Fil d'actualités du 17/01/2017

  • 17/01/2017 - 07:20 : Morondava: 6 ora amin'ny 24 ora isan'andro no mandeha ny herinaratra ao Morondava. Mitsitapitapy ihany koa ny famatsian-drano any an-toerana. Mitaraina ny mponina indrindra ireo mpandraharaha izay lasibatra manokana no ireo trangan-javatra ireo.

  • 17/01/2017 - 06:50 : Mandroseza: Manomboka mihena ihany koa ny reniranon'i Mandroseza nohon'ny tsy filatsahan'ny orana. Ahiana ho tapaka mihitsy ny famatsian-drano eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina afaka 4 andro raha mitohy io tsy fisian'ny orana io.

  • 17/01/2017 - 06:20 : CAN 2017: Ady sahala samy tsy nitoko no niafaran'ny lalao nifanatrehan-dry zareo ivoarianina sy togoley. Niondrika 1 no 0 teo anatrehan'i RD Congo kosa i Maraoka ao anatin'ny sokajy C. Hiakatra an-tsehatra ny gropy D anio: Ghana hikatroka amin'i Ouganda ary Mali hihaona amin'i Egypte.

  • 16/01/2017 - 18:10 : Faritra Itasy: Mananika ny 53% ny tahan'ny tsy fanjariantsakafo mitoetra ao amin'ny faritra Itasy, araka ny fampitam-baovao avy amin'ny ofisim-paritra. Ambony io tarehi-marika io mihoatra amin'ny salan'isa nasionaly.

  • 16/01/2017 - 17:45 : Tranovato Ambatonakanga: Feno 150 taona ny 22 janoary 2017 izao ny naha tsangambaton'ny maritiora ny Fjkm Tranovato Ambatonakanga. Homarihana amin'ny fanompoam-pivavahana lehibe ny fankalazana izany ny alahady izao. Hisy ihany koa ny fitokanana takelabato fahatsiarovana.

  • 16/01/2017 - 17:20 : Boriboritany fahaefatra: Nitombo avo 3 heny ireo mpifankatia nisora-panambadiana nandritra ny fetin'ny Krismasy sy faran'ny taona 2016 teny amin'ny boriboritany fahaefatra. Nahatratra 30 isan'andro izany tamin'ireo vanim-potoana ireo raha manodidina ny 10 ny andavanandro.

  • 16/01/2017 - 16:55 : Hani-masaka: Nisondrotra niaraka tamin'ny fiandohan'ny taona 2017 ny vidin'ireo hani-masaka eny amin'ny hotely sy gargoty. Manodidina ny 500 hatramin'ny 1.500 ariary ny fiakarana isaky ny vidin-tsakafo masaka.

  • 16/01/2017 - 16:30 : Albert de Monaco: Ho avy eto Madagasikara ny printsy Albert de Monaco amin'ny volana febroary 2017 raha tsy miova ny fandaharam-potoanany. Hifantoka betsaka amin'ireo hetsika sosialy ny vontoatin'ity diany eto amintsika ity.

  • 16/01/2017 - 16:05 : Toetrandro: Misy andro ratsy miforona any amin'ny 1.500km avaratra atsinanan'Madagasikara ankehitriny. Hiantraika amin'ny fiovan'ny toetrandro eto amintsika izy io amin'ny faran'ny herinandro, hoy ny sampandraharaha mpamantatra ny toetrandro.

  • 16/01/2017 - 15:40 : Oniversite: Notontosaina androany ny kongresin'ireo lehibe mpitantana sekolim-panjakana ambony miaraka amin'ireo filohan'ny oniversite. Lahadinika ny fandaharam-potoanan'ireo fanadinana samihafa sy ny fidirana eny amin'ny oniversite.

Voir plus d'infos...

16/01/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161105

Misongadina

Zanatany Anglisy mandroso Ny an’ny Frantsay krizy lava

05/11/2016

Harinkarena ambony sy tontolo politika milamina no hita any amin’ny ankamaroan’ireo tany nozanahan’ny Anglisy.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Minisitry ny fitsarana “Ny olona mihitsy no efa mafana ra”

05/11/2016

Tany Antsirabe nandritra ny lanonana ofisialy nametrahana ny mpampanoa lalàna vaovao Rtoa Djaojoma Colette no nitondran’ny minisitry ny fitsarana Charles Andriamiseza fanazavana momba ny trangan-javatra niseho tato ho ato izay momba ny resaka fitsaram-bahoaka.

Hamaky ny tohiny...

Riribe « Hifampihinana eto isika ny farany»

05/11/2016

Nifarana omaly ny fiaraha-mivavaka ho an’ny firenena nataon’ny filohan’ny fikambanana zatovo sady mpanao politika, Rakotomalala Henri na Riribe sy ny namany

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Karavasy vaovao

05/11/2016

Ny Karana sy vazaha ary sinoa indray ve izany ry Jean no karavasy vaovao hamoretana ny tanàna eto amin’izao endri-panjanahana vaovao be apetrakareo izao ?

Hamaky ny tohiny...

Actualités

Rovan’i Manjakamiadana Mbola mistery ny mikasika ny mpandoro

05/11/2016

Hamaky ny tohiny...

Ampanjaka sy ny zanak’Andriana Miantso fanovana ifotony koa

05/11/2016

Iaraha-mahalala fa maherin’ny 1 tapitrisa any amin’ny faritra atsimo no maty noana ary 95% ny Malagasy no mahantra ankehitriny, hoy ny filohan’ny fiombonamben’ny Ampanjaka sy ny zanak’andriana, raha naneho hevitra mikasika ny raharaham-pirenena tetsy Antaninarenina omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fitsaram-bahoaka 4 indray no maty tany Sambava

05/11/2016

Nanamarika ity herinandro ity ny fitsaram-bahoaka saika nanerana an’i Madagasikara. Tsy mbola lefy laza ny tany Mananjary nandoran’ny olona ilay vehivavy nanota fady.

Hamaky ny tohiny...

SECES “Tsy misy mandeha amin’ny laoniny eto”

05/11/2016

Tsy takona afenina intsony ny fitotongan’ny fiainam-pirenena ka nahatonga ny SECES (Sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy Mpikaroka-mpampianatra) nanao fanambarana sy fanairana.

Hamaky ny tohiny...

“Panneaux solaires” angalarina eny Ampitatafika Amidy eny Anosibe sy Sakay Arivonimamo

05/11/2016

Fantatra ihany ankehitriny ireo olona mpandray ireo “panneau solaire” sy “batterie” halatra mandeha amin’ny herin’ny masoandro manjavona lava teny amin’ny lalana digue Ampitatafika mihazo an’i Fenoarivo.

Hamaky ny tohiny...

Sendikan’ny mpampianatra SMM CRNFP Adino ny mpanabe

05/11/2016

Mbola lalàna tany amin’ny taona 1960 hatramin’izao no tadiavina hampiharina eto, hoy ny tompon’andraikitra voalohany avy eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra Malagasy niofana tao amin’ny “centre régionale et national de formation professionnel” na ny SMM CRENFP, raha nivory niaraka tamin’ireo mpikambana tetsy Mahamasina io omaly io mba hanamboarana ny antontan-taratasy ho fanondrotana sokajy faha-4 ireo sokajy faha-3 teo aloha.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Finoana Jodaisma Madagasikara Mesirima Manampy hatrany ny mpiara-belona

05/11/2016

Finoana iray anisan’ny manome lanja ny fiompiana sy ny fambolena ny Finoana Jodaisma Madagasikara Mesirima tarihin’i Cohen Bera.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Fanjakan’i Baroa !

05/11/2016

Fitsaram-bahoaka sy fifamonoana izao no malaza. Mampametra-panontaniana hoe mbola Malagasy ve no miaina eto amin’ity firenena ity sa efa karazan’olona hafa? Fatratra amin’ny fitandroana ny hasin’ny aina isika saingy fiarahamonina lian-dra no misy ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana