Fil d'actualités du 23/02/2017

  • 23/02/2017 - 20:30 : Tiko AAA: Efa manomboka hita eny amin'ny tsena Magro ny zava-pisotro Classiko vokarin'ny orinasa Tiko AAA. Sandaina 2.500 ariary ny tavoahangy 1,5 litatra.

  • 23/02/2017 - 20:00 : Fandripahana ala: Ambony ny tahan'ny fandripahana ala eto Madagasikara, hoy ny fanadihadiana nataon'ny ofisim-pirenena misahana ny Tontolo iainana. 0,8% izany ny taona 1990 hatramin'ny 2000. 0,4% kosa izany teo anelanelan'ny taona 2005 sy 2010 ary niakatra 0,9% ankehitriny ka mahatratra 66.000ha ny velarana ala potika.

  • 23/02/2017 - 19:30 : Lavanilina: Ratsy indrindra ny taom-piotazana lavanilina Malagasy 2016-2017. Tsy nisy afa-tsy 1.500 taonina izany raha eo amin'ny 2.000 hatramin'ny 2.500 taonina isan-taona. 60 dolara ny kilaon'ny lavanilina ny taona 2014, 135 dolara ny taona 2015 ary 210 dolara kosa ny taona 2016.

  • 23/02/2017 - 19:00 : Aretina bilarziozy: Voan'ny aretina bilarziozy ny 50%ny zaza Malagasy, hoy ny tatitry ny fikambanana iraisampirenena momba ny Fahasalamana. Distrika 103 amin'ireo 113 ihany no ahitana ity aretin-kankana ity ary anisan'izany ny tananan'Antananarivo.

  • 23/02/2017 - 18:30 : Fitantanana sy Tetibola: Nankatoavin'ny filankevitry ny governemanta ny talata teo volavolana didim-panjakana mamaritra ny andraikitry ny minisitry Fitantanana sy ny Tetibola. Hajoro ao anatin'ity departemanta ministerialy ity ihany koa ny rafitra iray hanara-maso ny fampiasana ireo vola fanampiana azo tamin'ny fikaonan-dohan'ireo mpamatsy sy mpampiasa vola tao Paris.

  • 23/02/2017 - 18:00 : Vidim-bary: Nahitana fihenana ny vidim-bary eny an-tsena. Fidinana manodidina ny 100 hatramin'ny 150 ariary.

  • 23/02/2017 - 17:30 : Hazo sarobidy: Hampiharina amin'izay ny fananganana ilay rafitra manokana iadiana amin'ny fanondranana antsokosoko andramena sy hazo mainty miaraka amin'ny fanasaziana, araka ny tapaky ny filan-kevitry ny minisitra. Fanapahan-kevitra noraisina herintaona aty taorian'ny fankatoavana ny lalana.

  • 23/02/2017 - 17:00 : Fifidianana 2018: Nanamafy ny filoha nasionalin'ny antokom-panjakana Rivo Rakotovao fa ny filoha amperinasa Hery Rajaonarimampianina ihany no kandidan'ny HVM amin'ny fifidianana 2018.

  • 23/02/2017 - 16:30 : Fampianarana ambaratonga ambony: Tafaverina ho mpikambana eo amin'ny Cames (Conseil Africain et Malgache de l'Enseignement Superieur) i Madagasikara. Nanamafy io fiverenan'ny firenena Malagasy io ny fahatongavan'ny delegasionina eo anivon'ity filankevitra ity teto amintsika ny fiandohan'ny volana febroary 2017.

  • 23/02/2017 - 15:30 : Aft Andavamamba Antananarivo: Hisy fampisehoana ara-java-kanto maimaimpoana hatao eny an-toerana ny takarivan'ny rahapitso 24 febroary, izay ahitana ny mpanakanto Th駮 Rakotovao, Minah, Gangstabab, Dah Mama, Jean Emilien, Af Jazz, Tsiriry, Voromanga Milalao ary Ragasy. Tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny AFT izany.

Voir plus d'infos...

23/02/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20170103

Misongadina

Marc Ravalomanana ォ Hanarina ny firenena isika サ

03/01/2017

ォ Efa manana ny ampy aho ary mahalala ononany hanampiana ny Malagasy no antony namerenana indray ny Tiko AAA サ

Hamaky ny tohiny...

Politique

Mpikambana ao amin地y governemanta Nirary soa ny praiminisitra

03/01/2017

Sady fiverenana indray amin地y asa aman-draharaha taorian地y fialan-tsasatra no natokan地y governemanta iarahabana ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier ny omaly alatsinainy

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao Misy ny minisitra tezitra aminy

03/01/2017

Andrasana fatratra izay ho ventin地y kabarin地y filoham-pirenena ny zoma 6 janoary ho avy izao eny Iavoloha mandritra ilay lanonana fifampiarahaban地y andrim-panjakana sy ny masoivoho eto amintsika

Hamaky ny tohiny...

Jean Nirina HAFARI 典sy maty izany aho

03/01/2017

Niely be tamin地y tambajotran-tserasera facebook andro vitsivitsy lasa izay fa namoy ny ainy teny amin地y fonjaben但ntanimora ny sabotsy 31 desambra lasa teo tokony ho tamin地y 12 ora atoandro ny filoha nasionalin地y fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Moramora e..

03/01/2017

Miarahaba anao ry jean a !mbola tsy tara kosa angamba raha mirary soa noho ny taom-baovao e.Ary tsy dia hita sy re firy intsony ianao tato ho ato izay ry jean a

Hamaky ny tohiny...

Actualit駸

Toetr誕ndro Mbola hitohy ny orana

03/01/2017

Tena nijojo ny orana teto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina azy omaly ary maro ny faritra dibo-drano ;

Hamaky ny tohiny...

Fako vita fety Henjana ny asa miandry ny kaominina

03/01/2017

Henjakenjana ny asa fanadiovana miandry ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA) nanomboka omaly amin地y fanalana ireo fako eto an-drenivohitra

Hamaky ny tohiny...

Lozam-piarakodia RN 7 5 indray no namoy ny ainy

03/01/2017

Fiara telo be izao no nifandona tany amin地y lalampirenena faha 7 teo Ilempona omaly tokony ho tamin地y 4 ora sy sasany tolakandro

Hamaky ny tohiny...

Taona vaovao 2017 Tokony haompan地y fitondrana amin地y fampandrosoana

03/01/2017

Tokony haompan地y fitondrana amin地y resaka fampandrosoana tanteraka ity taona vaovao 2017 ity, hoy ny depiote Raherisoa Vololona voafidy teny amin地y Boriborintany faha-6 eto Iarivo

Hamaky ny tohiny...

Cit Haras Toamasina Trano 50 may kila, olona 300 tsy manan-kialofana

03/01/2017

Nitrangana haintrano indray tao amin地y Cit Haras bazary may Toamasina ny alin地y alatsinainy hifoha talata teo tokony tamin地y 11ora sy sasany ; fantatra fa labozia tao amin地y efitranona tovolahy iray mamo no niaingan地y afo.

Hamaky ny tohiny...

Ocean Dream Mitondra mpizahantany 1350 ao Tolagnaro

03/01/2017

Tonga ao Tolagnaro ny sambo goavambe Ocean Dream izay mitondra mpizahantany 1350 raha toa ka 388 olona kosa no mandrafitra ny ekipazy

Hamaky ny tohiny...

Nandritra ny fety Olona 7 namono tena, 15 toran地y toaka

03/01/2017

Olona telo no namoy ny ainy tetsy amin地y hpitaly HJRA nandritra ny fety.

Hamaky ny tohiny...

Fanomezana nandritra ny fety Olona folo indray no nitsikian地y vintana

03/01/2017

Olona miisa folo indray no notoloran地y Airtel fanomezana ny faran地y taona teo tao anatin段lay hetsika tanteraka ny nofiko nanomezan段zy ireo loka ho an段reo tsara vintana.

Hamaky ny tohiny...

Tolagnaro ambony vohitra Mahasarika tanora maro ireo sekta

03/01/2017

Isam- pokontany dia ahitana fiangonana zandriny roa farafahakeliny. Ireo tanora sy ireo nidonam-pahoriana tamin地y fiainana no hita fa mirona amin'izy ireny rah any ao Tolagnaro no resahana.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Ndao hivoatra

03/01/2017

Tsy re tsaika lasa, tsy re feo tongamaro tamin段reo manampahefana ambony Malagasy no efa manana fahazarana miala sasatra any ivelan段 Madagasikara rehefa tonga ny krismasy na ny taom-baovao.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana