Fil d'actualités du 26/03/2017

  • 26/03/2017 - 17:00 : Politika _Mpanohana an'i Marc Ravalomanana: Eny amin'ny kianjan'i Magro no hanamarihan'ny zanak'i Dada ny fahatsiarovana ny tolona nataon'ireo mahery fo tamin'ny taona 1947. Ho avy eny an-toerana ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana mivady mandritra io fotoana io.

  • 26/03/2017 - 16:30 : Baolina kitra _Fifanintsanana CAN 2019: Taorian'ny fandresena 1-0 tany an-tanin'olona dia mbola lavon'ny ekipam-pirenena tamin'ny isa 3-2 ny ekipan'i Sao Tome teo amin'ny lalao miverina eo dingana savaranonando hiakarana any amin'ny dingana famaranan'ny CAN 2019 hatao any Camerourn. Hiditra amin'ny fifanintsanana isam-bondrona ny Malagasy ka hifanandrina amin'i Sťnťgal, Soudan ary Guinťe Equatorial.

  • 26/03/2017 - 15:00 : Politika _Mpanohana an'i Marc Ravalomanana: Hiverina ny hetsika fanaon'ny mpanohana ny filoha Marc Ravalomanana mba hitakiana ny fanokafana ny orinasan-tserasera MBS. Nanomboka omaly ny hetsika ary hitohy isaky ny asabotsy mandra-pivalin'ny fangatahana.

  • 26/03/2017 - 14:00 : Iraisam-pirenena _Afghanistan: Maty vokatry ny daroka baomba nalefan'ny Amerikanina tamin'ny alalan'ny "drone" ny 19 septambra teo ny lohandohan'ny mpisorona eo anivon'ny vondrona mpampihorohoro Al-QaÔda antsoina hoe Qari Yasin, araka ny vaovao navoakan'ny Sekreteram-panjakana miandraikitra ny fiarovam-pirenena any Etazonia Qari Yasin omaly sabotsy.

  • 26/03/2017 - 11:00 : Fitaterana an'habakabaka: Hanatanteraka sidina in-telo isan-kerinandro mampifandray an'Antananarivo sy Addis Abeba Ethiopie ny Kaompania Etiopianina Ethiopian Airlines manomboka ny 28 martsa 2017, ka fiaramanidina Boeing 737-800 no hisahana izany.

  • 24/03/2017 - 18:30 : Fanambana Vohemar _Trangam-piarahamonina: Raim-pianakaviana iray nihanika teo ambony andrin-jiro androany atoandro ary namono tena nitsambikina avy any ambony avy eo, ka ny lohany no notatazan'ny arabe godorao, ary maty tsy tra-drano. Niparitaka eraky ny arabe mihitsy ny raha noho ny lohany nipotsaka tanteraka.

  • 24/03/2017 - 17:30 : Taom-baovao Malagasy: Hotanterahina ny Talata 28 Martsa sy ny 29 Martsa ho avy izao ny taom-baovao Malagasy ho aníny trano koltoraly Malagasy sy ny fikambanana Fitohasina. Etsy Mahamasina no hanatanterahana ny hetsika, izay hiantsoana ny Malagasy rehetra. Hampiavaka ny hetsika ny fampianarana ny Malagasy rehetra mikasika ireo karazana fomba tokony hajaina hisianíny fampandrosoana ho aníny isan-tokantrano.

  • 24/03/2017 - 16:30 : Orinasa Jirama: Mifarana rahapitso 25 janoary ny fametrahana antontan-taratasy ho an'ireo olona te hahazo ny toeran'ny Tale jeneralin'ny Jirama.

  • 24/03/2017 - 15:30 : Fanatanjahantena _Baolina kitra: Hatao eny Carionrahapitso sabotsy 25 martsa ho avy izao ny fivoriamben'ny Federasionina Malagasin'ny baolina kitra (FMF). Amin'io fotoana io no hanapahana ny hoavin'ny FMF taorian'ny nahalanian'Ahmad ho filohan'ny CAF.

  • 24/03/2017 - 15:00 : Ambodiarana Maroantsetra: Tanŗna iray manontolo nihotsahan'ny tany sy ny vato avy eny an-tendrombohitra, ka traboina tanteraka ny mponina satria potika ny ankamaroan'ny trano ary maro ihany koa ny olona naratra vokatr'izany.

Voir plus d'infos...

24/03/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161216

Misongadina

Augustin Andriamananoro Nidoboka eny Antanimora

16/12/2016

Taorianíny nisamborana aníi Augustin Andriamananoro ny sabotsy lasa teo sy nitazonana azy tany Miarinarivo dia nampidirana am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny tenany rehefa nampandalovina teny aminíny fampanoavana Anosy omaly.

Hamaky ny tohiny...

Politique

FFKM Manjaka eto ny kolikoly

16/12/2016

Hentitra ny fanambaraníny FFKM izay nivory tany Toamasina ny faramparaníny volana novambra lasa teo manoloana ny raharaham-piangonana sy ny fiainam-pirenena aminíny ankapobeny.

Hamaky ny tohiny...

Fisamborana aníi Augustin Andriamananoro Fitsipahana ny fihavanana, hoy ny Mapar

16/12/2016

Nanoloana ny fisamborana ny mpikambana ao aminíny vondrona politika Mapar, Augustin Andriamananoro, dia namoaka fanambarana mikasika ny tsy fankasitrahaníizy ireo tetsy aminíny foibeny etsy Ambodivona, ity vondrona ity omaly.

Hamaky ny tohiny...

Actualitťs

Filohaníny HAFARI Malagasy Marary mafy ao am-ponja

16/12/2016

Marary mafy ao aminíny fonjabeníAntanimora aminíizao fotoana izao ny filoha nasionaliníny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina.

Hamaky ny tohiny...

Fakoníny tanŗnaníi Toliara Hahodina ho zezika sy etona fandrehitra

16/12/2016

Am-perinasa ny foibe hanodina ny fakoníny tanŗnaníi Toliara ho lasa zezika sy hamokarana etona fandrehitra ary gazoala, ao Amboriha, Kaomininíi Belalanda, Toliara faha-2.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana