Fil d'actualités du 27/03/2017

  • 27/03/2017 - 11:15 : Fanamarihana ny 29 martsa: Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy androany eny amin'ny tranombokim-pirenena Anosy ny fanamarihana ny faha-70 taonan'ny tolom-panafahana tamin'ny 1947. Mikarakara izany ny minisiteran'ny serasera sy ny fifandraisana amin'ny andrim-panjakana aminin'ny alalan'ny ANTA na Sampana nasionaly momba ny fampahalalam-baovao miaraka amin'ny minisiteran'ny kolontsaina.

  • 27/03/2017 - 11:00 : " Laboratoire photographique de Madagascar": Nodimandry omaly teo amin'ny faha-78 taonany i Emile na Ramily, iray tamin'ireo tompony sady teknisianina namorona voalohany ny " Laboratoire photographique de Madagascar".

  • 27/03/2017 - 10:45 : Toamasina _Sosialy: Manomboka mampiaka-peo sy tezitra ny vahoaka amin'izao fotoana izao noho ny olana ara-tsosialy isan-karazany: delestazyy lavareny, tsy fandriampahalemana. Mampiteny ny moana ny vidim-bary izay tafakatra hatrany amin'ny 3000Ar/kg. Ahiana ny fipoahana ara-tsosialy.

  • 27/03/2017 - 10:30 : Fiaraha-miasa Madagasikara-Chine: Hisy ny tetikasa antsoina hoe "Ville intelligente" hiarahan'ny fanjakana Malagasy sy ny orinasa sinoa Huawei manatanteraka, ka votoatin'izany ny fametrahana ny teknolojia hahafahana manara-maso ireo zava-misy eto an-tanan-dehibe amin'ny alalan'ny fametrahana ireny " caméras de surveillance" ireny.

  • 27/03/2017 - 10:15 : Fanatanjahantena _Tsipy kanetibe: Voahosotra ho tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny olon-droa miaraka i Jean Jacky sy Rams mpilalao "Club Bouliste d'Antananarivo" nandritra ny lalao famaranana natao teny Mahamasina omaly, izay nadavoany an'i Mamy Mainty sy Jeannie tamin'ny isa 13-10. Izy ireo no hisolo tena an'i Madagasikara eo amin'ny fiadiana ny tompondakana eran-tany hatao any Belgique ny 13-16 aprily izao.

  • 27/03/2017 - 10:00 : Fiaraha-miasa Madagasikara-Chine: Fifanaraham-piaraha-miasa maro no hatao sonia any Beijing Chine anio, ka hanatanteraka izany ny filoha Malagasy Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha sinoa. Isan'ireny ny fametrahana ny "Zone Economique Spéciale" eto Madagasikara, ny fanamboarana ny lalam-be migodana Antananarivo-Toamasina, ny fanamboarana seranantsambo any amin'ny baie de Narinda sy ny maro hafa.

  • 27/03/2017 - 09:45 : Toetr'andro: Mety hihamafana kokoa ny ririnina amin'ity taona ity raha ny fanadihadiana sy ny fikarohana nataon'ny ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetr'andro.

  • 27/03/2017 - 09:30 : Jirama: Nifarana ny sabotsy 25 martsa lasa teo ny fametrahana antontan-taratasy ho an'ireo te ho Tale jeneralin'ny orinasam-panjakana Jirama. Mahatratra hatrany amin'ny 70 farahafahakeliny ireo kandida amin'izany. Ny banky iraisam-pirenena no hanao ny fifantenana voalohany ary ny filoham-pirenena no hisafidy amin'ireo 3 farany.

  • 27/03/2017 - 09:15 : Famonoana sinoa teratany sinoa: Hiakatra fampanoavana anio ireo 9 mianadahy voarohirohy tamin'ny famonoana ireo sinoa mivady teny Talamaty ny alin'ny 16 martsa lasa teo. Ny amin'izy ireo dia teratany sinoa ary ny 2 kosa Malagasy.

  • 27/03/2017 - 09:00 : Fizahantany: Tsy nisy afatsy 3% na 4% tamin'ireo mpizahatany tonga nitsidika teto Madagasikara no teratany Asiatika. Tanjon'ny minisiteran'ny fizahantany ny hampiakatra ka hifotorana bebe kokoa ny "Ecotourisme" na ny resaka hakanton'ny zava-boahary izay mampivaka ny firenena.

Voir plus d'infos...

24/03/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161121

Misongadina

« Grandes surfaces » eto Antananarivo Atahorana hisy hametraka baomba…

21/11/2016

Hentitra kokoa ny fisavana any anatin’ireo tranombarotra lehibe na ny antsoina hoe « Grande surface » eto Antananarivo amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Marc Ravalomanana Hampisondrotra ireo izay tsy manana mba hanana

21/11/2016

Mitohy ny fitsidiham-paritra tanterahin’ny filoha teo aloha sady filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny...

« Village de la Francophonie » Hisokatra ho an’ny besinimaro

21/11/2016

Hotokanana anio alatsinainy 21 novambra tolakandro ny « Village de la Francophonie » etsy Andohatapenaka, ary dia hisokatra ho azon’ny besimaro tsidihina aorian’izay. Vohitry ny kolontsaina sy taozavatra ny « Village de la Francophonie ».

Hamaky ny tohiny...

Fandaniana ny tetibola 2017 Miankina amin’ny hita tamin’ity taona ity

21/11/2016

Mbola hisy ny fifidianana ny “lalàna fandravonana” hahafahana mitaratra na nandeha araka ny tokony ho izy na tsia ny fandaniana ny tetibolam-panjakana tamin’ity taona ity.

Hamaky ny tohiny...

Fiatrehana ny frankofonia Sahiran-tsaina ireo mpampitony

21/11/2016

Hanomboka anio dia ho renivohitry ny frankofonia i Madagasikara, hoy ny minisitry ny raharaham-bahiny, Beatrice Atallah, ka aoka hatsahatra hatreo aloha ny adilahy politika rehetra.

Hamaky ny tohiny...

Michaëlle Jean Sedra voalohany ho azy ny Frankôfônia 2016

21/11/2016

Eto Madagasikara hatry ny omaly ny Sekretera jeneralin’ny Frankôfônia, Rtoa Michaëlle Jean, ary tsy hiala eto raha tsy amin’ny 27 novambra 2016 hifaranan’ny fihaonana an-tampony faha-16 ny Frankôfônia.

Hamaky ny tohiny...

Mohammed VI Afrikanina faha-5 manankarena indrindra

21/11/2016

Ny Mpanjakan’i Maraoka Mohammed VI no namaky lay ny fahatongavan’ireo olo-manankaja hiatrika ny fihaonana an-tampony faha-16 Frankôfônia hatao eto Antananarivo ny 22 ka hatramin’ny 27 novambra 2016

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Ataovy tsara e !

21/11/2016

Eny ary ry Jean fa dia raikitra izy ity ka tsy mipody koa ! Marina ny anareo hoe raharaham-pirenena no atrehana fa dia aleo aloha mba samy hibanjina an’izay na dia misy aza ny tsy fifanarahana madinidinika e !

Hamaky ny tohiny...

Actualités

Fitokanana lalana frankofonia Vitsy ireo depiote nanotrona

21/11/2016

Nampisy resa-be ny fahavitsian’ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara tonga nanotrona ny fitokanana ny lalana Frankofonia “Rocade d’Andohatapena” na ilay lalana tafiditra amin’ireo tetikasa “Projet Présidentiel”.

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Renivohitra Liana amin’ny fandraharahana ny ankamaroan’ny tanora

21/11/2016

Liana amin’ny asa fandraharahana ny ankamaroan’ireo tanora eto an-drenivohitra.

Hamaky ny tohiny...

Fanafoanana ny CEPE Tsy mbola ato ho ato, hoy ny minisitra Paul Rabary

21/11/2016

Mandeha be ny feo eny anivon’ny fiarahamonina eny, indrindra ny eny ambanivohitra fa hofoanana ato ho ato ny fanadinana CEPE ary hanomboka hampihatra ilay drafi-pampianarana Plan Sectoriel de l’éducation (PSE) ny fitondram-panjakana mijoro ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ambavahaditokana Nofanina amin’ny resaka vonjy voina ny mponina

21/11/2016

Anisan’ny kaominina iray ahitana ankizy latsaka anaty lava-biriky na olona maty an-drano hatrany matetika ny kaominina Ambavahaditokana Atsimondrano rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tokantrano hono tsy hahahaka e!

21/11/2016

Ao anatin’ny frankofonia tanteraka isika amin’izao fotoana izao. Ny mpitondra milaza fa tombotsoam-pirenena ny fanatanterahana izany eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Tapatapany

Marion Vaovao mampalahelo no nianjady amin’ny mpanakanto Marion. Nodimandry ny sabotsy teo ny rainy niteraka azy noho ny aretina nahazo azy. Izahay eto amin’ny gazety tia tanindrazana dia mirary fiononana feno ho an’ity mpanakanto sangany ity sy ny fia

21/11/2016

Ivandry Trano iray misy rihana, nirehitra omaly maraina teny Ivandry akaikin'ny siniben-drano. Namoizana ain’olona ity loza ity.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana