Fil d'actualités du 22/08/2017

  • 22/08/2017 - 16:00 : Amboanjobe Atsimondrano _Asan-jiolahy: Fivarotana sady toeram-pisotroana iray nisy nanafika ny tolakandro teo, ka voatifitra teo amin'ny kibony ny tompon-tsena. Jiolahy 2 kosa no maty ary 2 tafaporitsaka raha ny fampitam-baovao vonjimaika.

  • 22/08/2017 - 14:30 : Mahajanga _Bakalorea 2017: Hatao ao amin'ny Lisea tsy miankina Saint-Gabriel ny 24 aogositra izao manomboka amin'ny 7 ora sy sasany maraina ny ady hevitra sy ny fanapahana amin'ny naoty farany ambany hanafahana ny mpiadina na ilay antsoina hoe "délibération".

  • 22/08/2017 - 14:00 : Anosy _Fanendahana: Mpanendaka iray teo amin'ny fiantsoanan'ny taksibe eo Anosy no voasambotra ny atoandro teo. Saika niharan'ny fitsaram-bahoaka izy io raha tsy tonga ara-potoana ny polisy.

  • 22/08/2017 - 13:30 : Fikambanana FIZAFATO: Tsy manaiky ny fifidianana ny filohan'ny Fikambanana natao ny 6 aogositra lasa teo, izay nahalanian'i Maharante Jean de Dieu i Berckley Andriamanarivo, izay saika hirotsaka kandida saingy niala an-daharana noho ny fahitany resaka tsy fanarahan-dalàna. Hanetsika ireo herivelona rehetra avy any Toliara ny tenany hanohitra iny fifidianana iny.

  • 22/08/2017 - 13:00 : Fitaterana: Manoloana ny firongatry ny lozam-Handraisana fepetra manokana ireo fiara manokana hampanofaina na ny "Voiture de location", ary efa nisy ny naoty navoaka momba izany. Mivoitra ao anatin'izany ny mikasika ny taratasin'ny fiara sy ny kalitaony ao anatiny sy ivelany amin'ny alalan'ilay antsoina hoe: “visite de confirmité", araka ny nambaran'ny Kolonely Andry Rakotondrazaka, Tale Jeneralin'ny ATT.

  • 22/08/2017 - 12:30 : Tolagnaro: Tanterahina ao amin'ny Lapan'ny tanàna any an-toerana naomboka omaly hatramin'ny 25 aogositra izao ny fihaonambem-pirenena ho an'ny mpitsabo mpanampy manerana an'i Madagasikara.

  • 22/08/2017 - 12:00 : Any ivelany _Italie: Nisehoana horohoron-tany mahery vaika tany amin'ny Nosy Ischia any Italie, ka olona 2 hatreto no namoy ny ainy.

  • 22/08/2017 - 11:30 : Fifidianana 2018 _Tetibola ilaina: Mahatratra hatrany amin'ny 85 miliara ariary ny vola ilaina amin'ny fanatanterahana ny fifidianana 2018. Ny 12 tapitrisa Euros, izany hoe 35 miliara eo ho eo dia avy amin'ny mpiara-miombon'antoka teknika sy ara-bola avy amin'ny sehatra iraisam-pirenena ary ny 40 ka hatramin'ny 50 miliara ariary kosa hiantohan'ny Fanjakana Malagasy, izay efa noresahina ao anatin'ny lalàna momba ny tetibolam-panjakana 2017.

  • 22/08/2017 - 11:00 : Faritra Anôsy: Kaominina miisa 20 nomena fampitaovana toy ny solosaina, imprimante, takelaka mandeha amin'ny herin'ny masoandro omaly 21 aogositra. Efa andiany faharoa izao taorian'ny tamin'ny taon-dasa, ka ireo kaominina 9 ao amin'ny distrikan'Ambosary Atsimo sy 11 ao anatin'ny distran'i Tolagnaro, izay tsy mbola nahazo tamin'ny taon-dasa no nisitraka ireo fitaovana ireo.

  • 22/08/2017 - 10:30 : Ambanidia _Mpangalatra fiara tratra: Lehilahy iray mpangalatra fiara tratra teny Ambanidia vao minitra vitsy lasa izay. Teo Ambanidia akaikin'ny BOA, raha iny nametraka ny fiarany iny ny lehilahy iray, ary niditra tao amin'ny banky dia efa nihaodihaody teo ilay olon-dratsy, izay manana fahazoan-dàlana hamily. Fiara mihidy kanefa tafiditra tao anatiny ny tenany, saingy tra-tehaka ary voasambotra.

Voir plus d'infos...

22/08/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161229

Misongadina

Fifidianana 2018 Mandrafitra ekipa i Dada

29/12/2016

Nihaona nandritra ny ora vitsy teny Faravohitra omaly Atoa isany Marc Ravalomanana sy Yvan Andrianasandratriniony.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Vondrona MAPAR Nizaka ny mafy ny taona 2016

29/12/2016

Vondrona politika azo lazaina ho nizaka ny mafy taminireo fikambanana politika rehetra teto aminny firenena taminity taona ity ny vondrona politika MAPAR na Miaraka Aminny Prezida Andry Rajoelina.

Hamaky ny tohiny...

Tanora TIM Mijoro isaky ny Boriborintany ao Toamasina

29/12/2016

Niezaka nametraka sampana isaky ny Boriborintany miisa dimy ao Toamasina ny Tanora Tiako I Madagasikara, tarihin-dRazanadrakoto Tokiniaina, ho fihatrehana ny taom-pifidianana aminny 2018.

Hamaky ny tohiny...

Fahanginan'i Andry Rajoelina Mampiahiahy ...

29/12/2016

Mandeha ny resaka ankehitriny fa misy indray ny fikotrehana fanonganam-panjakana.

Hamaky ny tohiny...

Fianakaviana Ravalomanana sy Rajoelina Betsaka no liana

29/12/2016

Maro aminny Malagasy no liana sy manara-baovao aminny fiaimpiainana sy zavatra ataonireo filoham-pirenena eto amintsika sy ny fianakaviany, indrindra fa mandritra izao vaninandro fety izao.

Hamaky ny tohiny...

Fampihavanam-pirenena Tsy mety masaka

29/12/2016

Ny taona 2002 no efa nitsangana ilay CRN na ny Komitinny fampihavanam-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Antoko MFM Mandala ny fifidianana ahazoana fahefana

29/12/2016

Misy ary mijoro tanteraka ny Antoko MFM. Nanamafy izany ny tao Antsirabe ka nitafa taminny mpanao gazety ho fanamarihana ny faha-44 taona nijoroany ny alarobia 27 desambra teo.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasini Jean Vakansy ve e ?

29/12/2016

Miarahaba Jean a ! Ianareo moa efa miala sasatra dia tsy mety hiresaka intsony koa ? Sambatra ianareo kanefa ny fihinanana efa tsy vitanny tsy ho very fa mbola mihoapapana ihany.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Antananarivo Renivohitra Hiezaka ny tsy hanala mpiasa

29/12/2016

Miatrika fivoriana ara-potoana ny filankevitra Monisipaly mandinika ny vinavinan-tetibola taona 2017.

Hamaky ny tohiny...

Asa fanaovan-gazety Nanahirana tamin'ny 2016

29/12/2016

Ankoatra ny adihevitra maro nandresen-dahatra ny antenimiera roa tonta sy ny teo anivon'ny firenena mikambana ary ny masoivoho amerikanina momba ilay sata mifehy ny fifandraisana na ny code de la communication,

Hamaky ny tohiny...

Sefo Fokontany Nisitraka tambinkarama 3 volana

29/12/2016

Aleo misy toy izay handry fotsy !. Izay no nambaranireo sefo fokontany raha avy nandray ny tambin-karamany tao aminny biraonny Faritra

Hamaky ny tohiny...

Carte Grise biomtrique Aminny 31 martsa 2017 no fe-potoana farany

29/12/2016

Na dia nisy aza ny fanemorana ho aminny 31 martsa 2017 ny daty farany fahazoana manolo ny taratasy fahazoan-dalana mitondra fiarakodia mahazatra ho lasa Permis de conduire Biometrique , dia mbola filaharambe hatrany no hita eny Ambohidahy.

Hamaky ny tohiny...

Vahaolana aminny fahatapahan-jiro Andrasana ny fanapahan-kevitra

29/12/2016

Maro ny safidy efa natolotra ny orinasa Jirama ho famahana ny olana mikasika ny fahatapahanny rano matetika, indrindra ny fahatapahan-jiro lavareny niha mafy taminity taona ity.

Hamaky ny tohiny...

SOS Village dEnfant - Toamasina Mitohy ny tolo-tanana ataonny Rema Tiop Top

29/12/2016

Tsy nanadino ireo zaza kamboty tezaina eo anivonny ivontoerana SOS Village dEnfant Mangarano Toamasina ny Rema Tiop Top Tanandava Tsararivotra, notarihinny tale Anthony Knott ka nanolotra fanomezana nahafahanizy ireo nilanonana.

Hamaky ny tohiny...

Vondrona ANEFFA Nankasitraka ireo mpampianatra zokiolona

29/12/2016

Tsy nanadino ireo mpampianatra zokiolona miisa 40 mpikambana ao aminy ny vondrona Aneffa tarihinny filohany Randrianasolo Lova aminizao ankatoky ny fetinny faranny taona sy ny taom-baovao izao.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Ataonny tazom-pahefana mivika !

29/12/2016

Dia sanganehana indray ny rehetra fa ao anatinny fotoana tokony hisianny fitoniana sy tsy hisainana firy ny politika efa ho dridrangilo eto aminny firenena mihitsy no vao mainka hampanenoanny sasany ny anjomara sy ny siotsiokanny rivotra politika.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana