Fil d'actualités du 24/07/2017

  • 24/07/2017 - 15:00 : Vatana mangatsiakan’i Régis Gizavo : Higadona an-tanindrazana ny alarobia 26 jolay izao ny vantana mangatsiakan’ity mpanakanto kintan'ny fitendrena angorodao ity. Handrasana ao amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina ny razana, ary hiala eto an-drenivohitra ny marainan'ny 27 jolay. Hatokana ho andro fisaonam-pirenena io andron'ny 27 jolay io, araka ny fanapahan-kevitry ny governemanta.

  • 24/07/2017 - 14:30 : Baolina kitra _Barean’I Madagasikara: Tsy mbola tojo faharesena tamin’ny lalao iraisam-pirenena 11 nataony ny ekipam-pirenena Malagasy nanomboka ny 3 septambra 2016. Fandresena miisa 8 no azon’ny Malagasy ary ady sahala miisa 3. Isan’ny nisongadina sy miezinezina ny nandresena 2-0 an’I Maozambika tao an-jaridainany omaly.

  • 24/07/2017 - 13:30 : Lisea Ampefiloha _Bakalorea: 74 no tsy tonga ho an'ny Foibem-panadinana eny amin'ny Lisea Ampefiloha nandritra ny fiatrehana ny laza adina filozofia ny maraina teo. Hentitra ny fepetra noraisina satria tsy azo atao ny mampiasa finday, voarara ny mitondra antontan-kevitra mampiditra ny kitapo ao anaty efitranom-panadinana. Izay tratra manao hosoka dia tsy maintsy hakarina filankevi-pifehezana na CODIS.

  • 24/07/2017 - 12:30 : Ambovombe Androy _Taham-pahafatesana: Nihena manodidina ny 2% ny taham-pahafatesan’ny zaza tratry ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra Ambovombe Androy, raha 4% tamin’ny taon-dasa, rah any tatitry ny mpitsabo any an-toerana. Antony ny fisian’ny ivon-toerana fandraisana an-tànana ireo zaza tratry ny tsy fanjarian-tsakafo, izay maimaimpoana ny fitsaboana azy ireo.

  • 24/07/2017 - 12:00 : Fifaninana hidirana mpiasan’ny ladoany: Hontontosaina ny 27-28 jolay izao eny amin’ny Ivon-toeram-panofananan’ny Sampan-draharahan’ny ladoany eny Tsaralalàna ny fanadinana am-bava ho an’ireo afaka tamin’ny fanadinana an-tsoratra hidirana ho mpiasan’ny fadin-tseranana tamin’ity taona ity.

  • 24/07/2017 - 11:30 : Kaompania Air Madagascar _Fitoriana ny Tale jeneraly: Hamerina ny fitoriana ny Tale Jeneralin’ny Air Madagascar ireo mpiasa 4 noroahina noho ny fitarihana fitakiana sendikaly, ka isan’ireny I Rado Rabarinala. Efa nisy ny didim-pitsarana nanome rariny azy ireo sy mamerina azy amin’ny asany tamin'ny volana aprily 2016, saingy tsy nampiharin’ny mpitantana ity orinasam-panjakana ity hatramin’izao.

  • 24/07/2017 - 11:00 : Fandriampahalemana sy fitaterana an’habakabaka _Fivorian'ny ASECNA: Manatanteraka fivoriana mikasika ny fandriampahalemana an’habakabaka ny Sampan-draharaha misahana izany ho an’i Afrika sy Madagasikara manomboka anio 24 jolay-29 jolay izao, ka eto amintsika no anaovana izany. Tanjona ny hanampiana an’I Madagasikara mba ho lasa lavitra kokoa eo amin’ny tontolon’ny fitaterana an’habakabaka.

  • 24/07/2017 - 10:30 : Antoko Tiako i Madagasikara _Kongresim-paritra: Ny 3 aogositra izao no hatao any Manakara ny kongresim-paritra ho an'ny any Vatovavavy Fitovinany. Efa nisy ny fahazoan-dàlana navoakan'ny Fiadidian'ny tanàna momba izany.

  • 24/07/2017 - 10:00 : Lalaon'ny Frankofonia _Medaly voalohany ho an'ny Malagasy: I Emma Rasoanantenaina no nandrombaka izany teo amin'ny taranja tolona sokajin-danja -53kg, izay nahazo ny medaly volafotsy taorian'ny nandavoany ilay teratany Kanadianina Cambodgienne Chey Chen teo amin'ny lalao manasa-dalana saingy lavon'i Kristina McLaren , izay Kanadianina ihany teo amin'ny lalao famaranana, ka nitanany ny laharana faharoa.

  • 24/07/2017 - 09:30 : Rarahaha Clovis Razafimalala: Anio 24 jolay ny fitsarana ity mpandrindra ny fikambanana Lampogna, izay niady tamin'ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena sy nijoro tamin'ny fiarovana ny tontolo iainana tany amin'ny faritra Atsinana ity. Naidirina am-ponja nanomboka ny 16 septambra 2016, ampitson'ny nisian'ny korontana sy savorovo tany Maroantsetra izy. Marihina fa efa nitaky ny fanahana azy ny Amnesty International noho ny fahitana fa tsy ara-dariny sy manitsakitsaka ny zon'olombelona ny fanagadrana azy.

Voir plus d'infos...

24/07/2017

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20161102

Misongadina

Baomba teny aminny A&C Ivato Sinema indray ?

02/11/2016

Nihorohoro ny mponina teny Ivato omaly, tokony ho taminny fito ora sy sasany hariva nandre feon-javatra nipoaka mafy sady nankarenin-tsofina.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Depiote Harinosy Rabenerika Charlot Mbola mitazona ny loko loranjy aho

02/11/2016

Mandeha ny resaka any ho any milaza fa efa tena misalotra manao karavato manganny antokonny fitondrana misy ankehitriny ny tenako, hoy ny depiote Harinosy Rabenerika

Hamaky ny tohiny...

Masimana Manantsoa Tsy mifampatoky ny mpitondra

02/11/2016

Manoloana ny filankevitry ny minisitra nidinanireo mpikambanny governemanta tany Antsiranana ny faranny herinandro teo dia naneho ny heviny ny mpanao politika Masimana Manantsoa.

Hamaky ny tohiny...

Didier Ratsiraka Ho avy ao Fianarantsoa, 15 taona aty aoriana

02/11/2016

Taorian'Antsiranana dia Fianarantsoa indray no mandray ny fankalazana mitety faritra ny fahefapolo taona niorenan'ny antoko AREMA

Hamaky ny tohiny...

Fifanarahanny 31 oktobra 1991 Nahomby fa nosomparanny Frantsay

02/11/2016

Mitovy aminny zava-niainana taminny taona 1991 ny tranga misy eto Madagasikara ankehitriny, hoy ny profesora Ralison Roger.

Hamaky ny tohiny...

Frankfnia Hialoha lalana ny fihaonambenny Fiarahamonim-pirenena

02/11/2016

Hisokatra anio ary haharitra telo andro ny fihaonambe faha-10 anny fikambanana tsy miankina (ONG) sy ny Fiarahamonim-pirenena aminny tany miteny frantsay,

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Mihatsaravelatsihy

02/11/2016

Fa ahoana ihany ry Jean ity tanna may mandritra ny fivoriana sy filibanareo any aminny faritany ity a ?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Antananarivo Renivohitra Miroso hatrany ny fanadiovana ny tanna

02/11/2016

Tsy mikely soroka aminny politika fanadiovana ny tannanity renivohitri Madagasikara ity ry zareo eo anivonny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Hamaky ny tohiny...

Vono olona tany Mananjary Tany tsy misy fanjakana intsony ?

02/11/2016

Niteraka resabe ny fandoranny olona velona ilay ramatoa iray antsoina hoe Ratsaramandimby Lucette, voalaza fa iraka avy aminny fiangonana zandriny iray eny Ampasika, Antananarivo ka nanota fady tao aminny doany Valamena Satrokefa taminny alalanny fanipazana henan-kisoa ny alahady 30 oktobra 2016 teo.

Hamaky ny tohiny...

Tsy masi-mandidy intsony ny mpitondra Mirongatra ny Fitsaram-bahoaka

02/11/2016

Tsy mitsitsy intsony ny olona fa avy hatrany dia manao izay saim-pantany manoloana ny fandikana ny lalnny fiarahamonina.

Hamaky ny tohiny...

Tranombokim-pirenena Anosy Varotra voninkazo maro samihafa

02/11/2016

Toy ny fanaony isan-taona dia manatanteraka varotra fampirantiana voninkazo etsy aminny tranombokim-pirenena Anosy ny fikambanana Ceinture Verte.

Hamaky ny tohiny...

Lalana Tsarasaotra-Ivato Tsy mbola voaloa ny volanireo rava trano

02/11/2016

Inenina nihemotra ny fotoana tokony handoavanny fanjakana ny vola omena ireo mponina rava fananana eny Tsarasaotra mihazo anIvato nanamboarana ilay lalam-baovao handraisana ny frankofonia.

Hamaky ny tohiny...

Trano fonenana eny Ankatso Nifandona indray ny zanakAtsimo Atsinanana sy ny zanaki Sofia

02/11/2016

Vaky indray ny ady teo aminireo mpianatra zanaky ny faritra Atsimo Atsinanana sy ny zanaki Sofia, samy manovo fahalalana eny aminny anjerimanontolo.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Masoandro

02/11/2016

Masoandro no solonanarana iantsoanireo mpitrandraka vato ao Anjozorobe ny filoham-pirenena ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana