Fil d'actualités du 24/06/2017

  • 24/06/2017 - 08:30 : Fikambanana Zana- dRanavalona : Hankalaza ny alahamady eny Anosimanjaka. ny Fikambanana Zana- dRanavalona anio 24 jona. Mifanandrify amin’ny fanisan’andro nataon- dRalambo sy ny abibo izy io, hoy Ravelonarivo Alain Eddy avy amin’ny fikambanana. “Taom-baovaovao eto Imerina” no anarana nosafidian’ny zana-dRanavalona hoenti- manatanteraka ny hetsika. Hisy ny hiragasy goavana hamaranana ny hetsika rahapitso 25 jona.

  • 24/06/2017 - 08:00 : Ambatondrazaka: Nivoaka androany maraina ny valim-panadinana CEPE.

  • 23/06/2017 - 14:30 : Marovoay _Fiaramanidina nianjera: Fiaramanidina kely iray tra-doza omaly maraina, ka nianjera teny an-tanimbary. Fiaramanidina tsy miankina nofain’ny orinasa Leader Price izy io. Teratany vahiny iray sy Malagasy iray no tao anatiny, saingy tsy nisy naninona izy ireo.

  • 23/06/2017 - 13:30 : Fanamarihana ny fetim-pirenena_Fitandroana ny filaminana: Arak any fanambaran’ny mpitandro filaminana teny amin’ny Toby Ankadilalana androany, dia hatramin’ny 1000 ireo mpitandro filaminana hahetsika mandritra ny fanamarihana ny fetim-pirenena, indrindra fa ny takarivan’ny 25 jona hanapoahana ny afomanga sy ny 26 jona hanaovana ny matso eny amin’ny Kianjaben’I Mahamasina.

  • 23/06/2017 - 13:00 : Fanadinana CEPE: Mbola mitohy ny ady hevitra momba ny laza adina “laza olana” na “Problème”. Mahatsikaritra ny ankamaroan’ny mpitsara fa tsy voalanjalanja ny fanadinana. Tsy takatry ny ankizy ny fanontaniana sasantsasany. Vitsy tamin’ny ankizy no nahazo ny naoty antsasa-manila. Mety ho tsy tena mpampianatra no namolavola ny laza adina fa mpiasa birao, hoy ny fanamarihan’ny mpampianatra. Manahy ny mpampianatra fa ho ratsy ny vokatra.

  • 23/06/2017 - 12:30 : Madera Namontana _Trangam-piarahamonina: Vehivavy iray maty nisy namono tao an-tranony androany atoandro.

  • 23/06/2017 - 12:00 : Fitondrana volabe atsokosoko: Mpivady Malagasy voasambotra any amin'ny Nosy Maorisy noho ny fitondrana volabe mitentina manodidina ny 267 tapitrisa ariary, izay tsy nanaovana fanambarana tamin'ny manam-pahefana. Nogiazan'ny manam-pahefana Maorisianina ireo volabe ireo.

  • 23/06/2017 - 11:30 : Fanamarihana ny fetim-pirenena _Ahiana ny fanakorontanana: Nisy trakta niely teny Mahamasina sy ny manodidina ary milaza ny tsy tokony handehanana ao amin’ny kianja amin’ny 26 jona fa misy mitady hanakorontana indray. Efa tonga teny anivon’ny mpitandro ny filaminana izany vaovao izany saingy somary nokobonina ihany sao angamba mitondra savorovoro ho an’ny olona. Na izany aza misy ny fanadihadiana mangingina mandeha amin’izao fotoana.

  • 23/06/2017 - 11:00 : CEPE: Rahapitso 24 jona no hanaovana ny ady hevitra amin'ny naoty farany ambany hahafahana manafaka ny mpiadina na ny "Déliberation" ho an'Antananarivo Renivohitra. Ny alahady 25 jona izao no tombanana hivoahan'ny valim-panadinana CEPE manerana ny Nosy, raha ny fanomezam-baovaon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Azo jerena ao amin'ny tranokalan'ny Minisitera sy ny pejy "facebook" ny valim-panadinana. Azo atao ihany koa no mandefa ny laharan'ny mpiadina amin'ny alalan'ny hafatra fohy na "SMS" amin'ny laharana 606 hahafahana mamantatra ny valim-panadinana.

  • 23/06/2017 - 10:30 : Marc Ravalomanana: Anio 23 jona no fotoana voatondro hihaonan'i Marc Ravalomanana mivady sy ny delegasionina miara-dia aminy hihaonana amin'ireo Malagasy mpila ravinahitra any Canada, ka ao Montréal no hanatanterahana izany.

Voir plus d'infos...

23/06/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161202

Misongadina

Tale jeneralinny Bianco Hoesorina fa tsy namana ?

02/12/2016

Aza mikitikitika ireo mpiara-miasa akaiky aminny filoha raha tsy te hahita raharaha ! Izay indray izao no resaka mandeha taorianiny raharaha fanodinkodinam-bola tany aminireo Kaominina, toy ny tao Ambohimahamasina Distrika Ambalavao,

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fikaonan-doha any Paris Hampindrana 6 miliara dolara ny mpamatsy vola

02/12/2016

Nanomboka omaly ary hifarana anio any Paris, renivohitra Frantsay ny fikaonan-doha iarahanny mpitondra Malagasy sy ireo mpamatsy vola

Hamaky ny tohiny...

Mpamatsy vola Mitaky fifidianana tsy misy nini

02/12/2016

Hifarana anio zoma 2 desambra ny fivoriana momba ny famatsiambola sy fampiasambola ho anny fampandrosoana ani Madagasikara tanterahana ao aminny foibenny Unesco ao Paris- Frantsa.

Hamaky ny tohiny...

Claudine A&C Eto aho, ary tsy niala nandositra teto

02/12/2016

Nivoaka taminny fahanginany Rtoa Razaimamonjy Claudine tomponny hotely lehibe fandraisam-bahiny A&C Palace etsy Ivato, taorianny raharaha nahoraka an-gazety mahavoarohirohy azy teny aminny Bianco.

Hamaky ny tohiny...

Dinika ho fanavotam-pirenena Matoky fa hirodana ny fitondrana

02/12/2016

Miandry ny fanangonan-tsonia aminny mpiray tanindrazana manerana ny nosy izay hataonilay vondrona politika dinika ho fanavotam-pirenena na ny DFP sisa ny fianakaviambe iraisam-pirenena, raha ny fanazavanity vondrona ity tetsy aminny espace dera etsy Tsiadana omaly,

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Trosa lovain-taranaka !

02/12/2016

Tena miakatra ry Jean ny zava-drehetra a ! Miakatra ny vidin-tsolika, miakatra ny vidinny PPN, miakatra an-tanna ny dahalo, dia miakatra ihany koa ny rano eto an-drenivohitra. Miakatra avokoa izay te hiakatra e !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Bokan-trosa

02/12/2016

Toy ilay zava-manahirana iray izay ny milaza azy ka ny avo ihany no tovonana, hoy ny fitenenana. 620.000 ariary latsaka kely na 200 dolara eo ho eo,

Hamaky ny tohiny...

Poa-basy Antanimena Nipotsaka ny atidohanilay jiolahy

02/12/2016

Lehilahy 4 nikononkonona fanafihan-jiolahy no efa narahin'ny mpitandro ny filaminana hatrany Behoririka ka hatreny Antanimena omaly tokony ho taminny 2 ora tolakandro.

Hamaky ny tohiny...

Kolikoly eto Madagasikara Noresahanny TV5 Monde

02/12/2016

Lohahevitra iray noresahana nandritra ny fihaonana an-tamponny Frankofonia ny 22 hatraminny 27 novambra 2016 tao aminny TV5 Monde ny tontolonny kolikoly eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Tsy ampy lanja ny 20%-nireo zaza latsaky ny 5 taona

02/12/2016

Mbola olana goavana ho anireo ankizy madinika manerana ny Nosy ny tsy fahampian-tsakafo. Ho antsika eto an-drenivohitra dia ny 20 %-nireo

Hamaky ny tohiny...

ARETINA SIDA 800 isanandro no mamoy ny ainy maneran-tany

02/12/2016

Mitombo isa hatrany ireo olona matinny aretina SIDA maneran-tany. Tafakatra 800 isanandro ireo mamoy ny ainy maneran-tany izay mahatratra hatrany aminny 2 ka hatraminny 3 tapitrisa isan-taona raha ny tarehimarika voaray.

Hamaky ny tohiny...

Tolotra fetinny noely Tsy ho diso anjara ireo mpanjifanny Canal plus

02/12/2016

Saika mikarakara fanomezana manokana ho anny mpanjifany avokoa aminizao ankatoky ny fetinny Noely sy ny faranny taona izao ireo karazana orinasa eto an-drenivohitra. Anisanizany ny orinasa Canal Plus izay nampahafantatra ilay tolotra grand show de noel nanomboka omaly alakamisy 01 desambra

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana