia ATR 72-500 sy ATR 72- 212 ny Air Madagasikara ary efa nanaiky ny hamoahan’ny minisiteran’ny vola ny antoka momba izany ny filankevitry ny governemanta notanterahana omaly teny Mahazoarivo.

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana tao Ilempona Tafiakatra 7 no maty

04/01/2017

Tafiakata ho 7 no maty vokatr’ilay lozam-pifamoivoizana nahatsiravina ny alatsinainy hariva tao Ilempona

Hamaky ny tohiny...

Mpitsoka mozika mitety tanàna Mahazo 10.000 Ar isan’andro ny olona iray

04/01/2017

Mpitsoka mozika mitety tanàna Mahazo 10.000 Ar isan’andro ny olona iray

Hamaky ny tohiny...

Fanafihan-jiolahy nahery vaika Tovolahy 19 taona maty voatifitra, 3 tapitrisa Ar voaroba

04/01/2017

Noho ny tahotry ny vavam-basy dia tsy nisy sahy namonjy sy nanavotra ny niharam-boina ireo mpiara-monina teo an-tanàna, ka niliba tamin'ny asa ratsiny ireo jiolahy.

Hamaky ny tohiny...

Vono olona feno habibiana Lehilahy iray maty notsatotsatohana antsy

04/01/2017

Hatairana ny an'ireo mponina tao Mangarivotra-Mahajanga raha nahita raim-pianakaviana iray efa nitsirara, nihosin-dra sady tsy nisy aina intsony

Hamaky ny tohiny...

Edito

Sao ho diso fanantenana e !

04/01/2017

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana