Fil d'actualités du 23/02/2017

  • 23/02/2017 - 20:30 : Tiko AAA: Efa manomboka hita eny amin'ny tsena Magro ny zava-pisotro Classiko vokarin'ny orinasa Tiko AAA. Sandaina 2.500 ariary ny tavoahangy 1,5 litatra.

  • 23/02/2017 - 20:00 : Fandripahana ala: Ambony ny tahan'ny fandripahana ala eto Madagasikara, hoy ny fanadihadiana nataon'ny ofisim-pirenena misahana ny Tontolo iainana. 0,8% izany ny taona 1990 hatramin'ny 2000. 0,4% kosa izany teo anelanelan'ny taona 2005 sy 2010 ary niakatra 0,9% ankehitriny ka mahatratra 66.000ha ny velarana ala potika.

  • 23/02/2017 - 19:30 : Lavanilina: Ratsy indrindra ny taom-piotazana lavanilina Malagasy 2016-2017. Tsy nisy afa-tsy 1.500 taonina izany raha eo amin'ny 2.000 hatramin'ny 2.500 taonina isan-taona. 60 dolara ny kilaon'ny lavanilina ny taona 2014, 135 dolara ny taona 2015 ary 210 dolara kosa ny taona 2016.

  • 23/02/2017 - 19:00 : Aretina bilarziozy: Voan'ny aretina bilarziozy ny 50%ny zaza Malagasy, hoy ny tatitry ny fikambanana iraisampirenena momba ny Fahasalamana. Distrika 103 amin'ireo 113 ihany no ahitana ity aretin-kankana ity ary anisan'izany ny tananan'Antananarivo.

  • 23/02/2017 - 18:30 : Fitantanana sy Tetibola: Nankatoavin'ny filankevitry ny governemanta ny talata teo volavolana didim-panjakana mamaritra ny andraikitry ny minisitry Fitantanana sy ny Tetibola. Hajoro ao anatin'ity departemanta ministerialy ity ihany koa ny rafitra iray hanara-maso ny fampiasana ireo vola fanampiana azo tamin'ny fikaonan-dohan'ireo mpamatsy sy mpampiasa vola tao Paris.

  • 23/02/2017 - 18:00 : Vidim-bary: Nahitana fihenana ny vidim-bary eny an-tsena. Fidinana manodidina ny 100 hatramin'ny 150 ariary.

  • 23/02/2017 - 17:30 : Hazo sarobidy: Hampiharina amin'izay ny fananganana ilay rafitra manokana iadiana amin'ny fanondranana antsokosoko andramena sy hazo mainty miaraka amin'ny fanasaziana, araka ny tapaky ny filan-kevitry ny minisitra. Fanapahan-kevitra noraisina herintaona aty taorian'ny fankatoavana ny lalana.

  • 23/02/2017 - 17:00 : Fifidianana 2018: Nanamafy ny filoha nasionalin'ny antokom-panjakana Rivo Rakotovao fa ny filoha amperinasa Hery Rajaonarimampianina ihany no kandidan'ny HVM amin'ny fifidianana 2018.

  • 23/02/2017 - 16:30 : Fampianarana ambaratonga ambony: Tafaverina ho mpikambana eo amin'ny Cames (Conseil Africain et Malgache de l'Enseignement Superieur) i Madagasikara. Nanamafy io fiverenan'ny firenena Malagasy io ny fahatongavan'ny delegasionina eo anivon'ity filankevitra ity teto amintsika ny fiandohan'ny volana febroary 2017.

  • 23/02/2017 - 15:30 : Aft Andavamamba Antananarivo: Hisy fampisehoana ara-java-kanto maimaimpoana hatao eny an-toerana ny takarivan'ny rahapitso 24 febroary, izay ahitana ny mpanakanto Théo Rakotovao, Minah, Gangstabab, Dah Mama, Jean Emilien, Af Jazz, Tsiriry, Voromanga Milalao ary Ragasy. Tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny AFT izany.

Voir plus d'infos...

23/02/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161103

Misongadina

Tandremo ! Misy mampiady ny Malagasy

03/11/2016

Mirongatra ny fitsaram-bahoaka izay toa misy ambadika hafahafa. Kendrena izay hampiady sy hampifamono ny vahoaka mba hahafahana misikotra tsikelikely ny harenan’i Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Depiote Harinosy Rabenerika Charlot Mbola mitazona ny loko loranjy aho

03/11/2016

Mandeha ny resaka any ho any milaza fa efa tena misalotra manao karavato mangan’ny antokon’ny fitondrana misy ankehitriny ny tenako, hoy ny depiote Harinosy Rabenerika

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara 5 taona tsy misy mpanohitra ara-dalàna

03/11/2016

Matoam-baovao iray misongadina eto Madagasikara hatramin’izao ny sata mifehy ny mpanohitra.

Hamaky ny tohiny...

Tonga Rajoelina Mikonokonon-javatra ny HVM

03/11/2016

Efa tonga eto Madagasikara tamin’ny faran’ny herinandro teo i Andry Rajoelina ary nihaona taminy teny an-tranony ny masoivohon’i Frantsa Véronique Vouland Aneini afak’omaly.

Hamaky ny tohiny...

Dinika ho Fanavotam-pirenena Niantso fiaraha-miasa amin’ny Eoropeanina

03/11/2016

Nandefa taratasy niantefa tamin’ny lehiben’ny delegasionin’ny vondrona eoropeanina eto Madagasikara Antonio Benedito Sanchez Gaspard, omaly ny avy eo anivon’ilay vondrona politika dinika ho fanavotam-pirenena na DFP.

Hamaky ny tohiny...

Fahafaham-baraka lava Efa rano fisotron’ny mpitondra

03/11/2016

Voninahitra no katsahina amin’ny fihaonana Frankofonia ary ny lokon’ny Malagasy sy i Madagasikara iray manontolo no mila arovana saingy fahafaham-baraka no hiseho eto, hoy ny mpanao politika maro.

Hamaky ny tohiny...

Harinaivo Rasamoelina « Tsy voafehy ny toe-draharaha eto»

03/11/2016

Efa mitondra any amin’ny fifamonoana sy ny fandoran’olona ary ny fanaovana tsinontsinona ny fomba malagasy, hoy ny mpanao politika, Harinaivo Rasamoelina raha naneho hevitra tetsy Antaninarenina omaly

Hamaky ny tohiny...

Tolojanahary Maharavo « Ho hita eo izay tena mpikarama an’ady »

03/11/2016

Manoloana ny filazana fa mpikarama an’adin’ny antoko misy ny filoham-pirenena ny mpitarika ny hetsika afo sendikaly,

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Inona no fika ?

03/11/2016

Kaiza kaiza Jean a ! Dia inona izany no fika amin’izao zava-mitranga izao ? Tena tsy voafehinareo intsony anie, hono, ny tanàna e !

Hamaky ny tohiny...

Actualités

Kaomisera Ranaivoson Alexandre “Tsy ara-dalàna ny fitsaram-bahoaka”

03/11/2016

Adihevitra tsy mety tapitra eto amin’ny firenena ilay fitsaram-bahoaka tany Mananjary izay nandoran’ny olona ilay vehivavy nanota fady ny 30 oktobra lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Mpanao gazety Malagasy Mila omena antoka, hoy i Soava Andriamarotafika

03/11/2016

Andro maneran-tany hanoherana ilay sokajin’olona mihevi-tena ho tsy maty manota nefa mahavita herisetra amin’ny mpanao gazety, no nomarihana iny omaly iny, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpanao gazety,

Hamaky ny tohiny...

Halatra jiro sy rano Hisy ny fitsirihana tampoka

03/11/2016

Ho hentitra amin’ny halatra jiro sy rano mitranga eny anivon’ny fiarahamonina manomboka izao ny minisiteran’ny angovo sy ny harena ankibon’ny tany.

Hamaky ny tohiny...

Hopitaly Miaramila Soavinandriana Ramatoa nitondra ody nisandoka ho mpitsabo

03/11/2016

Ramatoa lehibe iray no tratra nisandoka ho mpitsabo teny amin’ny CENHOSOA na hopitaly miaramila eny Soavinandriana.

Hamaky ny tohiny...

Lozam-pifamoivoizana Mahafaty ankizy 10 isan’andro

03/11/2016

Mahatratra folo isan’andro raha araka ny tatitra azo omaly ireo ankizy mpianatra mamoy ny ainy manerana ny Nosy vokatry ny lozam-pifamoivoizana

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tsy hita lava !

03/11/2016

Iray amin’ireo firenena nanasonia ny fanafoanana ny fanamelohana ho faty i Madagasikara saingy izao iaraha-mahita izao fa zary lasa fomba amam-panao amina faritra maro ny fitsaram-bahoaka sy famonoan’olona ataon’olon-tsotra.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana