Fil d'actualités du 24/03/2017

  • 24/03/2017 - 18:30 : Fanambana Vohemar _Trangam-piarahamonina: Raim-pianakaviana iray nihanika teo ambony andrin-jiro androany atoandro ary namono tena nitsambikina avy any ambony avy eo, ka ny lohany no notatazan'ny arabe godorao, ary maty tsy tra-drano. Niparitaka eraky ny arabe mihitsy ny raha noho ny lohany nipotsaka tanteraka.

  • 24/03/2017 - 17:30 : Taom-baovao Malagasy: Hotanterahina ny Talata 28 Martsa sy ny 29 Martsa ho avy izao ny taom-baovao Malagasy ho aníny trano koltoraly Malagasy sy ny fikambanana Fitohasina. Etsy Mahamasina no hanatanterahana ny hetsika, izay hiantsoana ny Malagasy rehetra. Hampiavaka ny hetsika ny fampianarana ny Malagasy rehetra mikasika ireo karazana fomba tokony hajaina hisianíny fampandrosoana ho aníny isan-tokantrano.

  • 24/03/2017 - 16:30 : Orinasa Jirama: Mifarana rahapitso 25 janoary ny fametrahana antontan-taratasy ho an'ireo olona te hahazo ny toeran'ny Tale jeneralin'ny Jirama.

  • 24/03/2017 - 15:30 : Fanatanjahantena _Baolina kitra: Hatao eny Carionrahapitso sabotsy 25 martsa ho avy izao ny fivoriamben'ny Federasionina Malagasin'ny baolina kitra (FMF). Amin'io fotoana io no hanapahana ny hoavin'ny FMF taorian'ny nahalanian'Ahmad ho filohan'ny CAF.

  • 24/03/2017 - 15:00 : Ambodiarana Maroantsetra: Tanŗna iray manontolo nihotsahan'ny tany sy ny vato avy eny an-tendrombohitra, ka traboina tanteraka ny mponina satria potika ny ankamaroan'ny trano ary maro ihany koa ny olona naratra vokatr'izany.

  • 24/03/2017 - 14:30 : Magro Behoririka: Rahapitso no hifamotoana eny amin'ny Magro Behoririka ny mpanohana an'i Marc Ravalomanana mba hifampita vaovao sy sy hifanome toromarika.

  • 24/03/2017 - 14:00 : Zandary nihoa-pefy: Miasa ny birao manokana najoro hiady amin'ny kolikoly eo anivon'ny zandarimariam-pirenena. Lehiben'ny Kaompania tany Ankazobe sy ny zandary iray hafa natolotra ny fampanoavana omaly ary naiditra am-ponja vonjimaika noho ny resaka kolikoly. Voarohirohy tamina aferana rongony mahery vaika "Canabis" sarona tany amin'ny lalŗm-pirenena faha-4 (RN 4) tany Andranovelona izy ireo.

  • 24/03/2017 - 13:00 : Sendikan'ny mpiasan'ny ladoany (SE.MPI.DOU: Manome fe-potoana herinandro ny Filoham-pirenena handray andraikitra amin'ny fanaisorana ireo zandary manao fisavana eny amin'ny seranam-piaramanidina sy ny orinasa SAMADA izay manao fisavana ekonomika ity sendika ity. Tsy mifanaraka amin'ny "Code de douanes" izany, ka tokony hajaina io lalŗna manokana izay manan-danja io, hoy izy ireo.

  • 24/03/2017 - 12:30 : Marolambo: Tafakatra 1200ariary ny kapoakan'ny vary amin'izao fotoana izao. Tapaka ny ankamaroan'ny lŗlana any an-toerana, ka sarotra ny fifamezivezena.

  • 24/03/2017 - 12:00 : Tontolo iainana: Tontosaina rahampitso sabotsy 25 martsa ny diaben'ny famantarana ny toetry ny andro. Amin'ny 8ora maraina ny fiaingana eo amin'ny ministeran'ny fitaterana sy famantarana ny toetry ny andro Anosy ka hihazo ny manoloana ny kianjaben'i Mahamasina. Hisy ny fampahafantarana sy fanentanana maro samihafa eny an-toerana amin'ny tsara ho fantatra momba ny toetry ny andro.

Voir plus d'infos...

24/03/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161118

Misongadina

Trafikana omby Miara-miasa ny sinoa sy ny dahalo ?

18/11/2016

Tandindonin-doza ny omby Malagasy aminíizao fotoana izao. Efa ho lany tamingana ny omby any Atsimoníny Nosy kanefa tsy mahataitra ny fanjakana izany.

Hamaky ny tohiny...

Politique

FrankŰfŰnia Mety halefa any Mahajanga ny fiaramanidina sasany ?

18/11/2016

Filoham-pirenena telopolo eo hatreto no nambaraníny mpikarakara ny fandraisaníi Madagasikara ny fihaonana an-tampony faha-16 ny FrankŰfŰnia, fa ho avy

Hamaky ny tohiny...

Fisoratana anarana hifidy Hanomboka ny 1 desambra

18/11/2016

Ny 1 desambra izao ka hatraminíny 31 janoary 2017 no fotoana ahafahana manoratra na manavao ny fisoratana anaraníireo olom-pirenena afaka mandray anjara aminíny fifidianana izay ho avy, araka ny fanamarihaníny avy eo anivoníny CENI.

Hamaky ny tohiny...

Governemanta Mahafaly Olivier Tsy ampy ny fanazavany momba ny FrankofŰnia

18/11/2016

Manao ranolava ny fanehoan-kevitra manodidina ny FrankofŰnia. Ny fandraisana ny FrankofŰnia na kaonferansa iraisam-pirenena dia tsy ratsy akory ary tena mety hitondra soa ho an'ny firenena mihitsy aza, hoy ny Sekretera jeneraliníny antoko Teza, Ihanta Randriamandranto.

Hamaky ny tohiny...

Lehibeníny Faritra Ihorombe Takianíireo beníny tanŗna ny fanalŗna azy

18/11/2016

Noho ny filazan-dry zareo fa tsy mahay ny asany ny lehibeníny Faritra ao aminy fa variana mangoron-karena aminíny fitrandrahana safira any Ilakaka fotsiny, ary noho izy tsy mahay mifandray loatra aminíizy ireo,

Hamaky ny tohiny...

Noho ny FrankŰfŰnia Nahantona ny fifidianana eny anivoníny Federasiona spaoro

18/11/2016

Namoaka tenimita ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny 14 novambra 2016, mampihantona ireo fifidianana fanavaozam-pitantanana eny anivoníireo federasiona spaoro sy hetsika ara-panatanjahantena rehetra.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasiníi Jean Mihetsiketsika an !

18/11/2016

Mihetsiketsika an ! Mahafinaritra ahy ny mahita anareo toy izao e ! Hitondra soa sy filaminana ho antsika mianakavy tokoa anie ity lazainareo fa fety be mandritry ny 5 andro ity e !

Hamaky ny tohiny...

Actualitťs

Tanora mpitarika Havoaka ny andiany faha-12 aminíny YLTP

18/11/2016

Hotanterahina anio zoma 18 novambra hariva etsy aminíny Carlton ny famoahana ny andiany faha-12 ireo tanora mpitarika nanaraka fiofanana tao anatiníny fandaharaníasa Youth Leadership Training Program (YLTP) niaraka taminíny Friedrich-Ebert-Stiftung taona 2016.

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana nosy Malagasy Haneho hevitra mandritra ny Frankofonia

18/11/2016

Tsy mitsahatra hatreto ny fangatahana ny fahazoana ireo nosy Malagasy izay hiadiana aminíny Frantsay aminíizao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Lodsia any Manakara Tafidina 500 Ar ny garaba

18/11/2016

Tafidina hatrany aminíny 500 Ar ny iray garaba aminíny lodsia ankehitriny any aminíny distrikaníi Manakara,hoy Ralaindrina Marcel, mpikambana teo anivoníny kongresiníny tetezamita teo aloha sady mponina any an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Tontoloníny sarimihetsika Miala any ny volavolan-dalŗna hiarovana azy

18/11/2016

Nivoaka taminíny fahanginana omaly Ramitandrinarivo Beau-Temps, taleníny Office Malgache du Cinťma fa tsy mbola manana fiarovana mitovy aminíireo mpihira eto amintsika ny fianakaviambeníny mpilalao sarimihetsika Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Randrenja Malokíila Voaníny homamiadana, mila fanampiana

18/11/2016

Miady mafy aminíny aretina etsy aminíny hopitaly HJRA aminíizao fotoana izao Razafindrakoto Gťrard na Randrenja, mpilalao sarimihetsika tao aminíny Scoop digital fahiny izay efa lasa lehibeníny tranom-pamokarana Horizon ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Rallye International de Madagascar andiany faha-37 Notoloraníny Airtel loka ireo mpamily mendrika indrindra

18/11/2016

Tsy namela fotsiny ireo mpamily sy ny mpanampy azy telo voalohany mendrika indrindra taminíny RIM andiany faha-37 notanterahina teto amintsika ny faraníny herinandro teo ny orinasam-pifandraisana Airtel.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Hanaiky lembenana foana ve ?

18/11/2016

Be fandeferana loatra ny vahoaka Malagasy ka ataoníny mpitondra aminíizay tiany hanaovana azy.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana