Fil d'actualités du 28/03/2017

  • 28/03/2017 - 12:30 : Vondrona Eoropeanina: Hatao eny amin'ny Tour Zital Ankorondrano, rihana faha-9 ny 31 martsa izao ny fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa miisa 5 mba ho fanampiana an'i Madagasikara sy fanarenana ny voka-dratsin'ny rivo-doza, izay nanaovana antso vonjy iraisam-pirenena. Miara-miombon'antoka amin'izany ny Croix Rouge Frantsay, CARE France, MEDAIR, Welt Hunger Hilfe (WHH), Dans Rode Kors (Croix Rouge Danoise) ary ny Croix Rouge Malagasy (Antananarivo).

  • 28/03/2017 - 12:00 : Orinasa Jirama _Kandida ho Tale jeneraly: Maherin'ny 70 ireo kandida nametraka ny antontan-taratasiny, ka miisa 3 ireo teratany vahiny. Hiroso amin'ny sivana avy hatrany ny kabinetra misahana izany. Ny filoham-pirenena kosa no voalaza fa hanao ny safidy farany miainga amin'ireo kandida 3 voalohany mivoaka amin'ny alalan'ny sivana.

  • 28/03/2017 - 11:45 : ONG BEL AVENIR Toliara: Nanomboka omaly 27 martsa ary tsy hifarana raha tsy ny 2 aprily ny asa sosialy tanterahiníny ONG BEL AVENIR any Toliara ny fanentanana momba ny fisorohana ny voka aloha loatra sy ny aretina azo avy aminíny firaisana ara-nofo.

  • 28/03/2017 - 11:30 : 67 Ha _Fandrodanana trano: Amin'ity androany ity no hanatanterahana ny didim-pitsarana efa nivoaka tamin'ny taona 2011, ka hirosoana amin'ny fandrodanan'ny tompon-tany hatrehin'ireo vadin-tany ny trano miisa 70 eo ho eo eny 67Ha. Tsiahivina fa efa niteraka savorovoro teo amin'ny mpitandro filaminana sy ny mponina izany ny faran'ny herinandro teo ary ahiana ny mety hisian'ny korontana anio.

  • 28/03/2017 - 11:15 : Fenoarivo Antsinanana _Fitsaram-bahoaka: Mpangalatra lavanila miisa 2 lahy indray no maty novonoin'ny olona. Mbola voarara tanteraka ny fiotazana lavanila amin'izao fotoana izao na misy masaka aza satria tsy mbola misokatra ny taom-piotazana.

  • 28/03/2017 - 11:00 : Fahantrana _Filaharana aty Afrika: Mitana ny laharana faha-26 amin'ny firenena miisa 54 i Madagasikara amin'izao fotoana izao.

  • 28/03/2017 - 10:45 : CENI: Nilaza i Hery Rakotomanana, Filohan'ny Vaomieram-pirenena momba ny Fifidianana (CENI) fa vonona ny hametra-pialŗna raha tsy mahatanteraka ny andraikitra nankinina taminy, dia ny fikarakarana fifidianana kendrena hotontosaina eto Madagasikara ny taona 2018, dia ny fifidianana filoham-pirenena sy ireo hafa toy ny lehiben'ny faritra.

  • 28/03/2017 - 10:15 : Anosibe _Trangam-piarahamonina:Tovovavy iray tokony 14 taona nandoa rŗ ary tsy nahatsiaro tena omaly vokatry ny fihinana olatra misa poizina. Nentina teny amin'ny sampana vonjy taitran'ny hopitaly HJRA ny tenany ary avotra soa aman-tsara saingy mbola arahi-maso akaiky ny fahasalamany.

  • 28/03/2017 - 10:00 : Oniversiten'i Toliara: Nitokona nanomboka omaly ny mpampianatry ny anjerimanontolon'i Maninday Toliara, ka mitsahatra ny fampianarana any an-toerana amin'izao fotoana izao.

  • 28/03/2017 - 09:30 : CNEF "Confťrence Nationale des Entitťs Fťdťralistes":Hanatanteraka valan-dresaka arahina ady hevitra momba ny rafitra federalisma ny CNEF ny 30 martsa ary hanatitra fehezam-boninkazo eny Sonierana ho fahatsiarovana ireo mpitolona federalista notifirina izy ireo. Hanatitra fehezam-boninkazo ihany mandritra ny fanamarihana ny tolon'ny maherifo rahapitso 29 martsa.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161201

Misongadina

Hery Rajaonarimampianina Voahodidina mpanao afera

01/12/2016

Tsy takona afenina intsony ny laza ratsiníireo mpanolotsaina akaiky ny filoha noho ny resaka afera maloto. Maro dia maro izy fa 3 no tena malaza fa tsy azo kitikitihina, ka na i Hery Rajaonarimampianina aza dia toa entiníizy ireo aminíny sangany matoa tsy afaka manitsy azy ireo, na dia efa voahoso-potaka matetika aza.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Rasolofo Andrť Be jiolahy ekonomika eto

01/12/2016

Miankina amintsika rehetra ny hoaviníny frankofonia, hoy ny mpahay toekarena sady mpandinika raharaham-pirenena, Andrť Rasolofo, satria be loatra ny jiolahy ekonomika eto.

Hamaky ny tohiny...

Tetibola 2017 Maivana ny lafiny sosialy, hoy ny CCOC

01/12/2016

Miankina loatra aminíny fanampiana avy any ivelany isika ary tsy ampy ny resaka sosialy ao anatiníilay tetibolam-panjakana,

Hamaky ny tohiny...

Fanavaozana ny lisi-pifidianana Mpifidy 10 tapitrisa no tanjoníny CENI aminíny 2018

01/12/2016

Hosokafana aminíny fomba ofisialy any Toliara, anio alakamisy 01 desambra 2016 ny Fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana 2016-2017 manerana ny Nosy.

Hamaky ny tohiny...

Fanodinkodinam-bola 390 tapitrisa ariary Voatonona koa ny senatera Riana Andriamandavy VII

01/12/2016

Miketrika mafy taminíny fanavotana ny beníny tanŗnaníAmbohimahamasina Tsabo Pierre sy i Claudine Razaimamonjy, voafatotra taminíny resaka kolikoly sy fanodinkodinana vola mitentina 390 tapitrisa ariary,

Hamaky ny tohiny...

Fizahana maso teny Ambohimanarina Natolotry ny depiote TIM maimaimpoana

01/12/2016

"Ireo dokotera mitsabo sy mizaha fa Jesoa kosa manasitrana" no lohahevitra nanompanana ny hetsika Fizahana maso maimaimpoana natolotry ny Depiote TIM Rtoa Rasoanoromalala Horace

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasiníi Jean Hifanatrika Ö

01/12/2016

Manakory ianao ry Jean malala ! Tsy hilamina intsony aloha raha ny fahitako anareo izao e ! Hifanatrika moa izany ianareo sy ny fivondronana anio ?

Hamaky ny tohiny...

Actualitťs

Faritra Analamanga Mananontanona ny pesta

01/12/2016

Atahorana sahady ny aretina pesta eto aminíny Faritra Analamanga, aminíizao fiandohaníny fotoam-pahavaratra izao.

Hamaky ny tohiny...

Sampana lalŗna eny Ankatso Misy kolikoly avo lenta, hoy ny mpianatra

01/12/2016

Tsy any aminíny sampandraharaham-panjakana ihany no andrenesana kolikoly isan-karazany fa hatrany aminíny fampianarana ambony miankina aminíny fanjakana.

Hamaky ny tohiny...

Kapiteny Faneva Mampitaraina ny mponina ao Tolagnaro

01/12/2016

Miteraka resabe ary mampitaraina ny mponina ao Tolagnaro ny fepetra momba ny fivezivezeníny olona ao an-tampon-tanŗna noraisiníny Kapiteny Ramilison Faneva Lucas, fantatry ny maro aminíny anarana ďKapiteny FanevaĒ,

Hamaky ny tohiny...

Scoop Digital Miala any indray ny "Adisanina fandio"

01/12/2016

Tsy mandalo fotsiny ho aníny tranom-pamokarana Scoop digital ny fandehananíireo mpilalao sarimihetsika kalazalahy ao aminy mitety faritra fa dia naravony ho tantara an-tsehatra entina hampitana hafatra aminíny fiarahamonina ihany koa.

Hamaky ny tohiny...

Fampiharana ny miralenta Mitarazoka ny eto Madagasikara

01/12/2016

Betsaka ireo sonia efa nataontsika teto Madagasikara mikasika ny fampiharana ny miralenta saingy tsy mbola hita izay tena fampiharana azy.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Samia tonga saina e !

01/12/2016

Fifandresen-dahatra aminíny mpamatsy vola tanterahina any Paris renivohitra Frantsay indray izao no malaza taorianíny fihaonana an-tamponíny frankofonia

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Fitiliana diabeta Nahasarika olona marobe

01/12/2016

Fahombiazana taminíny ankapobeny ilay hetsika fitiliana diabeta maimaimpoana notanterahiníny AMADIA ( Andiana Malagasy miady aminíny Diabeta) sy ny Pharmadiff tetsy aminíny lapaníny tanŗnaníAnalakely omaly.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana