Fil d'actualités du 27/03/2017

  • 27/03/2017 - 17:00 : Fanamarihana ny 29 Martsa: Voarara ny mivorivory sy manao fidinana an-dalambe mandritra ny fanamarihana ny 29 martsa, hoy ny mpitandro filaminana eo anivon'ny CIRGN Analamanga androany.

  • 27/03/2017 - 15:00 : Politika _Antoko ADN: Tany Sadabe, distrikan'i Manjandriana no nanaovan'i Edgard Razafindravahy fitsidihany sy nampahafantariny ny tarigetran'ny antokony amin'ny alalan'ny fametrahana ny rafitra federalisma sahasa.

  • 27/03/2017 - 14:30 : Morondava _Ambalavelona: Voatery nakatona ny sekoly sasany any Morondava noho ny fisian'ny Ambalavelona. Mahatratra 25 izany amin'izao fotoana izao, ka ankizivavy avokoa no voa, ary vao tsy ela akory izay no nahavoazan'ny 8 tamin'izy ireo. Mpianatra anatin'ny kilasy faha-4 sy faha-5 ny ankabeazan'izy ireo. Tsy mbola hita aloha izay tena vahaolana hatreto.

  • 27/03/2017 - 14:00 : Fivahinianana tsy ara-dalàna sy fivarotan-tena: Teratany Malagasy miisa 16 voasambotra tatsy amin'ny nosy Maorisy ny faran'ny herinandro teo. Mody nanao fizahantany izy ireo saingy mivaro-tena no tena ataony. Isan'ny mampahazo vahana ity toe-javatra ity ny fanaovana ny fahazoan-dàlana mivoaka any ivelany amin'ny alalan'ny "Passport and Immigration Office" na PIO, izay fomba hivoahana ny firenena fotsiny.

  • 27/03/2017 - 13:30 : Taom-baovao Malagasy: Anio amin'ny 3 ora sy sasany eny amin'ny tahala Rarihasina ny fandrehetana ny afo tsy maty mariky ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy. Aorian'izany dia hisy ny fandehanana eny amin'ny sampanan'Ambohitrimanjaka, ka hisy ny fandefasana afomanga anio takariva.

  • 27/03/2017 - 13:00 : Barean'i Madagasikara _Fifanintsanana CAN 2019/ Hifandona amin’ny Ekipan’i Soundan ny ekipam-pirenena Malagasy ny 13 jona 2017 ; hifampikatroka amin’i Sénégal ny 27 jona 2018; hifanazava amin’i Guinéé Equatorial ny 3 septambra 2018, ka ny 11 septambra ny lalao famerenana. Ny 16 oktobra 2018 kosa ny lalao famerenana amin’i Soudan.

  • 27/03/2017 - 12:30 : EDBM: Hanokatra rantsana any Chine ny vovonana ara-toekarena "Economic Development Board of Madagascar" na ny EDBM. Tanjona ny hametrahana fifandraisana sy fifamatorana matotra amin'ny mpamatsy vola avy any amin'ity firenena isan'ny miroborobo indrindra eto ambonin'ny tany ity.

  • 27/03/2017 - 12:00 : Tranombokim-pirenena Anosy:Ny praiminisitra lehiben'ny governemanta Mahafaly Olivier no nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ny fanamarihana ny faha-70 taonan'ny tolona 1947, izay marihina amin'ny alalan'ny fampiratiana eny an-toerana amin'izao fotoana izao.

  • 27/03/2017 - 11:45 : Ambatoboeny _Trangam-piarahamonina: Lehilahy iray tokony ho 37 taona maty nisy namono tamin’ny alalan’ny vely kibay teo amin’ny lohany ny herinandro lasa teo. Olona miisa 7 ahiana ho tompon’antoka voasambotra, ary efa natolotra ny fampanoavana.

  • 27/03/2017 - 11:15 : Fanamarihana ny 29 martsa: Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy androany eny amin'ny tranombokim-pirenena Anosy ny fanamarihana ny faha-70 taonan'ny tolom-panafahana tamin'ny 1947. Mikarakara izany ny minisiteran'ny serasera sy ny fifandraisana amin'ny andrim-panjakana aminin'ny alalan'ny ANTA na Sampana nasionaly momba ny fampahalalam-baovao miaraka amin'ny minisiteran'ny kolontsaina.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161207

Misongadina

Ranomasimbe Indianina I Neny no filoha

07/12/2016

Hisokatra anio alarobia amin’ny fomba ofisialy eto Antananarivo Renivohitra ny fivoriamben’ny AVCOI (Association des Villes et Collectivités de l’Océan Indien).

Hamaky ny tohiny...

Politique

DISTIM Ambohimanarina Mitohy ny fanamafisana orina ny antoko

07/12/2016

Mitohy ny fitsidihina sy fanamafisana orina ny antoko TIM, araka ny toromarika nomen'ny Filoha Nasionalin’ny TIM, Atoa Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny...

Toavina Ralambomahay “Misy minisitra tokony hosoloina”

07/12/2016

Hafahafa ny fandehan’ny raharaham-pirenena, hoy ny mpandinika politika, Toavina Ralambomahay, satria vitsy dia vitsy ny solombavambahoaka nifidy ny lalàna mikasika ny tetibolam-panjakana.

Hamaky ny tohiny...

Asa fanakorontanana Mampitandrina ny Kung fu

07/12/2016

10,4 miliara dolara no famatsiam-bola azon’i Madagasikara taorian’ny fivoriana tany Paris ny 1 sy 2 desambra lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Aza mihevitra anay ho vendrana e !

07/12/2016

Mbola lasa ihany ny saina ankehitriny ry Jean hoe tamin’ny fomba ahoana ary no nahazoanareo fankatoavana ka nahatonga ny vozongo hampindrana volabe anareo a !

Hamaky ny tohiny...

Actualités

Fiarahan’ny mitovy fananahana Zava-doza ho an’ny Malagasy

07/12/2016

Foto-kevitra sy foto-pisainana voizina amin’izao fotoana izao ny fanomezana vahana ny fiarahan’ny olona mitovy fananahana na ny LGBT (Lesbian, Gay, Bisexual and Transgender).

Hamaky ny tohiny...

Tsy maintsy lava izao

07/12/2016

Voizina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena fa ny varotra amin’ny alalan’ny hairaha vaovao izao no malaza dia milaza ireo tompon’andraiki-panjakana fa tsy maintsy miditra amin’izay isika na tsy mahay mamaky teny sy manoratra aza.

Hamaky ny tohiny...

Lalànan’ny fanaovan-gazety Be ny lesoka, hoy ny mpandinika

07/12/2016

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny café de la gare Analakely omaly ny voka-pikarohana iray mikasika ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety eto amintsika,

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran’ny asa sy ny lalàna sosialy Tale nisoloky 17 tapitrisa ariary

07/12/2016

Misesisesy ny raharaha maloto andrenesana anarana tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Mitango vola sady mampihorohoro Tra-tehaka ireo « inspektera CUA » sandoka

07/12/2016

Saron'ny tompon'andraikitra ao amin’ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, teo am-panatanterahana asa fisolokiana efa mahazatra azy,

Hamaky ny tohiny...

"Chambre" fanaovana firaisana Mandeha be ny tsena

07/12/2016

Anisan’ny toerana iray be mpitsidika tato ho ato, indrindra fa ho an’ireo mpifankatia miafina ny efitrano eny amin’ireny hotely fandraisam-bahiny ireny.

Hamaky ny tohiny...

FELANA RAVELOARISON Namoaka ny boky “mpandrary fitia”

07/12/2016

Namoaka ny boky “mpandrary fitia “indray i Felana Raveloarison, mpanoratra malaza tsy zoviana amintsika intsony, mpikambana mavitrika eo anivon’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy ( FIMPIMA).

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana Tittel Nahazo tohana avy amin’ny Airtel

07/12/2016

Betsaka ireo fikambanana te hanohana sy handray an-tanana ireo olona manana fahasembanana eto amintsika, indrindra fa ny ankizy saingy ny hoenti-manana no tsy ampy.

Hamaky ny tohiny...

Fanatsarana ny fitateram-bahoaka Mila tolo-bidy iraisam-pirenena

07/12/2016

Avy amin’ny hetra avokoa ny 40% amin’ny vidin-tsolika, ka tokony hahena io hetra io satria miankina amin’io vidin-tsolika io avokoa ny vidin-javatra eto amin’ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Tsipy kanetibe Homena trano sa fiara izy efa-dahy tompondaka erantany ?

07/12/2016

Tompondaka erantany amin’ny tsipy kanetibe i Madagasikara, taorian’ny andiany faha-47 notanterahina teto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana