Fil d'actualités du 24/07/2017

  • 24/07/2017 - 15:00 : Vatana mangatsiakan’i Régis Gizavo : Higadona an-tanindrazana ny alarobia 26 jolay izao ny vantana mangatsiakan’ity mpanakanto kintan'ny fitendrena angorodao ity. Handrasana ao amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina ny razana, ary hiala eto an-drenivohitra ny marainan'ny 27 jolay. Hatokana ho andro fisaonam-pirenena io andron'ny 27 jolay io, araka ny fanapahan-kevitry ny governemanta.

  • 24/07/2017 - 14:30 : Baolina kitra _Barean’I Madagasikara: Tsy mbola tojo faharesena tamin’ny lalao iraisam-pirenena 11 nataony ny ekipam-pirenena Malagasy nanomboka ny 3 septambra 2016. Fandresena miisa 8 no azon’ny Malagasy ary ady sahala miisa 3. Isan’ny nisongadina sy miezinezina ny nandresena 2-0 an’I Maozambika tao an-jaridainany omaly.

  • 24/07/2017 - 13:30 : Lisea Ampefiloha _Bakalorea: 74 no tsy tonga ho an'ny Foibem-panadinana eny amin'ny Lisea Ampefiloha nandritra ny fiatrehana ny laza adina filozofia ny maraina teo. Hentitra ny fepetra noraisina satria tsy azo atao ny mampiasa finday, voarara ny mitondra antontan-kevitra mampiditra ny kitapo ao anaty efitranom-panadinana. Izay tratra manao hosoka dia tsy maintsy hakarina filankevi-pifehezana na CODIS.

  • 24/07/2017 - 12:30 : Ambovombe Androy _Taham-pahafatesana: Nihena manodidina ny 2% ny taham-pahafatesan’ny zaza tratry ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra Ambovombe Androy, raha 4% tamin’ny taon-dasa, rah any tatitry ny mpitsabo any an-toerana. Antony ny fisian’ny ivon-toerana fandraisana an-tànana ireo zaza tratry ny tsy fanjarian-tsakafo, izay maimaimpoana ny fitsaboana azy ireo.

  • 24/07/2017 - 12:00 : Fifaninana hidirana mpiasan’ny ladoany: Hontontosaina ny 27-28 jolay izao eny amin’ny Ivon-toeram-panofananan’ny Sampan-draharahan’ny ladoany eny Tsaralalàna ny fanadinana am-bava ho an’ireo afaka tamin’ny fanadinana an-tsoratra hidirana ho mpiasan’ny fadin-tseranana tamin’ity taona ity.

  • 24/07/2017 - 11:30 : Kaompania Air Madagascar _Fitoriana ny Tale jeneraly: Hamerina ny fitoriana ny Tale Jeneralin’ny Air Madagascar ireo mpiasa 4 noroahina noho ny fitarihana fitakiana sendikaly, ka isan’ireny I Rado Rabarinala. Efa nisy ny didim-pitsarana nanome rariny azy ireo sy mamerina azy amin’ny asany tamin'ny volana aprily 2016, saingy tsy nampiharin’ny mpitantana ity orinasam-panjakana ity hatramin’izao.

  • 24/07/2017 - 11:00 : Fandriampahalemana sy fitaterana an’habakabaka _Fivorian'ny ASECNA: Manatanteraka fivoriana mikasika ny fandriampahalemana an’habakabaka ny Sampan-draharaha misahana izany ho an’i Afrika sy Madagasikara manomboka anio 24 jolay-29 jolay izao, ka eto amintsika no anaovana izany. Tanjona ny hanampiana an’I Madagasikara mba ho lasa lavitra kokoa eo amin’ny tontolon’ny fitaterana an’habakabaka.

  • 24/07/2017 - 10:30 : Antoko Tiako i Madagasikara _Kongresim-paritra: Ny 3 aogositra izao no hatao any Manakara ny kongresim-paritra ho an'ny any Vatovavavy Fitovinany. Efa nisy ny fahazoan-dàlana navoakan'ny Fiadidian'ny tanàna momba izany.

  • 24/07/2017 - 10:00 : Lalaon'ny Frankofonia _Medaly voalohany ho an'ny Malagasy: I Emma Rasoanantenaina no nandrombaka izany teo amin'ny taranja tolona sokajin-danja -53kg, izay nahazo ny medaly volafotsy taorian'ny nandavoany ilay teratany Kanadianina Cambodgienne Chey Chen teo amin'ny lalao manasa-dalana saingy lavon'i Kristina McLaren , izay Kanadianina ihany teo amin'ny lalao famaranana, ka nitanany ny laharana faharoa.

  • 24/07/2017 - 09:30 : Rarahaha Clovis Razafimalala: Anio 24 jolay ny fitsarana ity mpandrindra ny fikambanana Lampogna, izay niady tamin'ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena sy nijoro tamin'ny fiarovana ny tontolo iainana tany amin'ny faritra Atsinana ity. Naidirina am-ponja nanomboka ny 16 septambra 2016, ampitson'ny nisian'ny korontana sy savorovo tany Maroantsetra izy. Marihina fa efa nitaky ny fanahana azy ny Amnesty International noho ny fahitana fa tsy ara-dariny sy manitsakitsaka ny zon'olombelona ny fanagadrana azy.

Voir plus d'infos...

24/07/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161112

Misongadina

Savorovoro teny Analakely Tetika hanesorana ani Neny ?

12/11/2016

Rehefa natao ny fanadihadiana rehetra dia nahafantatra tsara ny zavatra nataony ireo andiana miaramila tonga teny aminny lapanny tanna Analakely ny alarobia hariva lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Lalao Ravalomanana Hosoloina PDS ?

12/11/2016

Miharihary ny antsojay sy ny politika maloto entina hamotehana ny benny tanna Lalao Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny...

Faneva Raholdina Mendrika alain-tahaka ny fotokevitrAtoa Donald Trump

12/11/2016

Tokony hiainanny mpanao politika malagasy mieritreritra ny hitondra sy ireo efa mitondra ankehitriny, hoy Atoa Faneva Raholdina mpandalina politika, ny fotokevitrAtoa Donald Trump.

Hamaky ny tohiny...

Zotram-pifidianana Hanao fandravonan-kevitra ny CENI

12/11/2016

Miditra aminny dingana farany ny fandrafetana ny paikadim-pirenena ho fanabeazana sy ho fanentanana ara-pifidianana sy ny paikadin-tseraseranny CENI taorianny fanangonana ny hevitrireo mpisehatra aminny fifidianana teny ifotony.

Hamaky ny tohiny...

Fanaovana politika Voasarika ny tanora

12/11/2016

Miha mahasarika ireo tanora avara-pianarana aminizao fotoana izao ny fanaovana politika sy ny resaka manodidina azy.

Hamaky ny tohiny...

Antoko HVM Miomana aminny fifidianana

12/11/2016

Handray anjara aminireo sokajim-pifidianana rehetra eto Madagasikara ny Hery Vaovao ho ani Madagasikara, hoy ny filoha lefitra nasionaly Jaobarison teny aminny foiben-toerany Antanimena omaly.

Hamaky ny tohiny...

Boriborintany faha-2 Mihetsika ny depiote TIM Rastany

12/11/2016

Mihetsika indray ka manohy ny fanasoavana ny fiainam-bahoaka fanaony ny depiote TIM Randrianarisoa Stanislas na depiote Rastany.

Hamaky ny tohiny...

Fandraisana ny frankofonia Hanao asa fanadiovana ny Faritra Analamanga

12/11/2016

Hanentana ny mponina sy hanao asa fanadiovana goavana eto an-drenivohitra ny Faritra Analamanga tarihin-dRakotonanahary Ndranto hanomboka anio sabotsy ho fandraisana am-pilaminana ny frankofonia izay hotanterahina eto amintsika ny 21 ka hatraminny 27 novambra ho avy izao.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Lohanangidina !

12/11/2016

Salama ve ry Jean a ? Tena malaza mihitsy ianareo taminilay fampisehoana teny Analakely a ! Dia tena mbola nibaribary indray mantsy ny maha maivan-doha anareo a ! Sa kosa manimanina ny tongoloni Egipta

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Famoronana hetra Ny fitokisanny vahoaka no vahaolana

12/11/2016

Mbola adihevitra tsy mety tapitra eto aminny firenena ilay resaka fampandoavana hetra 5000Ar isan-taona ny olona 21-60 taona.

Hamaky ny tohiny...

Etazonia Maro ny Malagasy hangoronentana

12/11/2016

Teratany vahiny maro no mitaintaina taorianny nahavoafidy ani Donald Trump ho filoham-pirenena amerikanina.

Hamaky ny tohiny...

Seranam-piaramanidina Miverina aminny Air Mad ny fikojakojana

12/11/2016

Noho ny fandraisantsika ny fihaonana an-tamponny Frankofonia ve sa tena fitsinjovana marina ny hoavinny orinasa sy ireo mpiasanny Air Madagascar no nahatonga ny fanjakana Malagasy taminny alalanny

Hamaky ny tohiny...

Fanomezana rano fisotro madio Nanampy teny Fenoarivo ny mpianatry ny INSCAE

12/11/2016

Tanteraka ilay fomba fiteny hoe ny tanora no hoavinny firenena, raha dinihina aminny zava-bitanireo tanora 7 mianadahy mpianatra ao aminny INSCAE, dia Randimbison Malala,

Hamaky ny tohiny...

MOTO SCOOTER, SARETY, POSY Tsy misy mahazo mivezivezy mandritra ny Frankofonia

12/11/2016

Ho hentitra ny fitandroana ny fandriampahalemana sy ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra sy ny manodidina mandritra ny herinandro

Hamaky ny tohiny...

Edito

Sahia manao dingana lehibe !

12/11/2016

Lesona ho anizao tontolo izao ny fifidianana sy ny vokany tany Etazonia.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana