Fil d'actualités du 22/02/2017

  • 22/02/2017 - 13:30 : Raharaha Hiary Rapanoelina: Milaza ny eo anivon'ny Borigady misahana ny heloka bevava (BC) fa tsy nisy ny fitazonana na fampiantsoana ny vadin'ity mpanakanto ity. Ny eo anivon'ny fampanovana no tompon'antoka amin'ny fampiantsoana hoy ny eo anivon'ity sampan-draharaha ity.

  • 22/02/2017 - 13:00 : Fanabeazana: Mirona makany amin’ny fanafoanana ny fanadinam-panjakana CEPE ny drafitra PSE. Ho lasa DFEP na « Diplôme de fin d'étude fondamental » kosa ny BEPC. Mba hisorohana ny fiovana mahery vaika dia hatomboka tsikelikely manomboka ny taom-pianarana 2017-2018 ity fanovana ny rafi-pampianarana eto amintsika ity.

  • 22/02/2017 - 12:30 : Oniversiten'Antananarivo: Ny 31 martsa no hifarana ny fisoratana anarana sy ny fanavaozana ny fisoratana anarana ho an'ny mpianatra eny anivon'ny anjerimanontolo eny Ankatso.

  • 22/02/2017 - 12:00 : Fakana an-keriny: Tsy mbola hita ary tsy andrenesam-baovao hatramin'izao ny misy ilay teratany karana Irefane Molou nisy naka an-keriny teny Ivandry ny takarivan'ny zoma 10 febroary lasa teo.

  • 22/02/2017 - 11:30 : Ambondrona: Lehilahy iray tokony ho 40 taona mpatory an-dalana voalaza fa avy any Ambatolampy hita faty teo akaikin'ny fanariam-pako androany maraina. Efa nalain'ny BMH androany tokony ho tamin'ny 6 ora maraina ny razana, ka raha ny tombana vonjimaika dia mety ho vokatry ny hatsiaka no nahafaty azy.

  • 22/02/2017 - 11:10 : Fanondranana sokatra antsokosoko: Lamandy 7 tapitrisa ariary miampy figadrana an-tranomaizina 1 sazy mihantra no azon'ilay teratany "Réunionnais" nahatrarana zana-tsokatra miisa 7 saika haondrana antsokosoko ny volana novambra 2016.

  • 22/02/2017 - 10:45 : Toetr'andro: Hitsahatra ny orana manomboka amin'ity anio ity ary ny faran'ny herinandro vao mety hisy rotsak'orana indray ho an'ny eto afovoan-tany. Ho maloka hatrany anefa ny andro raha ny tombatomban'ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetr'andro.

  • 22/02/2017 - 10:20 : Tontolo iainana: Mahatratra 0,9% isan-taona ny fahapotehan'ny ala eto Madagasikara amin'izao fotoana izao raha toa ka manodidina ny 0,5% izany teo anelanelan'ny taona 2005-2010. Hatrany amin'ny 30 000Ha isan-taona ny velaran'ala ringana. Ny faritra andrefana sy antsinanan'ny nosy tena iharan'ny fahapotehana, ka ho an'ity farany dia isan'ny antony lehibe ny fanaovana tavy.

  • 22/02/2017 - 10:00 : Polisim-pirenena: Tsy maintsy hosamborina ary hampiharana lalàna ireo nahavanon-doza nahafaty polisy 2 tany an-toerana ny sabotsy teo tany Befandriana Avaratra. Polisy nanao ny asany ireto novonoina ireto, ka mety hiafara amin'ny fanalana ny polisy rehetra any an-toerana izao raharaha izao. Hisy kosa ny fifampiresahana amin'ireo tompon'andraikitra sy raiamandreny any an-toerana.

  • 22/02/2017 - 09:45 : Soavinandriana: Raimpianakaviana iray 43 taona niakatra fitsarana afak'omaly ka naiditra am-ponja noho ny fametavetana nataony tamin'ny zanany izay niterahany mihitsy.

Voir plus d'infos...

22/02/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161227

Misongadina

Voninahitsy Jean Eugène Nisitri-belona

27/12/2016

Ahatadiavan’ny maro an’i Voninahitsy Jean Eugène filohan’ny antoko politika RPSD Vaovao ny nirotsahany hofidiana filoham-pirenena ny taona 2013, ary nanohanany an’i Hery Rajaonarimampianina tany amin’ny fihodinana faharoa. Namorona ny vondrona politika antsoina hoe :

Hamaky ny tohiny...

Politique

Pr Tsiavaliky Célestin Atahoran’ny Frantsay ny Malagasy any Atsimo

27/12/2016

Ny mpanjanaka antsika no nampiditra olana mikasika ny resaka omby teto Madagasikara tamin’ny alalan’ny fivoizana fa ny

Hamaky ny tohiny...

Augustin Andriamananoro Ho afa-bela sa tsia ?

27/12/2016

Hanamarika ity andron’ny talata 27 desambra 2016 ity ny fivoahan’ny didim-pitsarana mahahasika an’i Augustin Andriamananoro. Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha mahavoasaringotra an’ingahy minisitry ny tetezamita, ka nisamborana sy nanagadrana azy.

Hamaky ny tohiny...

Senatera Virginie Nanao Bebe Noely tao Moramanga

27/12/2016

Ankizy 20 isaky ny fokontany 13 mandrafitra ny kaominina ambonivohitra Moramanga no nahazo fanomezana avy amin’ny Bebe Noely, Senatera Razanajato Virginie.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Da fety be da fety be

27/12/2016

Mahatsiaro an’i Jean kely aho izany ry Jean ! Inona aloha no maresaka any aminao any e ? Inona, hono, ny vaovao any amin’ilery iny?

Hamaky ny tohiny...

Actualités

Faly Ramakavelo Tokony hanavotra antsika io volamena io

27/12/2016

Mahagaga, hoy ny mpahay toekarena, Faly Ramakavelo, fa tsy tafiditra tao anatin’ny resaka mikasika antsika tao anatin’ny fihaonan’ny mpamatsy vola tany Parisy ny Sinoa kanefa ry zareo mpamatsy goavana indrindra eto.

Hamaky ny tohiny...

Tsenan’ny solika 2016 Niaka-bidy matetika ny Gazoala

27/12/2016

Nahitana fiakarany matetika ny vidin’ny gazoala sy ny solitany tamin’ity taona 2016 ity, raha ny tatitra voaray avy eo anivon’ny Ofisim-pirenena misahana ny akoranafo na ny OMH etsy Behoririka.

Hamaky ny tohiny...

Zavakanto Malagasy Taona mainty ny 2016

27/12/2016

Taona maloka ho an’ny sehatry ny zavakanto ity taona 2016 hivalona afaka andro vitsy ity. Tsy mamoha fotamandry fa maromaro ihany ireo mpanakanto nodimandry tamin’ity taona ity.

Hamaky ny tohiny...

Antsirabe Voaroba ny biraon’ny Faritra Vakinankaratra

27/12/2016

Nisy namaky ny biraon’ny Faritra Vakinankaratra. Nandritra ny fananganan-tsaina omaly alatsinainy no nampandrenesana ireo mpiasa ny fisian’ity tranga ity.

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa “FIAVOTA” Efa azo ny 8,5 tapitrisa dolara

27/12/2016

Mifantoka betsaka amin’ny fanampiana ara-bola ny mponina amin’ny asa fihariana sy ny fanjarian-tsakafo ary ny fidirana an-tsekoly ny tetikasa “FIAVOTA”, ka hahazo famatsiana mitentina 30.000 Ariary isam-bolana avy ny tokantrano miisa 45.000,

Hamaky ny tohiny...

Alasora Miara-tapaka ny jiro sy rano

27/12/2016

Saika nanerana ny renivohitra sy ny manodidina indray izao no nahitana sy nahenoana fahatapahan-jiro sy rano, ary efa mampiteny ny moana ny zava-misy.

Hamaky ny tohiny...

“La Voix d’Or” I Tendry no mendrika

27/12/2016

Lasan’i Tendry ny tapakila hihazo ilay toeram-pialamboly malaza eran-tany Disneyland any Parisy Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Edito

Lanin’ny mamba indray ny volabe ?

27/12/2016

Toy ny rano mikoriana ny fampanantenana mivoaka ny vavan’ny mpitondra eto, fa ny fanatanterahana dia mbola lavitr’ezaka. Raha misy aza izay mba asa kely atao dia fizahozahoana sy fanaovana propagandy no lasa aloha,

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana