Fil d'actualités du 22/08/2017

  • 22/08/2017 - 16:00 : Amboanjobe Atsimondrano _Asan-jiolahy: Fivarotana sady toeram-pisotroana iray nisy nanafika ny tolakandro teo, ka voatifitra teo amin'ny kibony ny tompon-tsena. Jiolahy 2 kosa no maty ary 2 tafaporitsaka raha ny fampitam-baovao vonjimaika.

  • 22/08/2017 - 14:30 : Mahajanga _Bakalorea 2017: Hatao ao amin'ny Lisea tsy miankina Saint-Gabriel ny 24 aogositra izao manomboka amin'ny 7 ora sy sasany maraina ny ady hevitra sy ny fanapahana amin'ny naoty farany ambany hanafahana ny mpiadina na ilay antsoina hoe "délibération".

  • 22/08/2017 - 14:00 : Anosy _Fanendahana: Mpanendaka iray teo amin'ny fiantsoanan'ny taksibe eo Anosy no voasambotra ny atoandro teo. Saika niharan'ny fitsaram-bahoaka izy io raha tsy tonga ara-potoana ny polisy.

  • 22/08/2017 - 13:30 : Fikambanana FIZAFATO: Tsy manaiky ny fifidianana ny filohan'ny Fikambanana natao ny 6 aogositra lasa teo, izay nahalanian'i Maharante Jean de Dieu i Berckley Andriamanarivo, izay saika hirotsaka kandida saingy niala an-daharana noho ny fahitany resaka tsy fanarahan-dalàna. Hanetsika ireo herivelona rehetra avy any Toliara ny tenany hanohitra iny fifidianana iny.

  • 22/08/2017 - 13:00 : Fitaterana: Manoloana ny firongatry ny lozam-Handraisana fepetra manokana ireo fiara manokana hampanofaina na ny "Voiture de location", ary efa nisy ny naoty navoaka momba izany. Mivoitra ao anatin'izany ny mikasika ny taratasin'ny fiara sy ny kalitaony ao anatiny sy ivelany amin'ny alalan'ilay antsoina hoe: “visite de confirmité", araka ny nambaran'ny Kolonely Andry Rakotondrazaka, Tale Jeneralin'ny ATT.

  • 22/08/2017 - 12:30 : Tolagnaro: Tanterahina ao amin'ny Lapan'ny tanàna any an-toerana naomboka omaly hatramin'ny 25 aogositra izao ny fihaonambem-pirenena ho an'ny mpitsabo mpanampy manerana an'i Madagasikara.

  • 22/08/2017 - 12:00 : Any ivelany _Italie: Nisehoana horohoron-tany mahery vaika tany amin'ny Nosy Ischia any Italie, ka olona 2 hatreto no namoy ny ainy.

  • 22/08/2017 - 11:30 : Fifidianana 2018 _Tetibola ilaina: Mahatratra hatrany amin'ny 85 miliara ariary ny vola ilaina amin'ny fanatanterahana ny fifidianana 2018. Ny 12 tapitrisa Euros, izany hoe 35 miliara eo ho eo dia avy amin'ny mpiara-miombon'antoka teknika sy ara-bola avy amin'ny sehatra iraisam-pirenena ary ny 40 ka hatramin'ny 50 miliara ariary kosa hiantohan'ny Fanjakana Malagasy, izay efa noresahina ao anatin'ny lalàna momba ny tetibolam-panjakana 2017.

  • 22/08/2017 - 11:00 : Faritra Anôsy: Kaominina miisa 20 nomena fampitaovana toy ny solosaina, imprimante, takelaka mandeha amin'ny herin'ny masoandro omaly 21 aogositra. Efa andiany faharoa izao taorian'ny tamin'ny taon-dasa, ka ireo kaominina 9 ao amin'ny distrikan'Ambosary Atsimo sy 11 ao anatin'ny distran'i Tolagnaro, izay tsy mbola nahazo tamin'ny taon-dasa no nisitraka ireo fitaovana ireo.

  • 22/08/2017 - 10:30 : Ambanidia _Mpangalatra fiara tratra: Lehilahy iray mpangalatra fiara tratra teny Ambanidia vao minitra vitsy lasa izay. Teo Ambanidia akaikin'ny BOA, raha iny nametraka ny fiarany iny ny lehilahy iray, ary niditra tao amin'ny banky dia efa nihaodihaody teo ilay olon-dratsy, izay manana fahazoan-dàlana hamily. Fiara mihidy kanefa tafiditra tao anatiny ny tenany, saingy tra-tehaka ary voasambotra.

Voir plus d'infos...

22/08/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161125

Misongadina

AAA - TIKO Miverina aminny heriny

25/11/2016

Hiverina aminny heriny tsy ho ela ny orinasa TIKO, taorianny taona 2009 izay nanapotehana tanteraka ity orinasa Malagasy iray ity.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Famaranana ny frankofonia Hanahirana ny mpitandro ny filaminana

25/11/2016

Hitohivakana manomboka anio ny fihetsiketsehana isan-karazany manodidina ny fanehoana aminireo vahiny rehetra mandray anjara aminny fihaonambenny frankofonia fa maro ny tsy fetezan-javatra mitranga sy efa nitranga kanefa afenimpeninireo mpitondra eto aminny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Raha tsy nahongana Ravalomanana Tsy toy izao intsony ny fiainanny Gasy

25/11/2016

Ny ankamaroanny Malagasy dia samy milaza avokoa fa tsy toy izao isika raha tsy nanaovana ankasomparana i Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Nanaka-dresaka ani Neny

25/11/2016

Niara-dalana hatrany ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny benny tannanAntananarivo Renivohitra, Lalao Ravalomanana, teny Tanjombato, omaly, niara-nitsidika ireo tranoheva naranty nandritra ny vela-tsehon'ny SIM 2016.

Hamaky ny tohiny...

Voahangy Rajaonarimampianina Fa lasa aiza e ?

25/11/2016

Taorianny fihaonambenireo firenena mivondrona ao anatinilay komisionina mifanerasera ara-barotra aty aminny fari-dranomasini afrika atsinanana na COMESA

Hamaky ny tohiny...

Frankofonia 2016 Baraingo ny isanireo filoham-panjakana ho avy

25/11/2016

Ora sisa no hisaina dia higadona ny 26 novambra hanombohanilay fihaonana an-tamponny Frankofonia eto Antananarivo.

Hamaky ny tohiny...

Governemanta Iza no hodakana ?

25/11/2016

Raha mbola anatiny tanteraka ny fihaonana an-tamponny Frankfnia dia ny mety hitranga aorianity andiany faha-16 ampiantranoani Madagasikara ity indray izao no be mpiresaka, indrindra eo aminny fitantanam-panjakana.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasini Jean Ahoana izany solomasonareo izany ?

25/11/2016

Tantanta Jean a ! izany, hono, ianareo dia nahazo solomaso vaovao ? Ilay hoe nozaraina taminny frankofonia e ! Sady hafa kely hoe ilay izy ?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Mpampianatra mpikaroka Tsy laharam-pahamehana ny frankofonia

25/11/2016

Nisokatra omaly alakamisy ary hifarana anio zoma hariva eny Ambohipo ny filankevi-pirenenny SECES (Sendikanny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra), izay handinihany ny raharaham-pirenena sy ny fiainan'ny oniversite ary ny fitakiany.

Hamaky ny tohiny...

Kerzena, gazoala, lasantsy Manana tahiry 11 andro Antananarivo

25/11/2016

Miakatra ny filana solika aminizao herinandro ampiantranoani Madagasikara ny fihaonana an-tampony ny Frankfonia andiany faha-16 izao,

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Hahazo 65 tapitrisa dolara avy aminny Banky iraisampirenena

25/11/2016

Nankatoavinny filankevi-pitantananny Banky iraisampirenena ny 22 novambra teo ny fanomezana vola mitentina 65 tapitrisa dolara ani Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Orange Madagascar Miroso aminny 4G

25/11/2016

Tsy mitsaha-mivoatra ny orinasam-pifandraisana Orange aminny fanatsarana ny kalitaonny tolotra omeny ny mpanjifa, indrindra fa ny internet ho anny rehetra.

Hamaky ny tohiny...

VONDRONA STAR Handray anjara aminny fampandrosoana ny toekarem-pirenena

25/11/2016

Handray anjara aminny fampandrosoana ny toekarem-pirenena ny vondrona Star

Hamaky ny tohiny...

TANORA MPANDRAHARAHA MENDRIKA TAONA 2016 Lasan-dRaveloson Andry ny amboara

25/11/2016

Lasan-dRaveloson Andry, tale mpitantana ny orinasa mpanamboatra fromazy Sodimilk ny amboara taminilay fifaninanana tanora mpandraharaha mendrika taona 2016 nokarakarainny banky BNI Madagascar.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Fanjakanny maizina !

25/11/2016

Lavitry ny kitay ny afo aminny hisianny mangarahara eto aminny firenena ato ho ato. Maizina aminny vahoaka ny zava-drehetra, ka tsy atao mahagaga raha fanjakanny maizina no hiantsoanny besinimaro ny fanjakana ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana